Talata 01 Jolay 2025
VOLANA JOLAY 2025
OLOM-BOAANTSO NY MPINO
(Sal121.1-8/Hira16 1, 2/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/HF14)
Isaia 41 : 8-13
Andriamanitra mifidy ny vahoakany
1- Manome toky azy
«Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao. » (And. 10)
Tany am-pahababoana ny Jiosy, nihevitra izy ireo fa tsy mahita azy ireo Andriamanitra any amin’ny tanin’ny Jentilisa. Any Jerosalema ihany mantsy no noheverin’izy ireo fa misy an’Andriamanitra. Tsarovy mandrakariva anefa, Andriamanitra manerana izao rehetra izao ny Andriamanitry ny Baiboly. Ka na aiza na aiza no misy ny olona nofidiany, dia any Izy: ary mahita ny manjo ny olom-boafidiny. Tsy mamela ny vahokany ho irery Izy. Ary izany no nanomezany an’i Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina ho mariky ny fanatrehany sy fombany ny olona/vahoaka nantsoiny sy nofidiany.
2- Mitondra azy amin’ny heriny
«… Eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho. » (And. 10)
Andriamanitra no mitantana ny vahoakany amin’ny tanany ankavanana. Midika izany fa amin’ny heriny sy ny fahamarinany no itondran’Andriamanitra ny vahoakany. Ka na dia nihevitra aza ny Jiosy fa mahery ny andriamanitry ny Babyloniana, manome toky kosa Izy fa amin’ny heriny sy fahamarinany no itondrany ny vahoakany. Amin’ny heriny sy ny fahamarinany no itondran’ Andriamanitra ny fiainan’ny vahoaka voafidiny. Andriamanitra Mahery ny Andriamanitry ny Baiboly. Jesoa Kristy no herin’ Andriamanitra. Amin’ny herin’i Kristy no itantanan’ Andriamanitra ny vahoakany.
Fanontaniana:
Ahoana no iainanao ny herin’ Andriamanitra niantso anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

