Alarobia 19 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 19.23-41

Tsarovy ireto :

1-Tsy afa-misaraka ny finoana kristiana sy ny sampy

Ady mangotraka no nisy teto . Rehefa nitory ny fivavahana marina ry i Paoly dia mba nitsangana niaro ny azy koa ireo mpanompo sampy . I Jesoa dia efa niteny mazava hoe : »Tsy misy mahay manompo tompo roa (Mat 6.24). Ny mampalahelo dia ny mahita olona mitonona nho kristiana nefa mbola manompo sampy ihany .

2-Mafana fo fatratra hiaro ny azy ny mpanompo sampy

Mariho ny fientanan’izy ireo , noantysoantso efa ho adiny roa be izao hoe: lehibe ny dianan’ny Efesiana (and34) . Marina fa hafanampo anjambany no hita eto . Anjambany satria tsy fantany akory izay ataony (and32), kanefa dia hafanampo ihany . Mba ahoana ny hafanamponao kristiana raha mitaha amin’izany ? Fa indraindray toa ambakan’ny mpanompo sampy isika .

3-Sarobidy amin’ny olona noho ny fanahy ny vola

Rehefa tena halalinina ny anton’ny hetsika rehetra notarihan’i Demetrio teto dia izao ihany : tahotra ny ho very tombotsoa . teo tokoa ny fitiavany sy ny fifikirany tamin’ny sampiny , dia ilay dianan’ny Efesiana , fa teo indrindra koa ny harena azony vokatr’izany . Io no natahorany mafy ho very raha tonga kristiana ny olona maro . Ary moa tsy mampahatsiaro antsika ilay tantaran’ny nanafahan’i Jesoa ilay demoniaka tao Gadarena va izany , ka nahatezitra ny tompon’ireo kisoa nidiran’ny fanahy ratsy ka nirifatra tany amin’ny hantsana ka maty tany ? Tsy ilay lehilahy velona no lehibe taminy fa ny kisoany maty . Fieritreritra izany !

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV