Alatsinainy 03 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 11.1-18

Mampieritreritra ity tantara ity 

1-Nohelohina i Petera (and1-3)

Ny and 1 dia milaza ny nandresen’ny Apostoly fa nandray ny Tenin’ Andriamanitra ny Jentilisa . Tokony  ho nifaly  izy ireo  , kanjo  fanamelohana no  nitranga eo amin’ny and 3 . Izany  fanamelohana izany  dia mampiseho  amintsika ny hamafin’ny  fangejan’ny fombantany  sy tarazo , na eo  amin’izay  mitonona ho  kristianina aza.

2-Nohenoina i Petera (and4-18)

Mahafaly  ny  mahita  eto  fa na dia mafy  aza ny fanakianana , tsy   nohelohina anjambany akory i Petera . Navela  hiteny izy , navela hitantara ny zava-nisy izy ka hijoro  ho vavolombelon’ny asan’ Andriamanitra manavao  ny Fiangonany sy manitatra ny ambaindain’ny Filazantsara . Tena Andriamanitra mihitsy  mantsy izay niditra an-tsehatra  hanitatra ny asa fitoriana ny Filazantsara izao , eny  fa na dia hanakorotana ny hevitra amam-pomba raiki-tampisaka tao amin’ny  mpino  aza . Soa ihany fa nahay nandray izany ireo Apostoly sy ny namany Jiosy  ka nangina sy nankalaza an’ Andriamanitra .

Homen’ Andriamanitra antsika anie ny hanaiky  ny asany  hampitombo ny Fiangonany , araka ny fombany ka tsy  ho maika hanameloka izay tarihany hahita ny làlam-baovao tsy mahazatra antsika  .

« Raiso ny Tenin ‘ Andriamanitra »Boky faha-8

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV