HAFATRA MF 04 SL XVI

 

 

 

 

HAFATRA

MF 04 SL XVII : 23- 30 APRILY 2014

CFD AMPANDRANA)

“Fa ny fanantenana no namonjena ny mino”Rom.8 : 24aRy havana, “Ho an’izay malalan’Andriamanitra sady voaantso no masina ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo” (Romana 1 : 7)Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory teto amin’ny CFD Ampandrana, tamin’ny 24- 30 Aprily 2014 dia miarahaba ny Fiangonana sy ny vahoakan’Andriamanitra FJKM rehetra, nahatratra ny Paska 2014, fahatsiarovana ny Fitsanganan’I Jesoa Kristy Tompontsika tamin’ny maty. Antenaina fa ny Herin’ny fitsanganany dia ahatonga ny maro iaina ao anatin’ny fahamarinana sy ny fahaleovantena tena izy, miaraka amin’I Jesoa Kristy. Ny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe niantsoana ireo Prezida Synodaly sy ireo Tonia sy Tale rehetra eo anivon’ny Sampana, Sampanasa ary Asa dia mampita hafatra ho an’ny Tompon’Andraikitra sy ny Vahoaka kristiana FJKM mba handrotra hatrany, amin’ny Fiombonana Masina ka ahatsiarovan’ny mino rehetra ato amin’ny Fiangonana misy antsika fa “Iray ihany isika”. Ny Litorjia voarakitra ao anaty boky litorjia ihany no ampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana FJKM, koa ilaina ny fanarahana antsakany sy andavany izany. Efa vita izao ny Litorjia FJKM amin’ny teny frantsay sy anglisy. Ny fanatanterahana ny adidy rehetra ato anivon’ny Fiangonana dia fanehoana izany “fiombonana izany”, aty amin’ny Foibe, ny Synodamparitany ary ny Fitandremana. Koa atao ho vaindohan-draharaha mandrakariva izany ho fampandrosoana ny Fitoriana ny Filazantsaran’I Jesoa Kristy.Vita izao ny boky fianarana Soratra Masina ampiasaina eny amin’ny Sekoly FJKM ary dia ho fitaovan’ny Sekoly izany.Miangavy ny Fiangonana hitondra am-bavaka sy hanohana hatrany ny Sekoly FJKM manerana ny Nosy.Maro ireo fiofanana sy fifampiofanana hotanterahina mba hahazoan’ny mpino tanjam-pinoana sy fahalalana vaovao.Tsapan’ny Mpiandraikitra Foibe ny zava-tsarotra samihafa iainan’ny firenena, indrindra ny tsy fandriampahalemana izay misy fiantraikany aty amin’ny fiainam-piangonana sy ny vahoaka, koa mampahery ny Fiangonana tsy hiraviravy tànana fa hijoro hatrany ho mpampahery ny olona rehetra mba ho vavolombelona fa Ilay “Maherin’I Jakoba” no momba antsika, araka ny Soratra Masina hoe : “dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao ary Ilay Maherin’I Jakoba no Mpanavotra anao” (Isaia 49 : 26b).Momba ny firenena, dia ampirisihana sy ampaherezina ny Filoham-pirenena, mba hijoro amin’ny fahamarinana ary hanatanteraka ireo teny fampanantenana rehetra nataony tamin’ny vahoaka Malagasy. Ny vahoaka koa mba hitandrina ny fahamarinana sy ny tahotra an’Andriamanitra, hiverenan’ny filaminana sy ny fihavanana eto amin’ny tanintsika ! Manohana ny ezaka ho amin’ny Fampihavanana tanterahin’ny FFKM isika FJKM.Hamafisin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny Mpiandraikitra Foibe fa tena “rariny sy hitsiny” ary mariky ny firosoana mankany amin’ny fampihavanana sy ny fanajana ny soatoavina Malagasy momba ny “Fihavanana sy ny tahotra an’Andriamanitra” ny fanokafana tsy misy fepetra ny Radio Fahazavana sy ny famerenana ny fananan’ny FJKM norobain’ny Fitondrana Tetezamita, ho amin’ity taona 2014 ity.Farany, dia ampaherezina hatrany ny Fiangonana ny Sampana, Sampanasa ary Asa rehetra manerana ny sahan’ny FJKM, hahatsiaro fa ny Iraka voalohany ampanaovin’Andriamanitra antsika dia ny Fitoriana ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra, hatrany amin’ny faran’ny tany. Ho vokatra andrasana ao anatin’izany ny fihitaran’ny Fiangonana sy ny fitomboany ka tsy hitsahatra ny famoany “Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha” (Jeremia 17 : 8a). Manao veloma ny Mpianakavin’ny finoana rehetra amin’ny fanorohana masina (I Tesaloniana 5 : 26).“Ary ny Tompon’ny fiadannaa anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo” (II Tesaloniana 3 : 16)Ampandrana, 30 Aprily 2014Ny Filohan’ny Mpiandraikitra Foibe FJKMAndriamatoa RASENDRAHASINA Lala Haja, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV