Talata 21 Mey 2019.
Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 5.1-11
Fampianarana lehibe 3 no raisintsika eto :
1-Tandremo ny lainga
Nandainga i Ananiasy sy i Safira . Tsy manontolo no nomeny , nefa sahiny ny nilaza fa izay daholo ny vidin’ny taniny rehetra. Fahafatesana no vokany . I Jesoa dia nilaza fa ny devoly no rain’ny lainga (Jao 8.44). Tandremo , fa tsy misy « lainga masina ».
2-Tandremo ny mpivady miray tsikombakomba
Tena tsara ny hananan’ny mpivady firaisan-tsaina , nefa raha firaisan-tsaina amin’ny ratsy , amin’ny lainga toy ny hita eto ia tena mampidi-doza , ka tandremo. Izay mahalala , sahia mijoro ! Raha ianao vehivavy tahaka an’i Abigaila no mahalala ny marina , mijoroa! (1 Sam 25.3).
3-Tandremo fa Andriamanitra ny Fanahy Masina
Nambaran’i Petera eo amin’ny and 3 fa « nandainga tamin’ny Fanahy Masina » i Ananiasy . Lazainy eo amin’ny and 4 fa nandainga tamin’ Andriamanitra izy . Inona no dikany ? Andriamanitra ny FANAHY MASINA . Tena foto-pinoana lehibe izany ka ifikiro fa aza mety rebireben’olona .Misy ny olona izay mandà ny maha- ANDRIAMANITRA ny Fanahy Masina . Eto anefa dia hitantsika fa efa tamin’ny andron’ny Apostoly mihitsy no efa ninoana izany . Izany no inoantsika an’ Andriamanitra tokana : « ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Mat 28.19).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8