Alarobia 27 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany ny  Tompo Galatiana  4.1-7

Ny fahatongavan’ny  zanaka 

1-Manavotra izay ambanin’ny lalàna  (and4,5)

Tsy   misy  amin’ny olombelona   na dia iray  aza ka sahy  milaza  fa nahatanteraka  izay rehetra  notakian’ny lalàna taminy  . Amin’izany  , ny lalàna  dia tonga  miampanga  antsika  satria  mampiharihary  ny tsy fahamarinantsika  . « Nateraky ny   vehivavy  , nateraka  tao  ambanin’ny lalàna   » (and4). Jesoa no nahatanteraka  feno  izay notakian’ny lalàn’i Mosesy sy ny lalàna  amin’ny ankapobeny . Izy  no nanafaka  antsika  tamin’ny  fanandevozan’ny lalàna . Raha  ny lalàna dia tsy  misy  azo hamarinina  eo anatrehan’ Andriamanitra isika. Ny fahatongavan’i Jesoa  no nahavotra   antsika  tsy ho eo ambanin’ny lalàna .

2-Mahatonga  antsika ho  mpandova 

« Raha  mbola zaza ny  mpandova  , dia tsy hafa  noho   ny andevo  izy  , na dia Tompon’ny zavatra rehetra aza  » (and1). Baikoina  hanao  izay  asaina   ataony  ny zaza   na dia  mpandova  aza , mandra-pahatonga  ny fotoana  izay iheveran’ny rainy  azy fa afaka  mandray an-tànana  sy mitantana ny anjara lovany izy   . Izay  rehetra  mino  an’i Jesoa  kosa  dia afaka  tamin’ny fahazazana sy ny fanandevozan’ny abidiam-pianaran’izao  tontolo izao  , ary afaka  hiaina  malalaka  amin’ny  fanatanterahana  ny sitrapon’ Andriamanitra . Ny Fanahy  mitoetra  ao  anatintsika kosa no hanome   antoka  ho  antsika ny  amin’ny fiainana mandrakizay .

Fanontaniana :Hazavao  ny teny hoe: »olona afaka  isika »Birao  Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Mofonaina Janoary 2018.

Manapaka  amin’ny fahefany ny Tompo
01 Gen 28.10-17
02 Mar 4.35-41
03 Apo 11.15-19
04 Sal 24.1-10
05 Efes 1.15-23
06 Rom 1.18-25
07 Isa 9.1-6
08 Asa 20.17-21
09 Jao 1.29-34
10 Deo 10.12-22
11 Sal95.1-5
12 Apo 19.11-16
13 Neh 1.4-11
14 Mar 1.21-28
15 Isa 40.27-31
16 Kol 2.8-15
17 Mar 9.19-27
18 2 Tan20.5-9
19 Jao 4.46-54
20 Amo 5.21-27
21 Joda 24-25
22 2 Mp 19.14-19
23 Sal 145.8-14
24 Sal145.8-14
25 Deo 29.1-8
26 Lio 10.17-20
27 Isa45.1-5
28 Lev14.1-9
29 Mat8.1-4
30 Isa47.1-5
31 Heb1.1-4

 

Talata 26 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany ny TompoIsaia 11.1-10

« Solofo  mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese »

1-Itoeran’ny Fanahin’i Jehovah (and2)

Ny fitoeran’ny Fanahin’i Jehovah  no mampiavaka  ny olona manome  ny toetra sy ny hery  rehetra ilaina  ahafahana  manatanteraka  ny sitrapon’ Andriamanitra ho famonjena  izao  tontolo izao  . Ny  asan’ny Fanahy masina  no  hery  mampijoro  ny fiangonana  ka hahafahany  manohy  ny asam-pamonjena  efa natombok’i Kristy  sy hahaizana  mitsara  araka ny fahamarinana (and4). Tsiahivina  eto  ilay  mpanompon’i Jehovah  nanao hoe: « Ny Fanahin’i Jehovah Tompo, no ato amiko  , satria Jehovah efa nanosotra  Ahy  hitory teny soa mahafaly  amin’ny mpandefitra , efa  naniraka  Ahy hahasitrana ny torotoro fo  Izy  , ary hitory  fanafahana  amin’ny babo  sy hamoaka  ny ao an-tranomaizina …(Isaia 61.1).

