Alarobia faha 14 May 2025

(Sal 126 / HF 4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 332)

Zakaria 4.1-7

Ny herin’ny Fanahy Masina

Rehefa niverina avy tany am-pahababoana ny Jiosy dia nisedra fahasahiranana samihafa. Betsaka ny sakantsakana tamin’ny fanarenana ny Tempoly. Soa fa teo ny Fanahy Masina:

1- Maneho ny fanatrehan Andriamanitra

Nanehoan’ny Tompo fahitana i Zakaria mpaminany mba ho fampaherezana an’i Zerobabela sy Josoa izay nitarika ny vahoaka amin’ny fanarenana ny Tempoly. Hoy izy: « Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin’ny isan’ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony ». Ny fahitana ny amin’ny fanaovan-jiro volamena fito mirehitra no nanehoan’Andriamanitra ny fanatrehany sy ny halehiben’ny fahefany eo amin’ny olony, ary ny fitoeran-diloilo eo an-tampony kosa dia manambara fa ny Fanahy Masina no toy ny solika mitsororika mampirehitra ny jiro izay mahatonga ny vahoakany ho fahazavana ho an’ny olona rehetra. Zava-dehibe ho antsika mpino ny fahatsapana fa manatrika antsika ny Tompo.

2- Manampy amin’ny fanatanterahana ny asa

Nampahafantarin’ny anjely an’i Zakaria ny hafatra avy amin’ny Tompo mba ho fampaherezana an’i Zerobabela: « Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. » (and.6). Ny Fanahy Masina no loharanon-kery hahavitana ny asan’Andriamanitra fa tsy ny hery ara-tafika, na ny fahefana amin’ny maha olombelona. Ny Fanahin Andriamanitra tao Aminy no nahavitan’i Jesoa ny asa nanirahan’ny Ray Azy, sady nandraisan’ny Fiangonana hery tamin’ny andro Pentekosta ka nielezan’ny Filazantsara maneran-tany.

Fanontaniana;

Ahoana no ahatsapana ny fanatrehan’ny Tompo amin’ny flainantsika andavanandro?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Talata faha 13 May 2025

(Sal 108.1-5 / Hira 164 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 310)

Asan’ny Apostoly 8. 26-40

Ny olona manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Aoka ho vonona mandrakariva isika, satria tsy voatery ho fantatra mialoha ny asa misiona antsika. Izy no mitarika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ny anjarantsika kosa dia:

1- Manaraka tsara ny toromarika omeny.

Nanaraka izay nolazain’ny anjelin’ny Tompo i Filipo ka nizotra nidina avy ao Jerosalema, namakivaky ny tany efitra mankany Gaza. Tsy nolazaina azy mialoha na toerana haleha na ny asa hampanaovin’ny Tompo azy, fa nanaraka fotsiny izy. Lehilahy jentilisa iray, manam-boninahitra ambony, avy namonjy fivoriam-bavaka ka an-dalana hiverina mody, mipetraka ao anaty kalesiny mijanona, mamaky Soratra Masina, no nataon’ny Tompo hifanena sy hiresaka tamin’i Filipo. Mandinika ny Soratra Masina izy, saingy tsy fantany izay hevitry ny teny novakiany. Inona no hararaotin’ny mpitondra fivavahana rehefa mihaona amin’olona manokana sy manan-kaja toy izany? Inona no nataon’i Filipo?

2- Manazava ny Soratra Masina.

Ilaina ny fahaizana manazava ny Soratra Masina, indrindra ho an’ireo izay voantso manokana ho amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara. Mila mpampianatra izany, araka ny voalazan’ilay lehilahy etiopiana hoe: « Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? » (and.31). Tsy ampy hahatakarana izay lazain’ny Soratra Masina ny fahefana sy ny haja amam-boninahitra. Nanaiky izany ilay olo-manan-kaja. Maro ny olona toa azy: mangetaheta te handre sy hahalala izay ambaran’ny Soratra Masina ka mila mpampianatra. Miandry antsika izy ireny. Mahaiza manararaotra ny fotoana fihaonana aman’olona, hitaomana azy handray an’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana:

Inona no masaka ao an-tsain’ny mpitondra Fiangonana rehefa mihaona amin’ny mpitondra ara-panjakana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alatsinainy faha 12 May 2025

(Sal 40.1-5 / Hira l75.1.4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira177.4)

Mpitsara 3.7-11

Ny anton’ny famaizan’ Andriamanitra

1- Vokatry ny fanompoan-tsampy.

Masina ny Tompo Andriamanitra, ary tiany ho masina tahaka Azy koa ny vahoakany. Mahasaro-piaro Azy ny fanompoan-tsampy, ka mahatonga ny fahatezerany mirehitra. Nony maty i Josoa dia niverina nanompo sampy indray ny Israelita. « Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny Zanak’ Isiraely ka nanadino an’i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha (and. 7). Nofaizin’Andriamanitra izy ireo noho izany ka navelany hampijalian’ny mpanjaka jentilisa izay sady ratsy fanahy no tsy matahotra an’Andriamanitra (and.8). Voalaza fa naharitra valo taona ny faharetan’izany fampahoriana izany. Avelany hanjaka sy hanan-kery ny fampijaliana sy ny fampahoriana ataon’ny firenen-kafa rehefa minia manadino sy mihodina Aminy ny vahoakany. mandra-pahatsiarovany hibebaka ka hiverina hanompo Azy.

2- Fampiverenana Aminy

Noho ny fahoriany dia nahatsiaro an’i Jehovah ny Israelita ka nifona sy nitaraina taminy. « Dia nitaraina tamin’i Jehovah ny Zanak’Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an’ny Zanak Isiraely, izay namonjy azy… »(and. 9). Naneho ny famindrampony Andriamanitra ka niantso an’i Otniela hanafaka ny vahoaka. Ny Fanahin’i Jehovah izay nirotsaka taminy no nahafahany nanateraka ny asa nankinina taminy. Raha miaiky ny fahotantsika isika dia Jesoa Kristy no hanafaka antsika amin’ny fahavoazana rehetra. Izy no voahosotr’ Andriamanitra hanafaka antsika amin’ny fanandevozan’ny fahotana ka hananantsika fiainana feno fiadanana mandrakizay.

Fanontaniana:

Inona avy ny karazana fanompoan-tsampy fantatrao. Inona no voka-dratsy aterak’ izany eo amin’ny fiainan’ny olona?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alahady faha 11 May 2025

(Sal 46. 1-3 / Hira 21 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 642)

Marka 13.9-11

Mampiomana ny mpanara-dia Azy i Jesoa.

1- Hisy ny sakantsakana amin’ny asa fitoriana.

Tamin’ny toriteny izay nataon’i Jesoa tao an-tendrombohitra Oliva no nilazany ny momba ireo famantarana ny fiandohan’ny fahoriana izay hiseho amin’izao tontolo izao. Ankoatra ny fisian’ny mpaminany sandoka sy ny filazana ady mbamin’ny loza voa-janahary, dia nambaran’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy hiharan’ny fanenjehana sy ny fampahoriana isan-karazany izay rehetra manaraka Azy. Hatolotra hotsaraina eo anatrehan’ny Antenimiera jiosy na ny Synedriona izy ireo ka homelohina sy hokapohina noho ny fanarahany an’i Jesoa. Hanenjika sy hanameloka azy koa ny manam-pahefana jentilisa. Noho izany dia tsy tokony ho zavatra hahagaga ny mpino ny fankahalana sy ny fanenjehana samihafa mihatra aminy noho ny fijoroany ho vavolombelon’i Jesoa Kristy. Tsy hahafoana ny fitoriana ny Filazantsara anefa izany: « Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha. » (and.10)

2- Hisolovava ny Fanahy Masina

Tsy tokony hatahotra na hihemotra manoloana ireo fanenjehana izay hihatra aminy ny Kristiana. Satria manana ny Fanahy Masina izy, izay mitari-dalana sy misolovava azy amin’ny fotoana rehetra izay ilana izany. Eto no anamarinana fa tena miandany amin’ny mpanompo izay irahiny amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara ny Tompontsika: « Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo amin’izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina. » (and.11)

Fanontaniana:

Raha ny Fanahy Masina tokoa no Mpisolovava antsika, mbola ilaina fanomanana ve ny fitorian-teny sy ny fampianarana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Sabotsy faha 10 May 2025

(Sal 121 / Hira 171 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 643)

2 Tantara 20.14-17

Manoloana ny ady sarotra…

1- Mivavaha!

Tora-kovitra i Josafata rehefa nandre fa olona betsaka tokoa ireo fahavalo mananontanona azy sy ny vahoakan’i Joda. Fantany fa raha ny hery amin’ny maha olombelona dia tsy hahatohitra ireo fahavalo izy. Teo anatrehan’izany dia nitodika nivavaka tamin’ Andriamanitra izy, dia Ilay Andriamanitra Tsitoha, Tompon’ny fahefana sy mifehy ny fanjakana rehetra. Nino izy fa raha Andriamanitra no miandany aminy sy ny vahoakany dia tsy misy hahatohitra. Notaominy ny mponina rehetra tany Joda sy Jerosalema mba hiaraka hivavaka sy hangataka famonjena amin’ Andriamanitra. Tsy niandry ela dia efa nivaly ny vavaka. I Jahaziela no nampitenenin’ny Fanahy Masina ka nanala ny tahotra sy nahazoana toky avy amin’Andriamanitra: « … Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’Andriamanitra. » (and.14-15)

2- Mirosoa hatrany!

Tsy maintsy hirosoana ny ady, ary ny fahavalo koa tsy maintsy hanao ny ataony: « Rahampitso dia midina hiady aminy ianareo; fa, indreo, hiakatra amin’ny fiakarana Ziza izy… » (and. 16). Ao anatin’ny fiatrehana ny ady no anamarinan’ Andriamanitra ny Teniny hoe: « Tsy ianareo anefa no hiady amin’ity; mijanona tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’i Jehovah anareo … Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy, fa Jehovah no momba anareo. » (and.17). Raha Andriamanitra tokoa no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy.

Fanontaniana:

Iza na inona no fahavalon’ny Kristiana ankehitriny? Ahoana ny fomba fiatrehana ny ady ifanandrenana aminy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Zoma faha 09 May 2025

(Sal 113.1-3 / HF 9 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 428)

Asan’ny Apostoly 16.6-10

Mitari-dàlana ny Fanahy Masina

1- Mampahafantatra ny lalan-kaleha

« Ary rehefa noraran’ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia » (and 6). Nanana fikasana handeha hitory Filazantsara tany amin’ny faritr’iAzia Minora i Paoly sy ny mpiara-miasa taminy saingy noraran’ny Fanahy Masina tsy hankany; ka izao niova ho nankany amin’ny toeran-kafa izao. Rehefa izany, dia nikasa hankany Bitynia indray izy ireo, saingy tsy navelan’ny Fanahin’i Jesoa ho any (and.7). Raha mamaky ny bokin’ny Asan’ny Apostoly isika, dia hahita fa ny Fanahy Masina hatrany no mialoha lalana nandritra ny fotoana rehetra nanatanterahan’ireo misionera ny asa fitoriana ny Filazantsara. Izany no manambara fa tena asan’ny Fanahy Masina ny asa fitoriana ny Filazantsara. Angataho hatrany ny fitarihan’ny Fanahy Masina!

2-Ekeo ny fitarihan’ny Fanahy Masina

Mety hisy trangan-javatra toy izany eo amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara: hafa ny toerana tiana haleha, na ny andraikitra tiana horaisina; tsy araka izay nokasaina anefa no itarihan’ny Fanahy Masina. Mahalala ny hevitra iheverana antsika ny Tompo, manana ny lalana tiany hitondrana sy hitarihana antsika Izy. Ny anjarantsika dia ny manaraka izay itarihan’ny Fanahy Masina, mamantatra ny sitrapon Andriamanitra, mifandray tsy tapaka Aminy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fankatoavana ny Teniny. Izay lazain’ny Teniny. Jesoa no filanatra ho antsika amin’ny asa Fitoriana ny Filazantsara. Jesoa dia nanana fifandraisana tsy tapaka tamin’ny Ray, sady nahafoy ny ainy noho ny fanaovana izay sitrapon’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Ahoana no hamantarana fa mitarika antsika tokoa ny Fanahy Masina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Fiantsoana izay ho Talen’ny SeFaLa Foibe

Fiantsoana izay ho Talen’ny SeFaLa Foibe

Toy izao ny andinindininy momba izany:
-Mpitandrina efa voatokana
-35 taona farafahakeliny ary tsy mihoatra ny 65 taona
-Manana mari-pahaizana Licence en Théologie farafahakeliny
-Efa niasa amin’ny maha Mpitandrina FJKM azy 10 taona farafahakeliny
-Salama tsara sy afaka mivezivery manerana ny sahan’ny FIKM
-Tombony raha efa niandraikitra SeFala na tany amin’ny SP na taty amin’ny Foibe
-Tombony ihany koa ny fahafehezana tenim-pirenena hafa
-Tombony ny fananana fahazoan-dalana hamily fiara
Ireto no taratasy ilaina:
-Taratasy fanehoana fahavononana
-Taratary milaza ny mombamomba ny tena (CV)
-Taratasy fanolorana avy amin’ny ambaratonga mpiahy
-Dika mitovy amin’ny mari-pahaizana ananana
-Dika mitovy amin’ny taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny fanokanana Mpitandrina
Ny taratasy filatsahana ho fidina dia aterina ao amin’ny varavarana 212 Foibe FJKM hatramin’ny 30 mai 2035

Ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana
ROBSON Rado Lalaina Johary. Mpit
Ny Filohan’ny SeFaLa Foibe
RASOANAIVO Andrianantenaina Samoelina Mpit

Filatsahan-kofidiana ho Talen’ny Sampanasa FFP FJKM

Filatsahan-kofidiana ho Talen’ny Sampanasa FFP FJKM

  1. Mpitandrina voatokana vita fiofanana tamin’ny TPM FJKM na Faculté de Théologie eken’ny FJKM.
  2. Manana ny mari-pahaizana Maitrise en Théologie farafahakeliny.
  3. Efa niasa 10 taona teo amin’ny sahan’ny FJKM farafahakeliny.
  4. Manaiky sy manaja ny Foto-Dalana sy Fitsipika FJKM ary ny Fitsipika Fototra sy ny Fitsipika Anatiny mifehy ny Sampanasa FFP Foibe..
  5. Mahafchy ny teny malagasy ary tenim-pirenena hafa (Frantsay. Anglisy…)
  6. Tia manoratra sy manao asa fikarohana. Tombony kokoa ny efa nahasoratra boky.
  7. Manaiky hanatsara ny fari-pahaizana sy ny fari-pahalalana ananany.
  8. Marin-tokatrano raha manambady ary tsara fitondrantena raha tsy manambady
  9. Mahay mifandray amin’olona.
  10. Tsara toe-pahasalamana
  11. Mahay mikirakira informatika tsara

TARATASY ILAINA AMIN’NY FIROTSAHANA
Ny taratasy firotsahana dia ahitana ireto antontan-taratasy manaraka ireto:
– Taratasy maneho ny fahavononana hanao nu asa (Lettre de motivation)
– Taratasy milaza ny momba ny tena miaraka amin’ny sary (CV)
– Taratasy fanolorana avy amin’ny Ambaratonga mpiahy (Synodamparitany, Foibe)

FARA-FANDRAISANA NY ANTONTAN-TARATASY: 30 may 2025 aterina mivantana ao amin’ny Biraon’ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana (TDF), Varavarana 212, Rihana faha-2, Foibe FJKM.

FANAMARIHANA: Raha tapitra ny fe-potoana firotsahana ka tsy misy antotan-taratasy filatsahan-kofidiana tonga na nisy fa tsy nahafeno ny fepetra takiana dia ny Biraon’ny Sampanasa FFP no manatona sy manolotra izay olona heveriny fa tokony hanao ny asa.

Nv Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana
ROBSON RADO Lalaina Johary Mpitandrina

Ny Filohan’ny Sampanasa FFP.
RAKOTOMANANA Tahiry, Mpitandrina

Alakamisy faha 08 May 2025

(Sal 103.1-6 / Hira 549 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 334)

Genesisy 41.37-40

Mitari-dàlana ny Fanahy Masina

1- Mampahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra

Samy tsy nisy nahay nanazava ny hevitry ny nofin’ny mpanjaka avokoa na ny mpimasy na ny olon-kendry rehetra nanerana an’i Egypta. Nony farany dia nampiantso an’i Josefa ny mpanjaka. Nolazain’i Josefa tamin’i Farao ny hevitry ny nofiny sy izay tokony hataony. Eto dia miharihary fa olona manaiky ny fitarihan’ny Fanahin’ Andriamanitra i Josefa. Nofaritany mazava tsara fa tsy izay heviny no hambarany (Jereo ny and 16) fa ny hevitr’Andriamanitra, dia izay efa hataon’ Andriamanitra rahateo. Resy lahatra tamin’izay rehetra nambarany ny mpanjaka, ka dia tapa-kevitra izy fa hanaraka izay rehetra voambara (and.37). Ny Fanahy Masina no manolo-tsaina sy mampianatra antsika hahalala ny sitrapon’Andriamanitra.

2- Manandratra izay manetry tena

Niaiky ny mpanjaka fa manana ny Fanahin’Andriamanitra tokoa i Josefa: « Dia hoy Farao tamin’ny mpanompony: hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin’Andriamanitra ao anatiny, va isika? » (and.38). Ilay nankahalain’ny rahalahiny, andevo tany Egypta, nogadraina sy nendrikendrehana ho mpanao ratsy no nasandratr Andriamanitra ho amin’ny toerana ambony, ary tonga mpanolo-tsaina sy mpanapaka tao an-dapan’i Farao (and.39,40). Azo ambara fa nanaiky ny fitarihan’ny Fanahy ny mpanjaka noho ny amin’i Josefa. Ny fanetren-tena nananany, ka nanekeny hanaraka ny fitarihan’ny Fanahin’Andriamanitra tamin’ny zavatra rehetra no loharanon’ny fisandratany. Izany rahateo no amantarana ny maha zanak’Andriamanitra antsika, sady antoka handovana ny fiainana mandrakizay ao amin’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana:

Ahoana no ahaizana manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alarobia faha 07 May 2025

(Sal 66.8-12 / Hira 241 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 638)

Lioka 4.1-13

Mitari-dalana ny Fanahy Masina

Izany no lohahevitra iainantsika mandritra ity volana ity. Ny fitarihan’ny Fanahy Masina an’i Jesoa no ifampaherezantsika eto:

1- Nentin’ny Fanahy tany an-efitra i Jesoa (and.1,2)

Rehefa avy natao batisa i Jesoa dia nentin’ny Fanahy ho any an-efitra. Naharitra efapolo andro izany. Nandritra izany dia tsy nihinan-kanina Izy ka noana. Nataon’Andriamanitra taminy izany mba hanomanana Azy amin’ny fanompoana lehibe izay nanirahana Azy. Ny olona efa avy nisedra zava-tsarotra sy fitsapana mahamay no hanana fahamatorana ka antoka fa hahavita izay zavatra anirahana azy. Ny hahavitantsika araka ny asan’ Andriamanitra eo amin’ny Fiangonana no antony iray lehibe ilåna ny fitokanam-bavaka arahana fifadian-kanina. Fa amin’ireny fotoana ireny no itomboan’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra. Amin’izany rehetra izany dia ilaina mandrakariva ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

2- Nandresy ny fakampanahy Izy (3-13)

Resin’i Jesoa avokoa ireo fakam-panahy nentin’i satana handavoana azy. Ny Soratra Masina no nentiny nanehoana ny maha Zanak Andriamanitra Azy. Manan-kambara amintsika amin’ny fotoana rehetra ny Soratra Masina, na amin’ny andro mahafaly, na amin’ny andro mahory, ary indrindra amin’ny andron’ny fizahan-toetra sy ny fakam-panahy. Koa raha te ho mpandresy toa an’ Jesoa isika dia hanao ho zava-dehibe ny fiainana araka izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Ilana ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahaizantsika mampiasa ny Soratra Masina araka ny sitrapon’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Inona no fakam-panahy efa nolalovanao, ka nandresenao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe