Alarobia, faha 05 Novambra 2025
Sal 100 /Hira 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 307 :1.2,5
1 Korintiana 1, 4-9
Paoly Apostoly maneho fisaorana an’Andriamanitra noho ny fahitany ny Fiangonana tao Korinto. Hita eto fa manana tombony izay manana firaisana amin’i Jesoa Kristy Tompo eo am-piandrasana ny fiverenany indray satria:
1. Miaina amin’ny fahasoavany
Noho ny fiombonana aina ao amin’i Jesoa Kristy dia nomena sy nandray ary miaina ny fahasoavan’Andriamanitra ny mpino izay mandrafitra ny Fiangonana. Izany fanomezana izany no tena harena, izay tsy ara-nofo loatra, ary ambara eto fa « teny sy fahalalana » (and.5). Tsy hafa akory ireo fa ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, Zanak’ Andriamanitra, Ilay Mpamonjy izao tontolo izao sady Lohan’ny Fiangonana. Rehefa manaiky llay Mpamonjy ny olona dia tonga vavolombelon’ny famonjeny amin’ny androm-piainany rehetra, ny fahafahana mijoro amin’izany dia fahasoavana koa.
2. Miorina amin’ny finoana
Ao anatin’izany fahasoavana izany no handraisana ireo fanomezam-pahasoavana maro samihafa hanaovana ny asan’ Andriamanitra. Ambaran’i Paoly eto fa nisitraka izany ny Fiangonana tao Korinto (and. 7). Ny fampiasana ireo fanomezam-pahasoavana ireo eo amin’ny Fiangonana dia hitahiry sy hampiorina ny finoana an’i Kristy ary hananana hafanam-po ho amin’ny asa rehetra mandra-pihavin’ny Tompo. Ny mpino tsy miala amin’ny finoana an’i Kristy hatramin’ny farany no tsy hana-tsiny (and.8) ka handray ny lova tsara ao amin’Andriamanitra rahatrizay. Noho izany, ny talenta sy fanomezam-pahasoavana dia tokony hampiorina ny finoana, ary ny Fiangonana no sehatra voalohany hampiasana izany.
Fanontaniana:
Tamin’ireo fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra, firy no natolotrao mba hanomponao Azy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

