Talata 24 Aprily 2018.

Manolotra ny  fiainany  ny  Tompo  

1 Jaona 5.1-12

Ny  finoana  an’i Jesoa Kristy 

1-Miseho  amin’ny fankatoavana ny didiny (and1-5)

Ny finoana ny fitiavan’i Kristy sy ny fankatoavana ny didiny dia mifameno . Izay  tia sy  mino  an’i Kristy  dia tsy maintsy  mitandrina ny didiny. Mety ho  mora  na mety  ho sarotra  ny  mankato  sy  manaraka  ireo  didin’ Andriamanitra  ireo  amin’ny maha-nofo aman-drà  antsika . Saingy  , ny  finoana  ny herin’iLay zanak’ Andriamanitra  miasa ao anatintsika  no mampandresy ka hahatanterahana ilay hoe: « fankatoavana ny didiny ».

2-Antoka hananana ny fiainana mandrakizay (and9-11)

-Ny rano amin’ny  batisa  dia midika  ho  fanadiovana  sy manaisotra ny  fahotana  ary  mamelona  ny fiainana ao  amin’i Kristy.

-Ny rà indray  kosa  ilay manambara   ilay  fanatitra   tokana  sy  tanteraka  naterina teo ambony hazo fijaliana . Ambara  fa araha tsy  misy rà latsaka dia tsy  misy famelankeloka . Noho izany  , io   no hahazoana famindrampo sy famonjena . Manambara ny Fanasan’ny Tompo izany .

-Ny Fanahy Masina , Ilay Herin’ Andriamanitra  miasa  ao amin’izay  mino  , dia ilay  nomena mba hampahery. Ireo  telo  ireo no   omena  ny  mpino  maimaimpoana mba hahazoany antoka ny fahazoana mandova  ny lanitra.

Fanontaniana:

Nahoana no tsy mahazo  antoka ny   amin’ny hahazoany   fiainana mandrakizay ny  mpino maro?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV