Hafatry ny Filoha (7)

Hafatry ny Filoha   /  Antso avo fahafito

7-Manao antso avo izahay mba hanova fomba fisaina sy fomba fiasa isika ka, eo anoloan’ny maha olom-pirenena malagasy antsika, ny zanaky ny FJKM rehetra, mahatsiaro fa nantsoin’Andriamanitra ho amin’izany, dia handray anjara mavitrika amin’ny fiainam-pirenena amin’ny sehatra rehetra sy amin’ny toerana rehetra ilana olona eo amin’ny fitondram-panjakana. Ary amin’izany rehetra izany dia ho tena Kristiana sahy miavaka, sahy madio, ho fitahiana ho an’ny firenena sy fanasin’ny tany tokoa ny zanaky FJKM mandray andraikitra eo amin’ny fitondram-panjakana rehetra! Ary izay mirotsaka eo amin’ny sehatra politika dia hanao izany amin’ny toe-panahy kristiana, ho fanasoavana tokoa ny sarambabem-bahoaka ary tsy hitenenan-dratsy ny anaran’i JESOA KRISTY ! Ho politika ho enti-manompo ny vahoaka tokoa, atao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra no hataon’ny zanaky ny FJKM  rehetra! “Ry Andriamanitra velona ô, havaozy sy ovay izahay!”.

Ry havana Malala, araka ny ambaran’ny Fitsipiky ny FJKM, and. 265.8, moa dia “Raiamandreny” ny Filohan’ny FJKM.

Koa antso avon’ny Raiamandreny ihany no ataonay. Tsy fanapahan-kevitra anaovana teny midina, fa antso avon’ny Raiamandreny mahatsiaro fa mbola hampamoahina “eo anatrehan’Andriamanitra sy i Kristy Jesoa, Izay hitsara ny velona sy ny maty” (2 Tim.4: 1)

IRAKO Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina  

Filohan’ny FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV