Hafatry ny Filoha / Des 2016 (I)

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !

Ry Prezida Synodaly sy Mpitandrina ary Katekista Delege mpiara-miasa, mitodika manokana aminareo ny hafatra anio:
1-RAISO AN-TANANA ITY TETIKASA ITY
Ianareo no napetrak’i JESOA, Lohan’ny Fiangonana, sady nitokisan’ny FJKM hitandrina ny ondrin’Andriamanitra eo amin’ny toerana misy anareo avy. Koa ianareo no tomponandraikitra voalohany amin’ny fampahombiazana ity tetikasa lehibe ity. Rehefa ianareo no vonona dia ho afaka hanentana ny fiangonana ianareo. Koa aza iandrasana ny AFF, na olon-kafa, ny fanatanterahana ity tetikasa ity fa raiso an-tànana, izany hoe: ianareo mihitsy no mitarika ny fivoriana handinihana azy. Ianareo no manara-maso mivantana ireo nametrahana andraikitra.
2-ANDAO HAVONDRONA NY HERY
Tena mandravarava ny fivavahana hafa eto Madagasikara ankehitriny. Namaky bantsilana izany ny Hafatra nataon’ny Komity Foibe faha 39 an’ny FFKM, natao tany Toamasina farany teo (22- 27 Novambra 2016). Ny hany hahafahantsika miatrika azy ireny dia ny fampivondronantsika ny herintsika. Fa marina mandrakariva ilay fitenintsika Malagasy hoe: “Firaisan-kina no hery”. “Ny mitambatra vato” Hahomby isika raha isika Mpitondra fiangonana rehetra no hiray hina. Hahomby isika raha tsy hisy amintsika hanatsatso na hanamaivana izao tetikasa izao. Hahomby isika raha miray feo isika rehetra ka samy hanao antso avo hoe:

 

“VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA”

3-FANTARO NY SAHA MIANDRY ANTSIKA
Araka ny efa nambara dia hanao tafika masina isam-bolana isam-bolana ny fiangonana FJKM tsirairay avy manomboka amin’ny volana Febroary 2017 izao.
Amin’ireo tafika masina ireo dia entanina ny hisian’izay hanao ao an-toerana, fa tena ampirisihana mihitsy kosa ny hisian’ny tafika masina hatao any ivelany. Fantaro àry fa mbola misy kaominina marobe ireto mbola tsy misy fiangonana FJKM mijoro.

Izao no toromarika omena antsika:
*Omenay eto ambany ireo kaominina tsy mbola misy FJKM ireo.
*Fidio izay halehanareo hanaovana tafika masina sy hanorenana fiangonana FJKM (olona sy trano) any. Afaka mifidy mihoatra ny iray ianareo!
*Rehefa vita ny safidinareo dia antsoy na ifandraiso ny AFF Foibe mba hilazanareo ny safidinareo. Izany no hatao dia mba tsy hifanitsaka ny asa. Holazainy anareo raha efa misy fiangonana nanao adidy ho any amin’io toerana io. amin’izay dia hanao safidy hafa ianareo.“Fantsakan’Antananarivo io izay tonga aloha tompon-tanindrazana”, hoy ny fitenenana.

Ireto no hifandraisanareo amin’izany:
-Talen’ny AFF Foibe RANDRIAMISAINA Triomphe, Mpit. 033 12 159 92
-Mpandraharaha AFF Foibe : RAMEFY Eva R. 032 04 399 55
*Ny tanjontsika ato anatin’ny 4 taona (hatramin’ny 2020) hataontsika rakotra FJKM i Madagasikara

 

FANAKAPOHANA 
COMMUNE REHETRA 1386
TSY MISY FG  407
ISANJATONY TSY MISY FIANGONANA   29

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV