Zoma, faha 07 Novambra 2025
Sal 23 / Hira 16:1,2,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF.37
Romana 8, 18-25
Paoly mampahery ireo mpino manoloana izay mety ho fahoriana mianjady aminy, maneho fampitahana sady mamboly fanantenana velona. Ho avy ilay fandresena ka:
1. Aoka tsy ho ketraky ny fahoriana (And 18)
Mandrakariva, manoloana ireo karazan’olana sy fahoriana maro, dia misento ny olona ka revo, ary milentika ao anatin’izany, tsy mahatraka fa ketraka sy mitanondrika. Ny Soratra Masina kosa eto dia mampahery fa tsy izao fahoriana izao akory no tompon’ny teny farany, mandalo sy miserana ihany ireny. Hoy Jesoa: « ety amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana. » (Jao. 16,33b). Ho avy ilay andron’ny mpandresy sy ny mino ka hanehoan’ Andriamanitra indray ny voninahiny. Mitrakà fa oharin’i Paoly amin’ny fiterahana izany ka rehefa tonga ilay nandrasana dia hadino ny fahoriana maro. Koa aza ketraky ny fahoriana ary mahareta amin’izany satria misy fetrany izany.
2. Velomy ny fanantenana (And.24, 25)
Ao anatin’izany fahoriana mandalo izany no anantenana ny famonjena. Mandrakariva tokoa, rehefa mitambesatra ny fahasahiranana sy ny sedra dia takona sy manjavozavo ny finoan’ny olona. Kanefa rehefa tena dinihina ny hevitry ny finoana dia mifamatotra mazava amin’ny fanantenana izany. Ny fanantenana no mahatonga ny mpino hitraka satria io no mitarika azy hibanjina an’i Jesoa velona sy nandresy fahafatesana. Mahareta, banjino Jesoa sy ny famonjeny. Tsy zavatra mandalo sy mety lo no ampanantenainy antsika mpino fa fiainana maharitra mandrakizay. Mety tsy voatery hazava loatra ao amin’ny saintsika izay andrasantsika, saingy manana finoana isika fa tsara izany, satria Izy tsara sady mpanao ny tsara.
Fanontaniana:
Iza ary inona no antenainao rehefa mandalo fahoriana ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

