Alakamisy, faha 30 Oktobra 2025
Sal. 34. 1-3 / Hira. 1, 2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 24
ITesaloniana 2. 13-20
Ny mpitory filazantsara
1- Mety hiatrika fanenjehana (and. 15)
Ny Jiosy, vahoaka nofidin’ Andriamanitra dia tsy te-hihaino ny Filazantsara, ka namono ny mpaminany sy Jesoa Kristy. Ary tsy izany ihany, fa mbola nanenjika koa an’i Paoly Apostoly. Raha nanao izany izy ireo dia mihevitra ho manao ny sitrapon’ Andriamanitra noho ny fiarovana ny finoana. Kanefa fahadisoana ara-pinoana izany. Araka izany, mety miatrika fanenjehana ianao eo am-pamoriana ny olona ho ao amin’ny Tompo, ary tsy hafa akory ireo olona ireo fa mety ny olona mahalala ny Soratra Masina ihany, mpiara-manompo aminao ihany. Kanefa aza atao hampihemotra amin’ny fanompoana sy ny fitoriana ny Filazantsara izany.
2- Miady amin’ny satana (And. 18)
Ny teny hoe « sakana » eto dia teny fampiasan’ny miaramila entina ilazana ny famotehana lalana sý tetezana mba tsy hahafahan’ny fahavalo mandroso. Izany no nataon’i satana tamin’i Paoly mba tsy hahafahany mankany Tesalonika. Ady ara-panahy tsy ahafahana manantateraka ny fikasana tsara ho fampandrosoana ny finoana izany. Toy izany koa isika, mety misy fikasana tsara ho fampandrosoana ny finoana ao anatinao ao, na koa fiombonana amin’ny fifaliana ho an’ny samy mpino; kanefa misy ny sakana izay mahatonga izany tsy ho tanteraka. Na dia efa nikasa aza día tsy afaka noho ny aretina, ny olana, samihafa. Amin’ izany rehetra tzany, mila mametraka ny adintsika amin’i Jesoa Kristy, llay efą handresy ny fahavalo rehetra isika.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba iatrehanao ny ady ara-pinoana ?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

