Zoma, faha 13 Jona 2025
( Sal 147.1-5 / HF 13: 1/ Vavaka / Mojonaina / Vavaka / Hira 177: 4)
Asan’ny Apostoly 2. 14-21
Rehefa feno ny Fanahy Masina ny olona dia:
1. Mahery (and 14)
«Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin’ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe : Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henay ny teniko… ». Raha vao nosamborina fotsiny i Jesoa dia nihidy aman-trano noho ny tahotra ny mpianatra. Tsy sahy nipoitra, nangina tanteraka. Fa rehefa tonga ny Pentekosta. nilatsaka ny Fanahy Masina dia ilay matoanteny hoe nitsangana no maneho fa afaka tamin’ny tahotra sy ny horohoro izy ireo fa feno hery kosa. Mangataha mba ho fenoina ny Fanahy dia ho afaka miatrika izay mitranga rehetra.
2. Mitory ny Tenin’Andriamanitra (and 15-20)
«Fa izao ilay nampilazaina an’i Joela mpaminany… » hoy i Petera raha nanomboka nitoriteny izy. Satria nahazo ny Fanahy Masina ry Petera, dia feno fahasahiana izy ireo nitory ny Tenin’Andriamanitra, ary tsy filozófia na tantara no notoriany fa navoitrany mazava tsara eto hoe fahatanterahan’ny fampanantenan’ Andriamantira ny handrotsahany ny Fanahiny (Joe 3). Testamenta Taloha tanteraka ao amin’ny Testamenta vaovao!
3. Manoro ny lalam-pamonjena (and 21)
«Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena.» (Joela 3. 1-5). Ny toriteny nataon’i Petera dia mitaona izay rehetra nihaino azy, indrindra indrindra fa ny Jiosy mba hino an’i Jesoa Kristy avy any Nazareta. Koa tsy nisalasala mihitsy i Petera nitory ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty sy ny fandreseny ny fahafatesana, fa izay tena notsipihany koa dia izao, io Jeson Kristy no Tompo sy mpamonjy (Asa 2. 36) koa ny fandraisana azy sy ny finoana Azy no hahazoana famonjena!
Fanontaniana:
Mitondra inona ny fahafenoana ny Fanahy Masina?
Sampana Sekoly Alahady Foibe