Alahady 29 Aprily 2018.
Manolotra ny fiainany ny Tompo
Matio 20.20-28
« Tsy fantatrareo zay angatahanareo« and22a
Ny mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Tompo
1-Ny Fitiavan-tena (and21)
Fahafaham-baraka tsy nisy toy izany no nahazo azy telo mianaka dia i Jakoba sy i Jaona niaraka tamin-dreniny. Mba nangataka sy mba nanontanian’ny Tompo hoe: « inona no irinao? ihany , saingy zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’ny Tompo no nangatahiny. Fitiavantena tsotra izao no nokasain’izy ireo hiraisana tsikombakomba tamin’ny Tompo. Lanin’i Jesoa marindrano izany , satria natao ho an’ny rehetra ny fanjakan’ Andriamanitra . Koa aoka isika handinika tsara sy hamantatra ny sitrapon’ Andriamanitra vao mangataka zavatra amin’ny Tompo .
2-Ny filam-boninahitra(and26-28)
Nahitsin’i Jesoa niaraka ny mpianatra 12 lahy , ana ireo izay nitady tombom-pitiavana manokana mihoatra noho ny hafa , na ireo izay tezitra sy be fihaonana tamin’izany . Fomban’ny jentilisa ny mitady voninahitra toy izany . Amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra dia tsy maintsy ny fietrena no mialoha ny fisandratana ary izay mitady ny toerana ambony dia tsy maintsy maka ny toeran’ny mpanompo . »Ny zanak’olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy « . Ary izany fanetrentena lalina izany no nanandratan’ Andriamanitra Azy indrindra (Fil 2.9)
Fanontaniana:
Manana izany fanahin’ny fanompoana izany ve ireo tomponandraikitra ao amin’ny fianonana ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM