Jobily 25T/P.Rabenaivoson. Périer

FANASANA

« Raha mbola mila sitraka amana olona aho dia tsy mpanompon’i Kristy » (Gal 1.10d)

-Ny Foibe FJKM

-Ny Foibe Fitondram-piangonanaFJKM

-Ny Komitin’ny Fampianarana Teolojika

-Ny Toeram-panomanana Mpitandrina

-Ny Komitin’ny Jobily

dia faly manasa anareo amin’ny Fankalazana an’ Andriamanitra noho ny

JOBILY VOLAFOTSY , 25 Taona maha- Mpitandrina an

Andriamatoa RABENAIVOSON Périer , Mpitandrina mivady

Talen’ny TPM -Kolejy Teolojika Mandritsara

Toy izao ny fandaharam-potoana :

Fanokafana : TPM Mandritsara (efa vita)

Ivony : Sabotsy 03 Aogositra 2019 ,

FJKM Amparibe Famonjena , 9 ora maraina

Famaranana : Alahady 10 Novambra 2019

FJKM Mandritsara Fitiavana , 9ora maraina

Ento ambavaka izany fotoana rehetra izany ho Voninahitr’ Andriamanitra .

Alakamisy 01 Aogositra 2019.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 12.1-8

Raha izay voalaza teo aloha teo ary ny halalin’ny fitiavan’ Andriamanitra ny Jiosy sy ny Jentilisa , fitondratena manao ahoana kosa no andrasan’ Andriamanitra amin’ny kristiana ?

Toe-piainana voamariky ny fahasoavan’ny Tompo

Manaitra ny saina ilay hoe: « Hatolotra ny tena ho fanatitra velona » (and1b). Ny fanatitra rehetra teo amin’ny fanekena taloha mantsy dia novonoina. Isika kosa anefa « manatitra ny tena » ao anatin’ny fahafaha-mihetsika sy manao famonoana mety hatao . Tsy miraikiraiky na midonanaka izany ny mpino fa olona tena mitondra fiovana sy mamokatra.

Olona mihavao isanandro araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina fa tsy mandeha am-pahazarana na mpanara-drenirano (and2). manamarika ny fiainana izy fa tsy marihan’ny fiainana , satria Jesoa no fiainany.

Fanetretena sy fahononana

Na dia eo aza ny hery manetsika ny mpini aminn’y fiainana dia tsy nantsoina ho mpizahozaho sy mpihevi-tena ho zavatra izy . Manaja tsara ny zara fanompoany sy an’ny hafa. Miara-manompo ny Tompo eo amin’ny fetra nametrahany ny tena .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Alarobia 31 Jolay 2019.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 11.16-36

Avy amin’ny Jiosy ny famonjena . Ny avonavony no nahatonga azy ho nolavin’ Andriamanitra ho amin’ny fotoana voafetra.

Ny fanetretena takin’ Andriamanitra amintsika

Ny fidiran’ny hafa firenena ho amin’ny planin’ny famonjena dia mitaky fanetretena avy aminy satria ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra no namelany antsika hoamin’izany (and20,22) . Tsy hoe masina kokoa noho ny Jiosy isika (and16) fa ny tsy finoana mihitsy no mahatonga ny Tompo hanakatom-baravarana taminy (and23).

Ny hamafin’ny fon’ny Jiosy sy ny fiverenany indray .

Lalina ny fahendren’ Andriamanitra Izao hamafin’ny fon’ny Jiosy no ampidiran’ Andriamanitra miavosa ny Jentilisa ho amin’ny famonjena (and 25) . Ho avy ny andro anefa izay Izy Tompo mihitsy no hanala ny tsy finoan’ny Jiosy (and 25-26) ka nahatonga azy ho amin’ny fahafenoana indray .

Tena asan’ Andriamanitra ny mahatonga antsika ho isan’ny voavonjy . Tamin’ny fitiavany isika ka voataona i Jesoa Kristy no iafenan’izany fitiavana izany (and33-36).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Talata 30 Jolay 2019.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 11.1-15

Na dia eo aza ny fanokafan’ Andriamanitra ny famonjena ho amin’ny hafa firenena. Izany akory tsy midika fa nanilika tanteraka ny firenena Israely tsy ho amin’ny famonjena ny Tompo .

Ireo « sisa » amin’ Israely

Fantatr’ Andriamanitra ny Azy . Mahay mitahiry ampahan’olona ho Azy avy amin’Israely Andriamanitra (and4-5) ary hainy ny mampiasa ireo . Tsy miankina amin’ny fahamendrehan’ireo « sisa » ireo anefa izany fa « fahasoavana » tsotra izao no ifidian’ Andriamanitra azy (and6).

Ny zava-miafin’ny fandavan’ Israely sy ny fiverenany amin’ Andriamanitra .

Ny fandavan’ Israely an’i Jesoa Kristy no nahatonga an’ Andriamanitra hanokatra midanadana ny famonjena ho an’ny hafa firenena(and11) . Tena mihoatra lavitra izany ny harena ho azon’ny Jentilisa ateraky ny fiverenan’Israely amin’ Andriamanitra . Eny , fa na dia tsy takatry ny saina aza ny endrika hahatanterahan’izany (and12) . Hain’ Andriamanitra hatrany ny mamadika ny fiodinana ho amin’ny famonjena.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Alatsinainy 29 Jolay 2019

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 10.14-21

I Jesoa Kristy no ivon’ny fiainan’ny mpino

Ny tenan’i Jesoa Kristy sy ny asany no fototra iorenan’ny famonjena sy ny finoan’ny kristiana. Eny , fa na dia ny iraka tanterahin’ny fiangonana ho mpitory ny Filazantsara sy ny vontoatin’izany vaovao mahafaly izany dia mbola i Kristy ihany no loharano hanovozana izany (and13-16).

Hatraiza ny sahan’ny fitoriana ny Filazantsara ?

Mahatratra ny vazantany rehetra tsy ankanavaka ny fitiavan’ Andriamanitra . Nirahina ho amin’izany indrindra ny fiangonana fa tsy hijanona eo amin’izay akaiky ihany (and18) . Manohy ny asan’i Kristy mantsy ny Fiangonana satria sahan’ny fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao .

Tsy nahatanteraka io iraka io Israely amin’ny maha- firenena azy . Izany no antony naompitodika an’ Andriamanitra ho amin’ny hafa firenena , satria tena efa niala nenina tamin’ny Jiosy ny Tompo nefa fandavana hatrany no nasetriny izany (and21).

Andraikitry ny Fiangonana noho izany ny manao ny ainy tsy ho zavatra mba ho tanterany ny iraka napetraky ny Tompo taminy dieny mbola misy ny fotoana .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Sabotsy 27 Jolay 2019.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 10.1-13

Ny fiezahana hifandray amin’ Andriamanitra tsy araky ny fahamarinana takin’ny fehim-pihavanan ao amin’i Kristy Jesoa dia tsy manankery ary tsy manokatra làlam-pamonjena ho an’izay manao izany (and1-3).

I Jesoa Kristy no fehin’ny fahatanterahana ny lalàna . Mifarana eo amin’ny asam-panavotana nataon’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ny fahatanterahan’ny lalàna (and4) . Ny fikirizana mbola hiaina amin’ny lalàna araka ny fomban’ny fivvahan’ny fanekena taloha dia fandavana tsotra izao ny famonjena vitan’i Jesoa Kristy . Noho Izy dia ao amin’ny tena ny teny fikasana ho famonjena fa tsy ivelan’ny tena . Raha ny fombam-pivavahan’ny fanekena taloha dia ivelan’ny fon’ny olona ny lalàna . Fa noho ny fanekena vaovao ao amin’i Kristy kosa dia avy ao am-po no inoana ahazoana ny fahamarinan’ Andriamanitra (and9-10).

I Jesoa Kristy izany no fahatanterahan’ny lalàna . Noho izany , ny finoana Azy no loharanom-pamonjena .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra  » Boky faha- 8

Zoma 26 Jolay 2019.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 9.19-33

Marina Andriamanitra ao amin’ny fifidianany izay tiany ho vonjena na tsia . Tsy ny asan’ny tànany no hitsara Azy amin’ny fanapahankeviny (and19-21) .

Ny fiandrianan’ Andriamanitra dia tsy misaraka amin’ny fahamarinany ary ny fahamarinany dia ombam-pitiavana. Tsy hoe: manao izay tiany Andriamanitra satria feno fahefana. Fa na dia teo aza ny faharatsian’ny olona sy ny hamafin’ny fony amin’ny fahotana dia manome ny famindrampony hatrany Izy (and22). Ny fifikiran’ny olona amin’ny faharatsiany no mahatonga fandringanana ho azy.

Ny fisehoan’ny fitiavan’ Andriamanitra

Nosokafan’ Andriamanitra ho an’ny hafa firenena ihany koa ny fifidianana fa tsy ajanony ho an’ny Jiosy irery ihany (and24-28) . Koa na dia firenena voafidy aza ny Jiosy dia izay mino an’i Jesoa Kristy irery ihany no raisiny ho olony (and30-32).

Ny finoana an’i Jesoa Kristy no fepetra feno ahafahana miditra ho isan’ny firenena voafidy izany (and33). Minoa Azy dia hovonjena ianao.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Alakamisy 25 Jolay 2019.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 9.1-18

Tsy lovaina ny maha-zanak’ Andriamanitra . Toy izany koa ny famonjena . Tsy izay Israelita no vahoakan’ Andriamanitra fa izay mankato Azy . Ny maha- zanak’i Abrahama dia ny toe-po mino sy mankato an’ Andriamanitra (and1-6) ;

Ny fenitry ny fifidianana ataon’ Andriamanitra

Ny finoana an’ Andriamanitra no maha zanaky ny teny fikasana antsika . Tsy avy amin’ny asa anefa izany fa avy amin’ny fifidianana ataon’ Andriamanitra (and11) izay asehony araka ny fiantsoana iantsoany izay nofinidiny (and13,15).

Na dia ny hamafisam-pon’i Farao aza dia ninian’ Andriamanitra napetraka mba hanehoany ny fifidianany ny vahoaka Israely (and17). Mampahafantatra ny tenany amin’ny firenena rehetra amin’ny alalan’ny asa nanavotany ny Israely ho afaka tamin’ny Egyptiana Andriamanitra.M amindra fo sy miantra amin’izay tiany hamindrany fo Andriamanitra. Marina Izy amin’ny fifidianany (and18)

Alarobia 24 Jolay 2019.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 8.31-39

Na toy inona fahalemena mbola mamaka sy maningotra ny mpino , ampy hiaro azy ny fombàn’ Andriamanitra . Ao amin’ i Kristy ny fiarovana feno ho an’ny mpino nomen’ Andriamanitra . Tena feno ny fiarovana ananan’ny kristiana . Tsy misy herin’ilay ratsy ka hanapaka azy , satria nampombain’ Andriamanitra tamin’ny fanomezany antsika an’i Jesoa ny zavatra rehetra momba ny fanavotana sy ny famonjena amin’izao fiainana izao sy ny fiainana ho avy (and31,32) .

Mifona ho antsika Kristy eo ankavanan’ny Ray

Norombahin’i Jesoa Kristy ary nosoloiny ho toeram-panamarinana ny mpino ny fitoerana teo ankavanan’ny Ray , raha fiampangana lavareny nataon’i satana sy devoly ny mpino izany teo aloha (vakio Apo 12.10).

Mitondra ny fahafatesan’i Kristy mandrakariva ny mpino ary miaina araka ny fombam-panahy amin’ny alalany . Noho izany , tsy misy hery na fanapahana ka haharesy azy satria voatahiry sy voafaritra mialoha ao amin’ny Tompo ny fandreseny (and37-39).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-8

Alahadin’ny K.F.T Maritiora

KOMITY  FANORENANA NY

TSANGAMBATO MARITIORA

Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” 2 Tim1.8

Miadia ny ady tsaran’ny finoana

Izao didy izao  no omeko anao  , ry Timoty  zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo  amin’ny hitananao  ny finoana sy ny fieritreretana tsara” 1 tim 1.1,18,19a

FANDAHARANA IOMBONANA

ALAHADY 11 AOGOSITRA 2019 .

  1. FIARAHABANA APOSTOLIKA
  2. FIDERANA SY FISAORANA NY TOMPO:

Sal.27,1.3.11

HIRA  824 :1;2;4

VAVAKA FIDERANA SY FISAORANA

  • NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA

Mpitarika: Efe 6:14-17

Rehetra: Sambatra ny mahitsy lalana…Sal 119:1

HIRA 295 :3

  • FIAIKEN-KELOKA

Vavaka

HIRA 413:2 (azo atao mitovy feo amin’ny 190)

  • FAMELAN-KELOKA ATOLOTRIN’I TOMPO

Mpitarika:Apo 3:21

Rehetra: Sambatra ny olona…Sal 32:1-2

HIRA 382 3:5

  • FANAMBARANA NY FINOAN’NY FIANGONANA

Fanekem-pinoana faha-2

Feon-javamaneno na  hira

  • ASAN’NY FIANGONANA

Raharaham-piangonana

  • RAKITRA

HIRA: Antoko Mpihira,

Fanolorana ny Rakitra

  • TENIN’ANDRIAMANITRA

HIRA: 759: 2

Fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora

HIRA: 638:1-4

Vavaka fangatahana ny fanazavan’ny fanahy Masina

Famakiana ny Soratra Masina:

Gen 22:1-8; Lio 21: 12-19;1 Tim1:18-20

HIRA: 639:4

TORITENY; 1Tim 1: 18-20

  1. VAVAKA FANGATAHANA+Rainay izay any andanitra …
  2. ASA VAVOLOMBELONA
  3. FAMARANANA

HIRA : 307 : 3

                Tsodrano: Filip 4:7

HIRA 731:1-4

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina Amen

HAFATRA K.F.T.M FOIBE

“Ianareo no vavolombeloko hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko”Isa43:10a

Ry Havana,

 Ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Ny Komity Fanorenana ny Tsangambaton’ny Maritiora (KFTM) eto amin’ny Foibe FJKM dia misaotra an’Andriamanitra lehibe ny amin’izao fiombonantsika ny amin’ny Alahadin’ny KFTM izao,ry Havana.

Misaotra antsika Fitandremana ny amin’ny fiaraha-miasa ho fanohanana ny asa sy andraikitra napetraky ny Tompo aminay, diany hametraka tsangambato hoan’ny taranaka, mba hanana finoana toy ireo Maritiora koa isika velona ankehitriny

Ny tsangambatom-pinoana ezahina voalohany dia ny fiombonana sy fiaraha-miasa amin’ireo Fiangonana mitondra anarana sy tantaran’ireo Maritiora amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana isam-bolana.

-Ny asa faharoa atao tsangambato indray diany fanamboarana ny Kianja fanatanjahantena eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato (KTI). Kianja natao  handraisana ny fivoriana sy ny fanatanjahantena rehetra ( Polyvalent), Kianja ho fananan’ny FJKM izany.

-Isaorana an’Andriamanitra  ihany koa ny fahatontosan’ny hetsika natoan’ireo Vehivavy Zandrin’Reo Maritiora (VZRM):

*Fitondrana ireo Vadin’ny Mpiomana ho Mpitandrina eny Ivato hitsidika ireo Fiangonana Maritiora.

*Ny varotra”VIDE GRENIER” tao amin’ny FJKM Andravoahangy Fivavahana.

*Fitsidihana ireo Mpiomana ho Mpitandrina eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato isaky ny volana Desambra, izay anolorana: vary,vola,fanomezana samy hafa…

Tsapanay ny fitondranareo ambavaka ireo asa ireo, ary anterinay ny fisaorana manokana ny fitandremana mandrotsaka ny rakitra hoan’ny KFTM (Alahady faharoa amin’ny volana Aogositra), isaorana ihany koa ireo mpiara-miombona antoka sy mpanolo tanana amin’ny endriny hita maso: fitaovana,fotoana ary tolotsaina amin’ny fahaizana sy nyfanomezam-pahasoavana teo aminareo.Andriamanitra Tompon’ny asa anie hamaly fitia antsika tsirairay avy.

-Koa manantena antsika hatrany ry Havana mba handrotsaka ny rakitra hoan’ny KFTM, mba ahatontosa ireo asa kasaina sy efa atao ireo , izay azo aterina ao amin’ny Foibe FJKM rihana faha-5 varavarana 503.

-Mampatsiahy ihany koa ry Havana ny amin’ny fandaharana tontosain’ny  KFTM ao amin’ny Radio Fahazavana, isaky ny Talata voalohan’ny volana amin’ny 8 ora alina sy ny Sabotsy maraina amin’ny 2ora. Fitaizam-pinoana sy fampahafantarana ny zava-misy mifandraika amin’ny tantaran’ireo Maritiora.

Ilaina ho famporisihina antsika mba ho sahy hijoro ka handresy ny tahotra sy ny fampianaran-diso ka ho marina ny hoe:”MIADIA NY ADY TSARAN’NY FINOANA”.

Eto ampamaranana ny hafatra ry Havana dia mirary antsika rehetra samy ahefa be amin’izao fanompoana an’Andriamanitra izao isika Izy tompon’ny asa anie hitantana antsika mba hanana firaisam-po sy saina mba hampandroso ny finoana ny filazantsara arak’izay voasoratra ao amin’ny

 Fil 1:27b.

Dia manao veloma  finaritra amin’ny Anaran’I Jesoa Tompo izahay.

Ny Voninahitra dia hoan’Andriamanitra irery ihany.

Rakitra KFTM Foibe FJKM Taona 2018

FJKM Ampangabe Famonjena……………………………………………………………. 37 300a

FJKM MARIANINA Hermona……………………………………………………………. 7.000a

FJKM Rasalama Ambohipotsy………………………………………………………….. 189 200a

SP 07 Rehetra taona 2017…………………………………………………………………… 25.000a

Zanaka Ampielezana Andratrehana………………………………………………………… 5.000a

FJKM Ifarihy Famonjena…………………………………………………………………… 62.500a

FJKM Betela Firaisana Ambodimita…………………………………………………….. 34.500a

FJKM Antanetibe Maromby……………………………………………………………….. 16.700a

FJKM Ambohijanaka Gara F……………………………………………………………. 119 800a

FJKM Tranovato Faravohitra cheque…………………………………………………. 692 100a

FJKM Andravoahangy Fivavahana chq…………………………………………… 1.297.400a

FJKM Vohidiala finoana……………………………………………………………………. 10.000a

FJKM Avaratsena Fanantenana…………………………………………………………… 41.400a

FJKM Anonimasina (Soavina)……………………………………………………………. 45.400a

FJKM Ambonin’Ampamarinana……………………………………………………….. 229.800a

FJKM Moratsiazo Fiderana………………………………………………………………… 13.850a

FJKM Fiadanana Maritiora……………………………………………………………….. 102.900a

FJKM Andranomainty Salema……………………………………………………………… 5.540a

FJKM Antsapandrano Fiderana…………………………………………………………. 132.750a

FJKM Betela Vaovao Maintirano………………………………………………………… 72.800a

FJKM Ambatolampy Faharetana…………………………………………………………… 3.600a

FJKM Ambohijafy Fanantenana………………………………………………………….. 20.000a

FJKM Androndra Fahasoavana…………………………………………………………… 50.000a

CENHOSOA…………………………………………………………………………………. 163.800a

FJKM Tranovato Anjanahary Maritiora……………………………………………… 120.000a

FJKM Ankavodiana………………………………………………………………………….. 15.000a

FJKM Ambohijatovo Fitiavana chq……………………………………………………… 50.000a

FJKM Salema Vaovao Fort Dauphin…………………………………………………… 20.000a

FJKM Zoara Famonjena Ankirihiry…………………………………………………….. 75.000a

FJKM Soavimasoandro……………………………………………………………………… 45.000a

FJKM Ivandry Firaisana…………………………………………………………………… 121.000a

FJKM Tranovato Ambatonakanga……………………………………………………… 100.000a

FJKM Ambatondrazaka Fitiavana……………………………………………………….. 40.000a

FJKM Betela Fahazavana Betafo…………………………………………………………. 85.770a