Alakamisy 18 Aprily 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 6.14-29

Nisy olona roa eto: i Jaona mpanao Batisa sy ny renin’ilay zanakavavin’i Herodiasy . Inona no iombonan’izy ireo ary inona no maha-samy hafa azy koa?

Samy nanoro hevitra na nanolo-tsaina izy ireo no sary aseho teto amin’ity hafatra ity , saingy :

-Nanana fahasahiana nanitsy na nanoro làlana an’i Heroda mpanjaka i Jaona mpanao batisa tsy mati-kena-maso teo anatrehan’ny manam-pahefana tamin’izay tsy nety nataony na nokasainy hatao. Niteny an’i Heroda mpanjaka i Jaona : « Fa Jaona efa nilaza tamin’i Heroda hoe: diso ianao raha manambady ny vadin’ny rahalahinao » (and18).

-Nanolo-tsain-dratsy an-janany kosa ilay renim-pianakaviana : « Dia nivoaka razazavavy ka nanao tamin-dreniny hoe: Inona no hangatahiko? Ary hoy ny reniny : ny lohan’i Jaona mpanao batisa » (and 24)

Noho izany ,  » …Heroda natahotra an’i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy , ka dia niaro azy izy , ary nandre azy izy dia very hevitra be ihany , ary nihaino azy tamin’ny hafaliana izy » . Mila mitandrina anefa isika eo anatrehan’izay fientanam-po samihafa tsy voahevitra , mitarika antsika amin’ny heloka amam-pahotana . Ny feon’i Jesoa Kristy irery ihany no henoy.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV