Alakamisy, faha 19 Jona 2025

Sal 96:1-6 / Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 639.1,2,5

Izao mofonaina izao dia mamerina an-tsaina ny toe-po sy toe-tsaina mifamatotra amin’ny Tompo ho enti-miatrika ny ady.

    Fampaherezana sy fanomezan-toky no hita eto amin’ity andininy ity, mba tsy hahatahotra manoloana ny hery ananan’ny fahavalo soavaly, kalesy, olona maro…Hery hita maso ireo, fa mbola mahery lavitra noho ireo ny herin’Andriamanitra na tsy hita maso aza; ary tsy lavitra ny olona Izy fa miara-dalana hatrany. Mampahatsiahy izao Soratra Masina izao fa efa niseho tamin’ny nanafahana ny Zanak’Isiraely tany Egypta izany. Hoy Jesoa: Indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan izao tontolo izao » (Mat. 28,20b). Koa banjino ny herin’Andriamanitra fa aza variana amin’ny fahavalo. Tsarovy fa tsy miady irery ianao.

      Ny fahavalo dia hisy hatrany ary miara-dalana amin’izany ny ady. Mety ho reraka ny olona raha ao anatin’ny ady, indrindra moa raha maharitra izany. Ao anatin’izany no mety ho teraka ny fisalasalana hoe handresy sa tsia. Manolotra toromarika izao Soratra Masina mba hananantsika fahatoniana; satria Andriamanitra mihitsy no miady amin’ny fahavalo; ka azo antoka ny fandresena, ary ho voavonjy ho afaka amin’ny fahavalo tokoa ny olony. Ry havana, mety mafy tokoa ny ady atrehina ankehitriny, saingy tsarovy fa manohana anao Andriamanitra ary miady ho anao Izy. Ampitoero ao am-po sy ao an-tsaina fa tsy maintsy fandresena no hiafaran’ny adinao satria miaraka amin’llay Tompon’ny fahefana ianao. « manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’llay tia antsika » (Rom.8,37)

      Nahoana no mitady hery hafa ny mino manoloana ny adiny?

      Perikopa 2025

      Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

      | | 22. Ala. I man. Trinite - S. Vokovoko Manga
      Oha. 23. 19-25 | Lio. 12. 35-40 | 1 Kor. 10. 31-11.1

      | | 29. Ala. II man. Trinite
      1 Sam. 2. 1-10 | Jao. 10. 11-21 | Apo. 5. 1-10

      Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

      | | 06. Ala. III man. Trinite
      Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25

      | | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
      1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

      FJKM Fahazavana

      ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025