Sabotsy 18 Mey 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 3.12-26

Jesoa Kristy avy any Nazareta

Izany anarana izany no loharanon’ny fahagagana vitan’ny Apostoly . Mamerina ny Jiosy amin’ny fahalalana marina ny fahatanterahan’ny teny fikasana voalaza ao aminn’y Testamenta taloha i Petera (and17,18).

Ny herin’ny finoana ny Anaran’i Jesoa Kristy

Manana ny fahefana hanangana izay rava ny Anaran’i Jesoa Kristy. Ny finoan’ny kristiana izany no mitondra vokatra mahagaga eo amin’ny fiainana (and16). Ny fanahin’ny mila vonjy dia tokony hangateaheta sy hiandrandra izany amin’ny firehetam-pinoana .

Mbola heloka ny amin’ny andron’ny tsi-fahalalana ny Tompo , fa miantso kosa ny olon-drehetra ho aminn’y fibebahana (and19). Misy fetra anefa ny vanim-potoana hahafahana mibebaka . Mifarana mialoha ny fampodiana ny zavatra rehetra ho eo an-tànan’i Kristy izany (and19-21).

Fanapahankevitra manokana ny fialana amin’ny ratsy fanao . Tsy ampy anefa izany fa ilaina ny mibebaka, izany hoe: miverina amin’ilay Andriamanitra mba hahazoana famelankeloka.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra »Boky faha- 8

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV