HAFATRY NY SYNODA LEHIBE FAHA XVIII

  Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” (2 Tim 1 : 8a) Ry havana,Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo (Fil 1:2)Ny Synoda Lehibe faha XVIII nivory teto Antsirabe ny 17 -24 Aogositra 2016 dia misaotra an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina. Manonona ny fiadanan’ny Tompo ho anareo Fiangonana rehetra, ary mitondra izao hafatra izao :Isaorana Andriamanitra fa vita soa aman-tsara ny fivorian’ny Synoda Lehibe faha XVIII, izay niompana tamin’ny teny faneva iainantsika mandritra ny efatra taona indray hoe : « Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » (II Tim 1, 8a). Isika Fiangonana sy ny Mpino tsirairay no antenaina haneho amin’ny tenintsika sy ny fomba fanao ary ny fomba fiainantsika ireo soatoavina rehetra mifototra amin’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy. Volavolain’ilay Teny noraisina avy any ambony isika, ka tonga Vavolombelona feno ny Fanahy sy ny fahendrena, afaka hampita amin’ny hafa ny herim-pamonjena efa nanangana antsika tamin’ny maty. Aoka hotsarovana mandrakariva, fa miandrandra antsika Fiangonana sy Mpino kristiana ny fiarahamonina ankehitriny. Iraka ho antsika ny manompo sy mampijoro ny rahalahintsika ka hitaona azy hino sy hanolo-tena hanompo ny Tompo. Koa ny fibebahana sy ny fiombonam-piainana amin’i Kristy ary ny famolavolan’ny Tenin’Andriamanitra antsika no fanoitra hahatonga antsika ho Vavolombelona marina.Maneho ny fisaorana sy ny fankasitrahana ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe sy ny Mpiandraikitra Foibe ,ny Mpanatanteraka, ny Synodamparitany rehetra sy ireo vahiny nasaina avy eto an-toerana sy ny avy any ivelany ( CEVAA, PCUSA … )Isaorana manokana ny Synodamparitany Andrefana Atsimon’Ankaratra Miaradia sy ny Fiangonana Katedraly Mahafaly Antsirabe sy ireo Fitandremana manodidina, izay nandray ny Synoda Lehibe faha XVIII.Ny Synoda Lehibe faha XVIII dia nanapa-kevitra, fa amin’ny maha Vavolombelona ny Fiangonana dia hatao ho vaindohan-draharaha sy hampitomboina ny fitaizam-pinoana sy ny asa mahakendry ny fiainana andavanandron’ny olona. Hampitomboina ny isan’ny Mpiomana ho Mpitandrina, ka ho sokafana indray ny Toeram-panomanana ho Mpitandrina any Imerimandroso distrikan’Ambatondrazaka.Ny taona 2018 no fotoam-pankalazana ny Jobily faha 50 taonan’ny FJKM(1968 – 2018) sy ny faha 200 taona nidiran’ny Filazantsara nentin’ny Protestanta LMS (1818 – 2018). Fananganana trano Toeram-Panomanana Mpitandrina eny Ivato no tsangambato.Atao vaindohan-draharahan’ny FJKM ny fampitomboana ny Fitoriana ny Filazantsara ; ka hifanome tànana amin’izany ny Kristiana rehetra. Hampiroboroboina ny loharanom-bola maharitra, ary hatsaraina ny fiveloman’ny mpiasam-piangonana. Hasiana fanofanana ho amin’ny fikajiana sy ny fikoloana ny fananan’ny Fiangonana FJKM.Zava-dehibe ny fanekena sy ny fisokafan’ny Sekoly FJKM, amin’ny fanomezana anjara toerana ireo sokajin’olona manana fahasembanana, mba ho afaka hanovo fahalalana sy hanompo an’Andriamanitra izy ireo. Tohizana hatrany ny fanatanterahana ny vinan’ny Sekoly FJKM sy ireo fanamby, izay nitondra vokatra tsara mandrakariva sy fanavaozana teo amin’ny fanabeazana. Fandraisana an-tanana sy fanohanana ny Sekoly FJKM sy ny mpanabe rehetra, izay hataon’ny Fiangonana.Atao laharam- pahamehana : ny Fitaizana ny Kristiana, ny fampiorenana ny finoana,ka notapahina fa hasiana ny Synodampinoana, ny fanohanana ny asa iombonana ary ny firotsahana an-tsehatra.Manoloana ireo fivavahana samihafa dia manana vina sy fanamby ny Fiangonana FJKM, dia ny hoe : “ FIRENENA KRISTIANA HATRANY I MADAGASIKARA AMIN’NY TAONA 2118”, ary manana ireo asa maharitra sy mahomby amin’ny Fitoriana ny Filazantsara isika.Araka ny Soratra Masina , ny FJKM dia miady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana ary ny tsy fandriampahalemana. Nohamafisina indray ny maha Komity ny vaomieran’ny fiainam-pirenena, izay hitondra ny tenin’ny FJKM sy hanao paikady hiatrehana izany.Ao anatin’izany ny fitaizana ireo zanaky ny FJKM manana andraikitra eto amin’ny firenena.Amin’ny maha Mpaminany sy Mpitily ho an’ny firenena ny Fiangonana,dia tsy misalasala ny Synoda Lehibe faha-XVIII ny FJKM manaitra anareo mpitondra fanjakana, mba hijery akaiky ny lafiny ara-tsosialim-bahoaka sy ny zon’ny olom-pirenena , mba hisitraka ny harena nomen’Andriamanitra azy ny vahoaka Malagasy.Farany, vita tamin’izao Synoda Lehibe faha XVIII izao, ny fanavaozana ireo Mpiandraikitra Foibe sy ny Birao Foibe hiasa mandritry ny efa-taona (2016-2020)Manao veloma finaritra amin’ny anaran’ny Tompo sy mampahery anareo Fiangonana ny amin’ny fijoroanareo vavolombelona ao amin’i Kristy“ Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika”( IITimoty 1:7,8a)Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.Antsirabe, faha 24 Aogositra 2016.Ny Filohan’ny Synoda LehibeRAKOTONIRINA Charles,MpitandrinaNy Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra FoibeIRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi , Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV