Alarobia faha 07 May 2025
(Sal 66.8-12 / Hira 241 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 638)
Lioka 4.1-13
Mitari-dalana ny Fanahy Masina
Izany no lohahevitra iainantsika mandritra ity volana ity. Ny fitarihan’ny Fanahy Masina an’i Jesoa no ifampaherezantsika eto:
1- Nentin’ny Fanahy tany an-efitra i Jesoa (and.1,2)
Rehefa avy natao batisa i Jesoa dia nentin’ny Fanahy ho any an-efitra. Naharitra efapolo andro izany. Nandritra izany dia tsy nihinan-kanina Izy ka noana. Nataon’Andriamanitra taminy izany mba hanomanana Azy amin’ny fanompoana lehibe izay nanirahana Azy. Ny olona efa avy nisedra zava-tsarotra sy fitsapana mahamay no hanana fahamatorana ka antoka fa hahavita izay zavatra anirahana azy. Ny hahavitantsika araka ny asan’ Andriamanitra eo amin’ny Fiangonana no antony iray lehibe ilåna ny fitokanam-bavaka arahana fifadian-kanina. Fa amin’ireny fotoana ireny no itomboan’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra. Amin’izany rehetra izany dia ilaina mandrakariva ny fitarihan’ny Fanahy Masina.
2- Nandresy ny fakampanahy Izy (3-13)
Resin’i Jesoa avokoa ireo fakam-panahy nentin’i satana handavoana azy. Ny Soratra Masina no nentiny nanehoana ny maha Zanak Andriamanitra Azy. Manan-kambara amintsika amin’ny fotoana rehetra ny Soratra Masina, na amin’ny andro mahafaly, na amin’ny andro mahory, ary indrindra amin’ny andron’ny fizahan-toetra sy ny fakam-panahy. Koa raha te ho mpandresy toa an’ Jesoa isika dia hanao ho zava-dehibe ny fiainana araka izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Ilana ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahaizantsika mampiasa ny Soratra Masina araka ny sitrapon’Andriamanitra.
Fanontaniana:
Inona no fakam-panahy efa nolalovanao, ka nandresenao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe