Tongasoa Vaovao farany

HAFATRY NY MPIANDRAIKITRA FOIBE, MF 06 SL XIX

CFD AMPANDRANA: 10 – 17 Aprily 2024

Ry havana malala, 

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo. (Rom 1.7b).

Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory teto Ampandrana, Antananarivo ny 10 -17 Aprily 2024 dia manao izao hafatra izao ho an’ny Mpitandrina sy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra:

Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina (2 Kor 9. 15) fa tanteraka soa amantsara ny fitokanana ny Sekoly Fanomanana Mpampianatra (SeFaMpa) tany Imerimandroso sy ny fanapahan-kevitra momba ny SeFaMpa ao Fihaonana ; ary fa voapetraka tamin’ny fomban’ny Fiangonana ny tomponandraikitra hitantana ireo Sekolintsika ireo. Efa miroso amin’ny fampiofanana isika ka hiditra amin’ny 23 Aprily 2024 izao ny andiany voalohany. Misokatra ho an’ny zanaky ny Synodamparitany rehetra ny Sekoly ary afaka maka ny andinindininy ao amin’ny Departemantan’ny Sekoly izay liana amin’izany.Tontosa tamin’izao fivoriana izao ihany koa ny fanendrena ireo Mpiomana Mpitandrina  nahavita ny fianarany sy ireo Mpiomana ho Mpampianatra avy amin’ny IFRP.

  • Ampirisihina ny Mpitandrina FJKM rehetra, hanamafy ny fampianaram-pinoana sy fitaizana ny Kristiana mba tsy ho voataonan’ny fampianaran-diso samihafa izay mahazo vahana eto amintsika.
  • Ampirisihina isika mba hanaja sy hanatanteraka ny fanapahan-kevitry ny Mpiandraikitra Foibe ary hanefa ny adidy ara-potoana, araka ny lamina efa napetraka.
  • Taomina isika, isaky ny Synodamparitany sy fitandremana mba samy hanaraka ny fandaminana avy amin’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe momba ny fanavaozana tomponandraikitra. (Ny atao hoe feno 65 taona, dia izay Diakona teraka tamin’ny 1959 ka tsy fidiana ho Diakona intsony fa ho Loholona avy hatrany). Taomina ihany koa isika hanaja ny isan’ny Diakona voalazan’ny Foto-dalàna sy fitsipika.
  • Ampirisihina hatrany ny hanefantsika Fiangonana ny adidy 2% ho an’ny Sekoly sy ny Kitapo Iombonan’ny Sekoly (KIS).
  • Ampirisihina ny fananganana Sekoly Teknika sy ny fanofanana arak’asa eny anivon’ny Fitandremana sy ny Synodamparitany. Efa misy ny tari-dàlana natolotra ho amin’izany.
  • Isaorana ireo izay efa nahatanteraka ny anjara  adidy ezaka famitana ny tranon’ny Filohan’ny FJKM teo aloha Atoa RASENDRAHASINA Lala Haja, Mpitandrina  ary ampahatsiahivina ireo Synodamparitany mbola tsy nahatanteraka fa hovitaina amin’ity taona ity izany ezaka izany.
  • Isaorana eram-po isika ny amin’ny ezaka ho fanefana ny adidy avy amin’ireo Fiangonana Manampy sy ireo Fiangonana Mpanampy ary ny Synodamparitany.
  • Taomina am-pitiavana hatrany ny Synodamparitany amin’ny ezaka Fampamokarana isam-pitandremana ho loharanom-bola maharitra.
  • Ankasitrahana isika ny amin’ireo tolo-tànana, ifanohanana amin’ireo tra-pahasahiranana amin’ny alalan’ny “Rakitra Soa” izay ataon’ny Fitandremana sy ny fanohanana ireo Mpiasa iombonana mandalo tsy fahasalamana ka tratran’ny aretina sarotra tsaboina.
  • Entanina hatrany ny fanaovana ny Kofehy Volamena izay entina isaky ny volana Oktobra.
  • Taomina isika hahatsiaro am-bavaka sy hanohana hatrany ireo Mpiasa Iombonana isan-tsokajiny ka hifanome tànana isaky ny Alahady fahatelo amin’ny volana Mey, hitrotroana am-bavaka ny Mpiasan’ny Foibe Ifanomezantsoa. Ankasitrahana hatrany ny ezaka tanterahin’ny isam-pitandremana.
  • Miombom-pahoriana sy mampahery ny mpiray tanindrazana rehetra, indrindra ny avy any amin’ny Faritra Avaratra, sy Atsinanana manontolo izay nandalovan’ny rivo-doza “Gamane” sy ireo niharan’ny asan-dahalo.
  • Mitaona antsika hatrany hivavaka ho an’ny Fiangonana sy ny Firenena, singanina manokana ny firosoana amin’ny fifidianana Solombavambahoaka ka handray anjara mavitrika amin’izany.
  • Manainga ny tomponandraikitra mba hihevitra akaiky ny fahorian’ny vahoaka noho ny tsy fandriampahalemana amin’ny endriny samihafa sy noho ny fidangan’ny vidim-piainana.
  • Ampahatsiahivina isika fa ny FJKM dia, mitandro hatrany ny fahamasinan’ny fanambadiana ka manamafy ny tsy fanekena ny fanambadian’ny olona mitovy fananahana.

« Ary ny Tompon’ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo. » (2 Tesaloniana 3 :16)  

Amin’ny anaran’ny Mpiandraikitra Foibe

Ny Filohan’ny FJKM,

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV