Zoma, faha 21 Novambra 2025

Sal 145: 1-5 / Hira 177: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 649:1

Miverina indroa eto ny teny hoe « Miambena ». Inona tokoa moa no tena hevitr’izany Tenin’i Jesoa izany? (Mar 13. 33, 35)? Ireto ary no azo ambara:

    «Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana ». Raha ny heviny ara-bakiteny dia hoe: « tsy pizin-torimaso », tahaka ireny mpiambina manao fisafoana im-polo kely amin’ny alina ireny, ary tsy reraka mandra-maraina; ary dia tsy misy mihodivitra aminy ny zavatra mitranga rehetra na dia izay farany madinika sy amin’ny antsipiriany indrindra aza. Fanampin’izany, ny miambina ihany koa dia olona tsy manaiky ampatoriana na amin’ny fomba ahoana amin’ny fomba ahoana fa tonga saina tsara, ary mamantatra ireo fambara samihafa. Tahaka izany no andrasan’i Jesoa amintsika eo am-piandrasana ny fiverenany indray: feno vavaka, mahay manavaka ny vary sy tsimparifary, ka tsy voafitaky ny fampianarana sy ny mpaminany sandoka.

      Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina ». Eto kosa ny hoe miambina dia manana heviny ara-panahy kokoa, ilazana olona sady vonona amin’ny fiverenan’i Jesoa, (fanoharana no ataon’i Jesoa eto) tsy mipetraka miandry fotsiny anefa fa manao ny asa fanompoana rehetra mifanandrify amin’ny maha mpanompo, mandra-piavin’ny Tompony. Taomina åry isika mba tsy ho varimbariana fotsiny co am-piandrasana ny fiveranan’i Jesoa, fa hitory ny Filazantsara amin’ny fomba sy fotoana rehetra.

      Manao ahoana ny fiambenanao?

      Perikopa 2025

      Novambra: MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO

      | | 23. Ala. XXIV man. Trinite - KPMSV
      Mik. 7. 7-10 | Lio. 21. 5-11 | 1Jao. 2. 24-29

      | | 30. Advento I
      Sal. 75. 1-10 | Lio. 21. 12-19 | Apo. 3. 7-13

      Desambra: MANANTENÀ AN'ANDRIAMANITRA

      | | 07. Advento II
      Job. 11. 13-20 | Jao. 3. 16-21 | 1Pet. 1. 17-21

      | | 14. Advento III - Sampana Sekoly Alahady
      Sal. 131. 1-3 | Lio. 10. 21-24 | 1Kor. 14. 20-22

      FJKM Fahazavana

      Fivoriana voalohany – taorian’ny SLXX ao amin’ny CFD AMPANDRANA

      Fandaminana ny Alahady 19 Oktobra 2025 eny amin’ny FJKM AMBOHIMALAZA FIRAISANA KANANA VAOVAO