2-Mitondra fiadanana (and4-10)

Rehefa  ao  amin’ny olona ny Fanahin’ny Tompo  , ka manjaka eo amin’ny mpitondra  ny fahatahorana  an’ Andriamanitra  sy ny fahatokiana Azy , dia izany   no fiadanana . Miverina  amin’ny laoniny   ny fifandraisan’ny olona amin’ Andriamanitra , ny fifandraisan’ny olona samy olona , ary ny fifandraisan’ny olona amin’ny zava-boahary . Sary maneho  izany fiadanana izany  no ambaran’ny mpaminany  : »Ary ny amboadia  hiara-mitoetra  amin’ny zanakondry …ny zaza minono  hilalao  amin’ny lavaky  ny vipera » (and 6-8)

Fanontaniana:

Misy ifandraisany  ve ny fahotana  sy ny fahasimban’ny tontolo iainana ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM 

Fanokafana ny Taom-piasana 2018 .

FANDAMINANA SAMIHAFA 

Toy ny fanao isan-taona raha sitrapon’Andriamanitra dia ho tanterahina eo amin’ny Kianjaben’ny Mahamasina ny fanompoam-pivavahana ho fitondrana am-bavaka ny taom-piasana 2018 sy ny Raiamandreny Filohan’ny FJKM sy ny ankohonany. Izany dia ho tontosaina ny Alahady 21 Janoary 2018 hoavy izao, manomboka amin’ny 10 ora 30mn maraina.

Hiavaka tokoa ity fotoana ity satria samy hanao ny fanamiany mampiavaka azy ny isan-tSampana sy ny Loholona ary ny Diakona mandritra ny filaharambe izay arahina filanjana sora-baventy. Hanomboka hiainga ny filaharambe amin’ny 7ora sy 30mn maraina araka izao toro-marika izao :

SAMPANA MIARA

MILAHATRA

TOERANA HIAINGANA

7ora 30mn amaraina

VAVAHADY HIDIRANA AO

MAHAMASINA

DORKASY

SEKOLY ALAHADY

TSANGAMBATON’NY 1947

AMBOHIJATOVO

Vavahady ampitan’ny

Fiangonana Katolika

SAMPANA TANORA KRISTIANA

SAMPANA FIFOHAZANA

JIRAMA

ANDREFAN’AMBOHIJANAHARY

Vavahady ampitan’ny

Medecine

SAMPANA VOKOVOKO MANGA

SAMPANA LAIKA

ESPLANADE ANALAKELY Vavahady Tenis
SAMPANA MPANAZAVA SY TILY

SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA

TRANOMBOKIM-PIRENENA

AMPEFILOHA

Vavahady Zaridaina
LOHOLONA SY DIAKONA ANTANIMBARINANDRIANA Vavahady Tribune Laterale
MPITANDRINA MIVADY MANOLOANA NY CEG

ANTANIMBARINANDRIANA

Vavahady Tribune Centrale

Zioga Manga no hanaovan’ny Mpitandrina.

Ho antsika fitandremana lavitra an’Antananarivo, dia tsara  raha samy manomana fiara iombonana, mba hitatitra ny mpino eo anivon’ny Fiangonana misy antsika.

Mankasitraka feno mialoha amin’ny fiaraha-mientana sy ny fiombonana ho fijoroana vavolombelona sy ho Voninahitr’Andriamanitra.

                                                                                          NY SEKRETERA JENERALY

                                                                                                                                                                                                                                            RADIMISAON Jonah, Mpitandrina

Fanadihadiana / Aza disoina ny Baiboly .

 

…Ho  fanitsiana izay  diso .

Gaga ihany izahay raha nahita ny lohahevitra tamin’ny Gazety mpiseho isan’andro iray, andro maromaro lasa izay, manao hoe : Fanadihadian’ny Hebreo « Misy dikanteny an-jatony diso ny Baiboly Malagasy », satria ny Fanazavana ao anatiny dia tena diso tanteraka. Noho izany dia anjaranay kosa ny manitsy ny diso rehetra ao : ny teny hoe masina dia avy amin’ny teny hoe « massin » izay sampy vavy ivavahan’ny Ejipsiana = DISO, ny qadosh amin’ny teny Hebreo ary Hagios amin’ny Grika no nadikantsika Malagasy hoe « masina ». Ny tompo dia avy amin’ny hoe « tomp-ou » izay sampy lahy ivavahan’ny Ejipsiana = DISO, satria ny teny Hebreo hoe Adonai ary Kurios amin’ny teny Grika no nadikantsika Malagasy hoe Tompo.

Miainga amin’ny teny Hebreo sy Grika isika, fa tsy ny teny Malagasy akory. Ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly dia mitantara ny fiarahan’Andriamanitra amin’ny vahoakany dia ny Zanak’Isiraely na ny taranak’i Jakoba, fa ny Testamenta Vaovao kosa dia mitantara ny famonjen’Andriamanitra an’izao tontolo izao rehefa manaiky sy mino fa Jesoa no Tompo sy Mpamonjy (Jaona 3, 16). Noho izany dia ny Testamenta Vaovao dia manambara an’i Jesoa Kristy Ilay hany Mpamonjy sy ny fomba nanatanterahany ny famonjena. Manomboka eo amin’ny Asan’ny Apostoly dia milaza ny fahaterahan’ny Fiangonana Kristiana sy ny fielezany maneran-tany rehefa nilatsaka ny Fanahy Masina.

Araka izany dia Fiandohan’ny tantaran’ny Fiangonana voalohany tao Jerosalema sy ny fivavahana kristiana no voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao, « ary tao Antiokia no voalohany nanaovana ny  anaran’ny mpianatra hoe Kristiana » (Asan’ny Apostoly 11, 26d). Ny « Zeus » sy ny « Cristos » dia sampy nivavahan’ny Grika. Io « Zeus » io no niavian’ny hoe « Jesus » ka lasa teny gasy hoe Jesosy na Jesoa = DISO,  ny teny hoe Jesoa dia midika hoe « Jehovah no Mpamonjy » Jereo ny naoty eo ambany amin’ny takila (Matio 1,21). Fehiny : miangavy aho mba hiainga amin’ny teny fototra nanoratana ny Baiboly dia ny Hebreo sy ny Grika amin’ny fanazavana, fa aza ny teny Malagasy no iaingana ka hanaovana fampianaran-diso.

RAKOTONIAINA

 

Alatsinainy 25 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany ny TompoLioka 2.8-14

Mpiandry  ondry   tany an-tsaha

1-Isehoan’ny anjelin’ny  Tompo 

Mpiandry ondry tany an-tsaha no nisehoan’ny anjely , ka  nanambarany  ny vaovao mahafaly mikasika  ny fahaterahan’i  Jesoa Mpamonjy . Nomeny toky  mba tsy hatahotra   sady nanehoana ny Voninahitry  ny Tompo  nanelatrelatra  manodidina azy. Any an-tsaha  anatin’ny  alina feno  aizina , amperinasa , ao anatin’izany  no miseho ny anjelin’ny Tompo sy ny voninahiny  . Andriamanitra  dia mampiseho  ny  voninahiny  amin’izay tiany  hisehoana  sy hanehoana izany , na iza na iza isika , ary na aiza na aiza toerana  misy antsika , na inona na inona saranga misy antsika eo amin’ny fiaraha-monina . Izao  fisehoan’ny  anjely  amin’ny  mpiandry   ondry  izao   dia vavolombelon’ny fitiavan’ny  Tompo hamonjy antsika ary tsy mizaha tavan’olona  Izy .

2-Ilazana vaovao mahafaly

Na iza na iza teo  amin’ny toeran’ny mpiandry ondry  ireo  , dia tsy maintsy  ho taitra sy hatahotra  aloha . Nampitony  izany ny anjelin’ny  Tompo  ka nilaza tamin’ireo  mba tsy hatahotra  sady hanambara  vaovao  mahafaly  taminy . Ny  nahaterahan’i  Jesoa Kristy Tompo  no Teny  soa mahafaly  na Filazantsara  , sady  fifaliana  lehibe  ho an’ny olona rehetra ka mitondra fiadanana  ho an’ny firenena . Izay  mandray  an’i Jesoa  ho  Tompo  sy Mpamonjy  azy anio  no hahita  ny  tena fiadanana  eo amin’ny androm-piainany ary ny voninahitry ny Tompo  nanelatrelatra  manodidina azy .

Fanontaniana:Mitondra inona eo  amin’ny fiainanao  ny fahaterahan’ny Mpamonjy ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 24 Desambra 2017 .

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo Jaona 3.16-21

Tia  antsika Andriamanitra 

1-Nanome ny zananilahy tokana Izy  (and16)

Isika  no tokony   hohelohina  ho faty  noho ny fahotantsika , araka ny   voasoratra  hoe: « Fa fahafatesana  no tambin’ny ota ... »Rom 6.23. Tsy foiny  hisy  ho any   aamin’ny fahafatesana  mandrakizay  anefa isika  . Nirahiny ny zanany  ho ety  amin’izao tontolo izao  , dia i Jesoa Kristy . Izy  no vavolombelon’ny fitavan’ Andriamanitra antsika , fa voasoratra hoe: « Fa toy izao  no nitiavan’ Andriamanitra  izao tontolo izao  , nomeny ny zananilahy tokana …(and16) . Ary koa : »Fa Andriamanitra  tsy naniraka ny zanaka  ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao  , fa mba hamonjeny izao  tontolo  izao   « (and17).

2-Manome  fiainana  mandrakizay Izy 

« nomeny ny zananilahy tokana , mba tsy ho  very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay « . Fiainana mandrakizay  no omen’ Andriamanitra antsika  ary ao amin’ny zanany   izany fiainana izany  … » (1 Jao 5.11). Ny  fanomezan’ Andriamanitra  ny zanany  dia fanomezana  fiainana mandrakizay  . Fa hoy  Jesoa : « Izaho  avy mba hananany fiainana , sady hananany be dia be » (Jao 10.10) . Ny hoe: « mino » dia manaiky  fa i  Jesoa  irery  no Ilay  nirahin’ Andriamanitra ho Mpamonjy  sy mpanavotra  antsika . « Izy no làlana  sy fahamarinana ary fiainana , tsy misy  olona  mankany  amin’ny Ray  afa-tsy  amin’ny alalany »  (Jao  14.6).

Fanontaniana:Azonao  antoka  ve fa voavonjy  ianao  ? Nahoana ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM 

Asabotsy 23 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany ny  Tompo  Matio   1.18-25

Vavolombelon’ny fitiavan’ Andriamanitra i Josefa 

1-Tsy ta- hanala baraka  ny vadiny  (and19)

Araka  ny lalàna   dia tokony   halam-baraka sy hotoraham-bato  ho faty   ny  vehivavy   bevohoka  kanefa  tsy ilay  tompombady  no tomponandraikitra nahavita  izany (Deo 22.23-24). Maro  amin’ny olona   no  tsy mahazaka   ny kilemam-badiny  ka mitantara  izany   amin’ny namana , na ny sakaiza , ny ray amandreny . Eny  , misy  mihitsy  aza tsy mahafehy  ny fihetsehampony  ka sahy  manala baraka  azy imasom-bahoaka  . Tsy mba nanao  toy izany  i Josefa  , ilay  lehilahy marina , tsy ta-hanala baraka  azy izy . Na inona na inona  mety ho  kilemam-bady  dia aoka  tsy hifanala baraka .

2-Mankato  ny Tenin’ny Tompo (and24)

Nikasa  hisaraka  mangingina  tamin’i Maria Josefa  . Izay  no noheveriny  fa   tsy hafa-baraka  ny vadiny , kanefa   raha mbola  nisaina  izany izay dia niseho  taminy  ny  anjelin’ny Tompo  ka nampahery   azy sady  nilaza  taminy  mba tsy hatahotra ny hampakatraa an’i Maria  ho  vadiny  . Ka dia  « nanao  araka  izay nandidian’ny  anjelin’ny Tompo  izy (and 24b). Na  dia teo  aza  ny fikasany  hisaraka  , nampandeferiny  izany  noho ny fankatoavany  ny tenin’ny Tompo  Ttena ilaina ny fihainoana sy fankatoavana  ny Tenin’ Andriamanitra manolona ny olana misy .

Fanontaniana:Inona  no tokony   hatao  raha mahita   ny kileman’ny namanao ianao?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM 

Zoma 22 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo 1 Jaona 4.12-19

Aiza  no mitoetra  Andriamanitra?

1-Ao  amin’izay   mifankatia (and12b)

Andriamanitra  dia fitiavana . Izao   no nanehoana  ny  fitiavan’ Andriamanitra  antsika . Andriamanitra naniraka  ny zananilahy   tokana  tamin’izao tontolo izao , mba hahavelona  antsika  amin’ny alalany  . Tiany   hitoetra  ao anatintsika izany fitiavany  izany  . Izany  no andidiana   antsika mba hifankatia  satria: »raha mifankatia  isika  dia mitoetra  ato anatintsika Andriamanitra  ary tanteraka ato amintsika  ny fitiavany «  . Izaho  sy ianao   ary ireo  namantsika dia samy  nanehoan’ Andriamanitra ny fitiavany  . Izay  tsy tia  dia tsy  mba mahalala  an’ Andriamanitra , fa  Andriamanitra  dia fitiavana  ary izay mitoetra  amin’ny fitiavana  no mitoetra  ao amin’ Andriamanitra  ary Andriamanitra  ao Aminy .

2-Ao  amin’izay  manaiky   fa Zanak’ Andriamanitra  Jesoa (and15)

« Na iza na iza  no manaiky  fa Zanak’ Andriamanitra  i Jesoa dia mitoetra  ao aminy  Andriamanitra , ary izy  kosa  ao amin’ Andriamanitra « . Ny  hoe: manaiky  Azy ho Zanak’ Andriamanitra   dia finoana fa Izy no Ilay Mesia , voahosotr’ Andriamanitra  . Izy   no nirahina  avy any an-danitra  mba hanao  izay hahafantaran’ny olona an’ Andriamanitra ary nanaiky   hatao  sorona  noho ny fahotantsika . Ny  olona  efa nandray  ny Fanahy masina  no afaka  hanaiky   fa Zanak’ Andriamanitra Jesoa , ka tanteraka  amin’ny fitiavana  an’ Andriamanitra  sy ny rahalahiny   ary ny olona rehetra .

Fanontaniana:Tanteraka  ao  aminao  ve  ny  fitiavan’ Andriamanitra ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 21 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny  fitiavany ny Tompo Hosea 14.2-10

Tsy mahafoy antsika ny Tompo 

1-Mitaona  antsika mba hiverina Aminy (and2-4)

Tsy hafa  noho ireo  zanak’Israely fahizay  isika  ankehitriny  : »...fa lavon-keloka ianao » . Ny  fototry   ny  olana  sy ny  fahavoazana  mahazo  antsika dia tsy misy  afa-tsy  izao ihany  . Ny fiodinana  amin’ny  Tompo hanompo  andriamaninkafa  mba hisolo ny toeran’ Andriamanitra  ao am-po  . Tia antsika  anefa  Izy ka mitaona antsika  indray  mba hiverina Aminy . Ny  hoe: « miverina Aminy » dia  midika   ho fialana amin’ny ratsy  fanao  sady manaiky  Azy amin’ny fo  sy ny saina  manontolo   ho hany  Andriamanitra  tokana. Miantefa  amintsika  ny antso ankehitriny  . « Miverena  amin’i  Jehovah  ka manaova   aminy hoe:  mamelà  ny heloka rehetra... » (and3);

2-Mampanantena fanasitranana  (and5-9)

Teny  fampanantenana  no  omeny   antsika izay  tapa-kevitra  fa hiverina  Aminy  : »hositraniko  ny fiodinany  , ho tia azy  tsy vozonana  Aho, fa efa niala  taminy  ny fahatezerako  » (and5). Mitondra  fanavotana  tanteraka  ho an’ny olona  sy ny firenena   ny famelankeloka  omen’ny  Tompo . Manome   toky Izy  fa ho « tahaka  ny ando  ho an’Israely ka  hitahy   azy   sy hampamokatra azy » (and6). Sarin’ny saha  mahavokatra  ahitana  hazo  voatondraka  tsara  sy tany  mamokatra   be  no hanehoana  ny fanasitranana  ampanantenanina izay  miverina  Aminy  . Ny  fiverenan’ny olony amin’ Andriamanitra no  miantoka  ny   fahasitranana  sy  mitondra fiadanana .

Fanontaniana:Inona  no voka-dratsinan’y fahotana eo  amin’ny fiainam-bahoaka?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM