Alarobia 17 Aprily 2019.
Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA
Marka 6.1-13
Maro , na dia ireo nanatri-maso ny asa sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy aza no tsy nino Azy . Niezaka hatrany anefa Izy nampianatra sy nanasitrana . Niantso na naniraka mpiara-miasa ary nanome fahefana azy ireo hamoaka demonia koa Izy . Izany hoe : hanasitrana sy hamonjy ay amin’ny toerana maro samihafa.
Misy ny fepetra ho an’ireo izay irahina :
-Tsy mandeha irery « naniraka azy tsiroaroa«
-Mazava ny iraka : »hamoaka fanahy maloto » ( hanasitrana sy hamaha ny olan’ny olona) , « nitory fa tokony hibebaka ny olona « (hitaona ny olona hala amin’ny ratsy fanaony ).
-Mandeha am-pinoana sy am-patokiana an’ Andriamanitra feno : » tsy hitondra zavatra ho any amin’ny alehany , na hanina , na kitapo na vola ao amin’ny fehikibony afa-tsy tehina ihany . Fa asio kapa ny tongotrareo , ary aza mitondra akanjo roa ».
Izaho sy ianao , ilay mitonona ho kristianina dia antsoin’ny Tompo ho mpiara-miasa Aminy amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara , ny famahana ny olan’ny mpiara-belona izay miaina anaty fahadisoam-panantenana , fahaverezan-tsaina …Miantso ahy sy anao àry i jesoa Kristy ka ireo ny fepetra omeny antsika hiatrika ny asany .Mahereza!
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6