Alahady 18 Martsa 2018.

Mibebaha eo anatrehan’ny  TompoJeremia  36.1-10

Mampibebaka ny  mpanjaka sy ny Joda Andriamanitra 

1-Mampanoratra  an’i Jeremia  Andriamanitra 

Raketina  an-tsoratra  ny Tenin’ Andriamanitra   ampitaina amin’ny mpanjaka sy ny Joda . Miala nenina   aminy   ny  Tompo  mba hibebahany  ka hialany  amin’ny  fanompoantsampy  sy ny  tsy  fanekena  ny  sitrapon’  Andriamanitra  . Miantehatra  amin’ny Egyptiana  i Joiakima  mba hanoherana  ny Babyloniana  (2 Mpan 24 ) fa  tsy mihaino   izay  teny  entin’i Jeremia  avy  amin’i Jehovah . Manome  teny  hampitsaharana ny loza i Jehovah , raha  manaiky  ny   mpanjaka sy  ny  mpanapaka  aty ny Joda (and3)

2- Mampanoratra  an’i Baroka i Jeremia

Ampitain’ny  mpitantsoratr’i Jeremia  i Baroka  aamin’i Joda  sy ny  mpanjaka   ny  Tenin’i  Jehovah . Tsy  afaka   mankany  amin’nyTempoly   i  Jeremia  noho ny  antony   manokana , nefa  mbola  tsy tany amponja  izy  tamin’izany  ( jereo  19.26) . Tsy  voasakana ny  Tenin’ Andriamanitra  hampibebaka  ny  mpanjaka  sy ny vahoakany  . Tsy  manatanteraka  ny  fikapohana  Andriamanitra  raha  tsy efa nananatra  sy niala nenina .

3-Mampiala  amin’ny fivavahan-diso  Andriamanitra 

Mivavaka  sy   mifady hanina  ny Joda  fa tsy mihaino   ny  Tenin’ Andriamanitra  (and6). Fivavahana tsy   mampiala  amin’ny  fahotana  sy ny ratsy   ny  fivavahan’ny  Joda  . Mitarika  azy  i Jehovah   mba hanenina   sy  hiala   amin’ny  fahotany(and7) . Isany   no  fahamarinan’i Jehovah.

Fanontaniana:

Tena  manaiky  ny fahefan’ny Tenin’ Andriamanitra  ve  ny fiangonana sy   ny  mpitarika ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV