Talata, faha 17 Jona 2025
Sall38.1-3 / Hira170.1.2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 54. 1,3
Jaona 11, 32-46
Ny Fitiavan’i Jesoa ireo mpanaradia Azy.
1. Miara-miombona alahelo
Tsy nisalasala i Maria sy i Marta naneho ny alaheleny teo anatrehan’i Jesoa noho ny fahafatesan’i Lazarosy. Ary rehefa nahita ny olona mitomany i Jesoa dia vonton’alahelo. Tsapany ny fahorian’ireo anabavin’i Lazarosy, ary toa mihatra Aminy koa izany ka nitomany koa Izy. Asehon’i Jesoa eto fa toy ny olona iray tena akaiky sy tena tia Izy ka izay manjo azy irco dia mahazo Azy ihany koa. Rehefa mitaraina amin’ny Tompo isika dia reny izany. Tsy mihaino fotsiny Izy fa miara-mizaka amintsika amin’ireo fahoriana izay mianjady. Manambara izany ry havana fa tsy irery izay mino sy manara-dia an’i Jesoa co antrehan’ny kazam-pahoriana izay misy ety amin’izao tontolo izao. Koa Mahereza manoloana ny fahoriana.
2. Mitondra fanafahana
Fanafahana no entin’i Jesoa amin’izao tantara izao. Voalohany. fanafahana an’i Marta izay toa misalasala ny amin’ny fahefana ananan’i Jesoa na dia efa nilaza aza izy fa mino (And.27). Faharoa, fanafahana an’i Lazarosy voafatotry ny fahatesana ka nilazan’i Jesoa hoe << Mivoaha >», «Vahao izy ». Ny Tenin’i Jesoa feno fahefena, izay miendrika baiko, no nanangana ny maty. Rehefa miteny Jesoa dia tanteraka avokoa, tahaka izay nataon’ Andriamanitra Ray tamin’ny fahariana. Ny tanjona lehibe eto dia ny hahatongavan’ny olona ho amin’ny finoana marina an’i Jesoa Kristy ka hanafaka azy. Jesoa dia tonga nofo, manatona antsika miaina anaty endri-pahafatesana, te hanome fiainana ho antsika. Koa ekeo ary minoa ny fahefan’ny Teniny.
Fanontaniana:
Mahatsiaro ny fitiavan’i Jesoa Kristy anao ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe