Hafatry ny Mpiandraikitra Foibe

(MF01/SLXVIII)19–26 Oktobra 2016 – CFD Ampandrana

« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika »(II Tim.1/8a) Ry havana,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo.

Ny Filoha sy ny Mpiandraikitra Foibe FJKM, izay nanatanteraka ny fivoriany ara-potoana voalohany tao amin’ny CFD Ampandrana, Antananarivo tamin’ny 19-26 Oktobra 2016, dia mandefa amintsika izao dinidinika sy hafatra izao:

1-Voafidy sy natolotra tamin’izao fivoriana izao ireo tomponandraikitra ao amin’ny ambaratonga Mpanatanteraka FJKM, dia

Ny Sekretera Jeneraly: Andriamatoa RADIMISAON Andriamasinjara Jonah, mpitandrina

Ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana: Atoa RAKOTONINDRAINY Jaona, mpitandrina

Ny Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly: Rtoa RAKOTONDRANAIVO Andriasolotiana Domoina

Ny Tonian’ny Departemanta ‘ny Mpiasa sy Vola : Ramatoa ANDRY NIRINA Velosoa

Napetraka ho amin’ny andraikiny amin’ny fomban’ny Fiangonana ny Mpiandraikitra Foibe miaraka amin’ireo Filoha sy Birao ary Mpikambana ao amin’ny FIFAFI FOIBE sy FIFAMPI FOIBE. Aoka hahatsiaro azy ireo amin’ny vavaka mandrakariva isika Fiangonana.

2 – Tonga nitsidika antsika ireo solontenan’ny Vondrom-piangonana ao amin’ny Filankevitra eran-tany momba ny Ekiomenisma (COE) sy Fiangonana Presbyteriana any Etazonia (PCUSA). Asaina isika hitsidika ao amin’ny tranokalam-pifandraisana hahafantarantsika izay rehetra momba azy ireo.

3 – Nohamafisina tamin’izao fivoriana izao fa lavin’ny Fiangonana ny “homosexualité”, ny framasao, ary ampirisihina ny famakiana bantsilana ny ady amin’ny kolikoly.

4 – Horaisintsika FJKM ho adidy ny hamontosana Filazantsara ny Nosy Madagasikara eo am-pamakivakiana izao fotoam-piasana diavintsika izao, araka ny baikon’i Jesoa Kristy Tompo hoe: “Mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra”(Marka 16/15). Koa ny Fiangonana tsirairay avy dia hanao ho laharam-pahamehana ny fanaovana Tafika Masina isam-bolana manomboka ny volana Febroary 2017.

5 – Ampirisihina isika Kristiana FJKM hiezaka ao anatin’ny firaisan-kina sy ny fiombonana mba hanatanteraka ny fanapahan-kevitry ny SLXVIII araka ireo VINA natolotry ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara : “ Tsy ho menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” amin’ny teny sy ny asa rehetra. Hisy ny tombanezaka ara-potoana hatrany mba hamantarana ireo ezaka vita sy ny fivoarana kendrena.

Eto am-pamaranana dia halefa ho any amin’ny isan’ambaratonga ireo fanapahan-kevitra natao tamin’izao fivoriana izao mba hahazoan’ny isan-tsokajiny avy izay tandrify sy sahaza azy.

Dia manao veloma finaritra ho anareo rehetra ao amin’ny Tompo Jesoa ary maniry indrindra ny hahatrarantsika ny Krismasy 2016 sy Taona vaovao 2017.

“Ary ny Tompon’ny fiadanana anie hanome anareo Fiadanana amin’ny zavatra rehetra.” ( II Tes: 3/16)

Ho aminareo anie ny Tompo.

 

Antananarivo, faha-26 Oktobra 2016

 

Amin’ny anaran’ny Mpiandraikitra Foibe

Ny Filoha

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV