Alahady 07 Jolay 2019.
Fandalinana ny Bokin’ny ROMANA
Romana 1.1-7
Mahagaga ny zava-bitan’ny Filazantsara . Jereo ange!
1-Mampitovy ny olona rehetra ny Filazantsara (and1-7)
Noho ny amin’ny Filazantsara (Jesoa Kristy maty sy nitsangana tamin’ny maty) dia lasa nisy zavatra nitovizan’i Paoly ) sy ny mpino kristiana tany Roma. Samy olom-boantso izy ireo . I Paoly voantso ho Apostoly (and1) . Ny mpino kristiana tany Roma koa dia voantso ho an’i Jesoa Kristy . Lasa Ray iray no niombonan’i Paoly sy ny mpino tanyRoma (and7).
2-Mampifanantona ny olona rehetra ny Filazantsara (and8-15)
Rehefa ren’i Paoly ny lazan’ny finoan’ny kristiana tany Roma dia nangetaheta mafy ny hihaona aminy izy (and8-12) . Ny antony mahatonga izao faniriana izao dia noho ny Filazantsara ihany . Te-hitory ny Filazantsara any Roma koa i Paoly (and15) mba hiara-mitombo finoana amin’izy ireo (and11-12) .
3-Mamonjy ny olona rehetra ny Filazantsara (and16-17)
« Fa tsy menatra ny Filazantsara aho , fa herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany » (and16) . « Ny marina amin’ny finoana no ho velona » (Hab2.4) and 17.Velona na voavonjy ny olona rehetra na iza na iza mino ny Filazantsara ,tsy manavaka sarangan’olona na fiavian’olona izany .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8