Alahady, faha 27 Aprily 2025

(Sal 121 / Hira:432,1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira: 438:1,3)

Lioka 8.49-56

Ireo dingana lehibe ahazoana valim-bavaka

1- Fiankinana feno amin’i Jesoa Velona

Voalaza tany amin’ny and.41 fa « tonga ny lehilahy atao hoe Jairo, dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy ka niangavy taminy mba hiditra an-tranony ». Izany fanatonana sy fiankohofana ary fiangaviana an’i Jesoa izany dia azo lazaina fa tena fanankinana feno Aminy ny ho avin’ny zanak’i Jairo, izay efa marary mafy tokoa.

2- Fihainoan’i Jesoa ny fangatahana

« Fa Jesoa raha nahare, dia namaly azy… » (and.50): Dingana lehibe eo amin’ny fahazahoana valim-bavaka ny fihainoan’i Jesoa ny fangatahana. Manome toky Izy fa izay mangataka no omena. Adidintsika ny mamantatra izay rehetra mety sakana amin’ny fihainoan’i Jesoa antsika.

3- Ny toky omen’i Jesoa

« Aza matahotra, minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy » (and.50), « Aza mitomany; fa tsy maty izy, fa matory » (and.52). Na eo aza ny olana saro-bahana izay heverintsika fa tsy misy vahaolana intsony, dia misy hatrany ny fanantenana rehefa eo Jesoa. Ny andrasana amintsika dia ny mandray amin’ny finoana ny Teniny sy ny toky nomeny.

4- Fandraisan’i Jesoa an-tànana ny raharaha

« Ary Jesoa dia nandray ny tànany ka niantso… ». Tena mandray an-tànana ny raharaha izay ankinina feno amin’ny Anarany ny Tompo. Izany no mialoha lalana ny valim-bavaka. Minoa fa efa eo am-pelatanan’i Jesoa ny olanao. Ny fandraisan’i Jesoa an-tànana ny olana dia mitohy amin’ny fanarenana sy farmerenana amin’ny laoniny ny fiainana.

Fanontaniana

Inona avy ireo sakana amin’ny valim-bavaka?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 06. Ala. III man. Trinite
Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025