Alarobia faha 14 May 2025
(Sal 126 / HF 4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 332)
Zakaria 4.1-7
Ny herin’ny Fanahy Masina
Rehefa niverina avy tany am-pahababoana ny Jiosy dia nisedra fahasahiranana samihafa. Betsaka ny sakantsakana tamin’ny fanarenana ny Tempoly. Soa fa teo ny Fanahy Masina:
1- Maneho ny fanatrehan Andriamanitra
Nanehoan’ny Tompo fahitana i Zakaria mpaminany mba ho fampaherezana an’i Zerobabela sy Josoa izay nitarika ny vahoaka amin’ny fanarenana ny Tempoly. Hoy izy: « Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin’ny isan’ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony ». Ny fahitana ny amin’ny fanaovan-jiro volamena fito mirehitra no nanehoan’Andriamanitra ny fanatrehany sy ny halehiben’ny fahefany eo amin’ny olony, ary ny fitoeran-diloilo eo an-tampony kosa dia manambara fa ny Fanahy Masina no toy ny solika mitsororika mampirehitra ny jiro izay mahatonga ny vahoakany ho fahazavana ho an’ny olona rehetra. Zava-dehibe ho antsika mpino ny fahatsapana fa manatrika antsika ny Tompo.
2- Manampy amin’ny fanatanterahana ny asa
Nampahafantarin’ny anjely an’i Zakaria ny hafatra avy amin’ny Tompo mba ho fampaherezana an’i Zerobabela: « Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. » (and.6). Ny Fanahy Masina no loharanon-kery hahavitana ny asan’Andriamanitra fa tsy ny hery ara-tafika, na ny fahefana amin’ny maha olombelona. Ny Fanahin Andriamanitra tao Aminy no nahavitan’i Jesoa ny asa nanirahan’ny Ray Azy, sady nandraisan’ny Fiangonana hery tamin’ny andro Pentekosta ka nielezan’ny Filazantsara maneran-tany.
Fanontaniana;
Ahoana no ahatsapana ny fanatrehan’ny Tompo amin’ny flainantsika andavanandro?
Sampana Sekoly Alahady Foibe