Alahady, faha 02 Novambra 2025

Sal 92,1-3 / Hira 4:1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 487 :1,2

Izao Soratra Masina izao dia tohin’ny fananarana ataon’ Andriamanitra ho an’ny vahoaka Isiraely izay miala Aminy ka manompo andriamanitra hafa. Noho izany dia antsoin’ Andriamanitra izy ireo eo amin’ny and. 7 mba:

    Mampahatsiaro ny tantaran’i Jakoba, izay niavian’ny vahoaka Isiraely, Andriamanitra (and.4). Toa maneho miharihary ny tsy fahatanterahan’ilay ray nipoirana, eny hatrany am-bohoka mihintsy aza. Indrisy fa ireto taranany dia mbola nanao zava-dratsy lavitra noho izy, satria manompo sampy. Tao anatin’izany fahotana izany indrindra no nitaomana azy ireo mba hiverina amin’llay Ray Mpahary. Tsy miova Izy, izay manatona Azy dia tsy misy nolavina na iray aza. Hoy Jesoa: « Tsy avy hiantso ny marina Aho fa ny mpanota mba hibebaka » (Lio 5, 32). Koa izay mahatsiaro fa efa nihodina na nanalavitra an’Andriamanitra, dia aoka hiverina Aminy, fa vonona handray Izy.

      Fomba vaovao sady tsara no mandrafitra ny fiainan’izay tefaverina amin’Andriamanitra: mitandrina ny famindrampo sy ny rariny ary miandry an’Andriamanitra. Hita eo amin’ny and. 1,8,9 fa tena manjaka ny tsy rariny ka tsy mamindrafo ny olona; izay mahasoa ny tenany ihany no ataony, na hanimba ny hafa aza. Ireo voatanisa ireo dia hita teo amin’i Jakoba rehefa nahatsiaro ny fahadisoany tamin’i Esao rahalahiny izy (Gen.32; 33) ary ampahatsiahivina eo amin’ny and.5. Tena nanantena an’Andriamanitra izy ka tsy namelany raha tsy nitahy azy Izy. Manana fijery sy fisainana vaovao tanteraka izay miverina Aminy.

      Tsapanao ve ny fiovan’ny fiainanao ao amin’i Jesoa Kristy?

      Perikopa 2025

      Novambra: MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO

      | | 16. Ala. XXIII man. Trinite -SAMPATI
      Zef. 3. 6-8 | Mar. 13. 33-37 | 1Pet. 4. 1-6

      | | 23. Ala. XXIV man. Trinite - KPMSV
      Mik. 7. 7-10 | Lio. 21. 5-11 | 1Jao. 2. 24-29

      | | 30. Advento I
      Sal. 75. 1-10 | Lio. 21. 12-19 | Apo. 3. 7-13

      Desambra: MANANTENÀ AN'ANDRIAMANITRA

      | | 07. Advento II
      Job. 11. 13-20 | Jao. 3. 16-21 | 1Pet. 1. 17-21

      FJKM Fahazavana

      Fivoriana voalohany – taorian’ny SLXX ao amin’ny CFD AMPANDRANA

      Fandaminana ny Alahady 19 Oktobra 2025 eny amin’ny FJKM AMBOHIMALAZA FIRAISANA KANANA VAOVAO