Hafatry ny Filoha / Krismasy 2017.

 

HAFATRA KRISMASY

« …fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny » (Lio.2.7)Ny Krismasinao,enga anie ho andro vao;tsy ho fety ivelambelanyka ny hany mba havelanydia ny fonom-batomamyizay mandoto tokotany! Fa tena hamangy anao I JESOAHitondra fiovana,hiova  fiainasy fisaina!

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM

Foto-dalàna sy Fitsipika / Ny Raharaha sarotra

Hoy ny voasoratra ao amin’ny Hebreo 3, 13 : «fa mifananara isan’andro, raha mbola atao hoe « Anio »; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota.» Raha izany no hazavaina ara-bakiteny dia azo adika toy izao: Ny fahotana mitombo ao anatin’ny olona no manamafy ny fony ka ny fifananarana no andraikitra iantsoana ny Fiangonana. Ny fahamafisam-po no miteraka raharaha sarotra eo anivon’ny fiangonana. Ka tany aloha, ny FJKM dia nanangana ny fitsaram-piangonana ho entiny handrindra ny raharaha sarotra teo anoloana, fa efa, an-taonany maromaro izany dia filan-kevitra no mijoro ho sehatra handaminana ny raharaha sarotra ao amin’ny fiangonana.

Ny toko faha VIII ao amin’ny Fitsipiky ny FJKM no mamaritra ny amin’ny ho fiatrehan’ny fiangonana ny raharaha sarotra miseho eo aminy. Toy izao no fotokevitra ambaran’ny Fitsipiky FJKM momba ny fisian’ny fandaminana raharaha sarotra eo anivon’ny Fiangonana:

“Mba hitandroana :

  1. Ny filaminan’ny Fiangonana ho voninahitr’Andriamanitra ka hampanajana ny Fotodalàna sy ny Fitsipika, ny Fitsipika Anatiny ary ny fanapahan-kevitry ny Ambaratongan-drafitra.
  2. Ny hajan’ny Fiantsoana ho amin’ny Fanompoan’ny Mpitandrina, dia ajoro eto anivon’ny FJKM ny FILANKEVITRA MOMBA NY FANDAMINANA NY FIANGONANA hafohezina hoe: « FI.FA.FI. » sy ny FILANKEVITRA MOMBA NY FANDAMINANA NY MPITANDRINA hafohezina hoe: « FI.FA.MPI. »
  3. Izany fandaminana izany dia aompana amin’izay voalazan’ny Tompo ao amin’ny Matio 7, 1 manao hoe: « Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo » sy izay nambaran’ny Apostoly Paoly ao amin’ny I Kor. 6, 1 manao hoe:« Misy aminareo va, raha manana ady amin’ny namany, sahy handeha hotsarain’ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan’ny olona masina » sy ny I Kor. 6, 5 hoe : « Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay tsy misy olon-kendry aminareo na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin’ny rahalahiny ? »

Ny fampiharana ireo teny ireo dia ankinina amin’izay voasoratra ao amin’ny Mat. 18, 15 – 17 hoe : « Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy dia efa azonao ny rahalahinao ; fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo. Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin’ny Fiangonana ; ary raha tsy mety mihaino ny Fiangonana koa izy dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy. »

Eo anivon’ny Synodamparitany sy ny Foibe no anatanterahana ny fandaminana ny raharaha sarotra.

Tsy ny disadisa na ny fifanolanana rehetra akory dia atao hoe raharaha sarotra satria ny Fitsipiky ny FJKM dia manana ny famaritany izany araka izay famaritan’ny And. 382, azy hoe:

“Ny atao hoe raharaha sarotra ao amin’ny Fiangonana dia ny raharaha ateraky ny tsy fanarahana sy tsy fanajana ny Fotodalàna sy ny Fitsipiky ny FJKM sy ireo Fitsipika Anatiny samihafa izay nankatoavin’ny Ambaratongan-drafitra mpiahy, tsy fanajana sy tsy fanarahana izay miseho any anivon’ny Fitandremana, Synodamparitany, Mpiandraikitra Foibe ary ireo Sampana sy Sampanasa ary Asa, ka miteraka disadisa na korontana ato amin’ny Fiangonana.”

Raha izany no izy, anjaranao mpamaky no mamaly na raharaha sarotra na tsia ny toriteny lava na fohy, ny tsy fahaizan’ny mpitandrina mihira, na ny Diakona manao lokomena…..

(Mbola hitohy)

Ho an’Andriamanitra anie ny voninahitra.

RASORAPIANGONANA

Talata 12 Desambra 2017 .

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo

Talata  12 Desambra  2017

EKSODOSY  33.12-23

Tahaka  ny fihaonan’ny  mpisakaiza   no nihaonan’ Andriamanitra  sy i Mosesy tao  amin’ny tranolay fihaonana , ka nanomanan’ Andriamanitra ny Zanak’ Israely hiakatra  ho any  amin’ny tany Kanana . Nambaran’ Andriamanitra  tamin’izany  ny toky omeny ny vahoakany .

1-Homba  azy tokoa  ny Tompo  (and 12-17)

« Ny tavako  no handeha »  (and 14) ,hoy ny Tompo . Manambara izany  fa ny  maha-Izy  ny  Tompo   mihitsy  no homba  sy hitondra hiakatra  ho any Kanana . Andriamanitra manatrika  ny vahoakany  mantsy  Izy  . Hisongadina  amin’izany   ny fifandraisana  lalimpaka  sy ny fifamatorana  lalina  eo  amin’izy ireo  satra  nahita fitia  teo imasony  izy ireo  rehefa  avy niaiky  ny helony (and1-6) .Vonona  hatrany  i Jesoa Kristy  hifandray  amintsika  raha  miaiky  ny fahotantsika  isika .

2-Handray  ny fahatsarana  rehetra (and18-23)

« Izaho   hampandalo  ny fahatsarako  rehetra  eo  anatrehanao «  (and19a). Mitady hahita an’ Andriamanitra i Mosesy  , nefa  nambara  fa tsy afaka  mahita  izany mihitsy  izy  raha tsy amin’ny alalan’ny asan’ny Tompo  na ny voninahiny ihany  . Io  asa na voninahitr’ Andriamanitra io no  hanolorany  ny fahatsarany  rehetra : hanonona ny Anarany , hiantra  , hamindra fo…( and 19 ). Tombotsoa  manokana  no atolotr’ Andriamanitra   izay manaiky    Azy  . Marina  hatrany izany rehefa miverina  mandinika ny  fahafoizany hatramin’ny zanany lahitokana  sy ny zavatra  rehetra ho antsika isika.

Fanontaniana :Ankehitriny , inona  no efa  hitanao  endrika nisehoan’ny tavan’ Andriamanitra ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 11 Desambra 2017 .

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo Romana 8.31-39Ny Romana  8 no anazavan’i Paoly   ny fitahiana mahatretrika  ananan’ny mpino   , ka hananany    fiainam-pandresena  sy  feno  fanantenana .

Ny  fiainam-pamonjena  azon’ny  mino 

1-Ao amin’i Jesoa Kristy 

Fanontaniana enina  misesy no napetraky ny Apostoly  Paoly entina handresena  lahatra  antsika  , fa na dia  mbola eto amin’izao  tontolo izao  aza ny mpino  , dia mahazo  antoka   ny mandrakizay   , satria   momba   antsika Andriamanitra  . Porofon’izany   ny nanomezany  an’i Jesoa Kristy  zanany lahitokana  , ka afaka  hiantoka  hatramin’ny fara-tampony  amin’ny tanjona  sy izay  zavatra  ilaintsika . Planin’ Andriamanitra  ho  fanomezam-boninahitra  sy  ho  fanamasinana  antsika izany , ka tsy tokony hataontsika raraka an-tany .

2-Maneho  ny fitiavan’i Kristy 

« Iza  no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? » .Farany   tamin’ny fanontanian’i Paoly ity , izay  manasongadina  indrindra  ny fanomezana valiny  ho amin’ny filaminam-panahin’ny mpino. Ireo toe-javatra  fito voalaza  ireo  dia mety  hiainantsika  ihany (fahoriana , fahantrana, fanenjehana , mosary, fitanjahana, loza, sabatra) saingy  ny fitiavan’i Kristy  izay mihoatra  noho izany  kosa no mampandresy   antsika hatrany . io fitiavan’i Kristy  io no efa namonjeny  izao tontolo izao  , ka nanolorany ny ainy sy nandatsahany  ny rany  teo ambony   hazo fijaliana . Tsarovy  àry  fa manana  anjara  amin’io fitiavan’i Kristy  io ianao , ka tonga  mpandresy tahaka Azy .

Fanontaniiana:Tanisao  ireo  fizahantoetra  mahazo  anao nefa  tsy  mety  resinao  mihitsy  . nahoana  no tsy mety resinao izany ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM 

Alahady 10 Desambra 2017 .

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo  Lioka 18.15-17Mahatratra  ny sokajin’olona rehetra  ny fitiavan’ Andriamanitra . Noho izany :1-Mibebaha amin’ny fanilikilihana (and15)

Manana endrika fanilihana  ny zaza  ny fandraran’ny mpianatra  ireo olona nitondra zaza ho eo amin’i Jesoa  . Ny mpianatra  nanilika , fa Izy  kosa niantso  azy ireo hitondra ny zaza  ho eo Aminy . Be fitiavana  Andriamanitra ka tsy  mba manilika na manavaka . Mibebaha  amin’ireo  endrika fandrarana sy fanakanana ataontsika amin’ny ankizy  sy amin’ireo  sokajin’olona  madinika ka mahatonga  azy ireny  tsy ho tafiditra  any am-piangonana , na  tsy hanana anjara  amin’izay  atao  ao am-piangonana.

2-Mandraisa  ny toromarik’i Jesoa (and16) 

Manana ny anjara  toerany  ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra  ny zaza. Tsy  misy na iza na iza rahateo   azo    sakanana  tsy  hanatona  ny  Tompo  sy hanana  ny anjarany  ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra . Lohalaharana  amin’ireny ny zaza. Anisan’ny fihetsika nanafitohina  an’i Jesoa  ny fandrarana  ny zaza tsy hanatona   Azy ( Mar 10.14). Baiko  no omen’i Jesoa  antsika  fiangonana . Omeo   sehatra  ivelarany  sy itomboany  eo anivon’ny  fiangonana  ny zaza . Fampianarana koa no omen’ny Tompo antsika amin’izay  tokony  hananantsika toe-po  tahaka ny zaza  rehefa manatona an’ Andriamanitra .

Fanontaniana :Inona avy ireo  endrika fanilihana  ny zaza efa hitanao  niseho  tao am-piangonana?Birao  Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 09 Desambra 2017 .

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo Deoteronomia  10.12-19

Ilay Andriamanitra  be fitiavana 

Fantaro  Ilay Andriamanitra  be fitiavana fa:1-Tsy manam-paharoa Izy  (and 17-18)

Ireo  toetra  mampiavaka  sy maneho  ny maha- izy  Azy  an’ Andriamanitra   no  ambarany  amintsika eto . Tsy  manam-paharoa Andriamanitra satria Tompon’ny fiandrianana avo indrindra Izy , manana  ny hery  sy ny  fahefana ambony  indrindra Izy , mahitsy sy marina Izy  ary tia sy miantra  izay  atao an-jorombala Izy .Nasehony   tao  amin’i  Jesoa Kristy  fony teto an-tany ireo  toetrany  ireo . Nanehoan’ Andriamanitra ny fitiavany isika ka tokony hahay  haneho  fitiavana  ny hafa ihany koa (and19) .

2-Mendrika ny hotiavina Izy  (and 12-16)

Tia  antsika Andriamanitra . Nasehony  tao amin’i Jesoa izany fitiavany  antsika izany .Mandeha ila anefa ny fitiavan’ Andriamanitra raha toa ka tsy mba mahay  mamaly fitia Azy isika .Ho setrin’ny fitiavany antsika dia aoka hanaja sy hankato Azy isika ka hitandrina ny Teniny araka  izay ahitana   izany  ao amin’ny Soratra masina manontolo , ho tia sy hanompo  Azy  amin’ny fontsika sy amin’ny fanahintsika sy izay rehetra ananantsika . Tsarovy  fa tsy  toy inona  akory  ny fanehoam-pitiavana andrasan’ Andriamanitra amintsika  raha oharina amin’izay efa nataony  ho antsika .

Fanontaniana :Inona  amin’ireo  fanehoam-pitiavana an’ Andriamanitra  ireo  no mila hanaovanao  ezaka bebe kokoa hatrany ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sekoly FJKM/ Fanabeazana mampiaty

FANOLORANA FANOMEZANA 

Fanolorana fitaovana ho an’ireo ankizy sy sekoly mampihatra ny Fanabeazana mampiaty ato amin’ny FJKM, tanterahin’ny « Tetikasa Mahay « sy ny Foibe Fitondrantsekoly FJKM, ny Alatsinainy 11 Desambra 2017 amin’ny 2ora ao amin’ny efitra 201.

Zoma 08 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny  fitiavany ny  TompoEfesiana 2.1-10

Maneho  fitiavana  antsika ny  Tompo 

Endrika maro   no hanehoany  izany  . Ireto  no santionany  ho antsika anio :1-Famelomana aina :

« Ary  hianareo  dia efa novelominy  fony  mbola matin’ny fahadisoanareo  sy ny fahotanareo » (Efes 2.1). Fahafatesana  no tambin’ny ota . Izay  miaina   amin’ny rehaka izao  fiainana izao  dia efa  mizotra  amin’ny fahaverezana . Soa  fa teo  i Jesoa , mamelona  antsika  indray tamin’ny nanolorany ny tenany.

2-Famindrampo  sy fitiavana  :

« Fa  Andriamanitra  izay manankarena  amin’ny famindrampo , noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika  » (Efes 2.4) . Rehefa  eo  ny fitiavana  dia manaraka ho azy  ny famindrampo , tsy  sarotra  ny mamela  heloka ny olo-tiana . Zava-dehibe ho an’ny mpino  io famindrampon’ Andriamanitra  io  .

3-Fananganana sy fanarenana:

« Ary  niara-natsangany isika... » (Efes 2.6). Na  teo  aza  ny  fandehanana  araka   ny  fomban’izao  tontolo  izao  sy ny hetraketraky  ny  devoly izay  mpanapaka ny fanjakany eny  amin’ny rivotra , dia eo  indrindra ny  Tompo  manangana  sy manarina . Ka izay  atsangana  sy arenina dia takiana  hiala  amin’ny toerana nahalavo  azy  ary handroso amin’ny làlam-baovao  araka ny fitarihan’ny Tompo.

Fanontaniana:Ny fitiavana  no paikady  mahomby  ho fananganana sy fanarenanana  mihoatra  noho  ny famaizana  sy ny latsalatsa . Nahoana ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM 

AFIFAB / Pylône Radio Fahazavana

FANASANA 

fanentanana

Fifaliana ho an’ny FOIBE FJKM , ny Sekretera Jeneraly, ny AFIFAB ny manasa  antsika amin’ny Fanompoampivavahana ho fisaorana an’ Andriamanitra  noho ny fananganana  Pylône Radio Fahazavana ,

 Zoma 15 Desambra 2017

amin’ny 10 ora maraina

Chapelle Ambohibe Ilafy Fitahiana .

Manantena ny fahatongavantsika maro .

« Hianareo  no fahazavan’izao tontolo izao  » Mat 5.14

 

Jobily volafotsy/ Raharimalalatiana Lydia , Mpit

Synodamparitany Antananarivo Atsimo

Aumônerie Protestante CHU Fenoarivo

« Fa asany isika  , voaforona  tao  amin’i Kristy Jesoa mba hanao  asa tsara  , izay namboarin’ Andriamanitra rahateo  mba handehantsika eo Aminy « Efes 2.10

-Ny Foibe FJKM

-Ny  Fiangonana Aumônerie Protestante CHU Fenoarivo

-Ny Komitin’ny Jobily

-Ny Mpitandrina  mianakavy

dia faly  manasa antsika amin’ny Fanompoampivavahana fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra  noho ny

faha- 25 taona maha-Mpitandrina

an- dRamatoa RAHARIMALALATIANA Lydia 

Izany dia hatao  ny Sabotsy 16 Desambra 2017 amin’ny 9ora sy sasany  ao amin’ny FJKM Antanety Fitiavana Ambatomirahavavy , izay hotarihin’ny SPAA 11.

Fifandraisana : 033 18 411 83