Alarobia 10 Aprily 2024

Jaona 21.1-14

1- Mihevitra ny olony hatrany i Jesoa:

Ny tenin’i Petera manao hoe « handeha hanarato aho » sy ny navalin’ny mpianatra namany hoe « izahay koa hanaraka anao » dia fanehoana famoizam-po satria diso fanantenana izy ireo tamin’ny zava- nitranga nataon’ny Romana tamin’i Jesoa Kristy. Noheverin’izy ireo mantsy fa hanjaka amin’izy ireo i Jesoa Kristy ary koa handrava ny fangejana misy kanefa indro nandao azy ireo izy. Ny fiverenana amin’ny asany teo aloha áry dia fanehoana fa tsy misy hianteherany intsony ka aleo mihevitra izay mahasoa ny tena. Ny fanaratoana moa no zavatra hainy sy efa nahazatra azy ireo ka tsy nisalasala izy ireo hiverina hanao izany indray. Rehefa nanarato anefa dia tsy nahazo na inona na inona mihitsy nandritry ny alina manontolo. Fa rehefa nandalo teo kosa i Jesoa Kristy ka nahafantatra hoe tsy nahazo na inona na inona izy ireo dia nanome toromarika azy i Jesoa Kristy mba hahazoany trondro. Mariho tsara fa tsy nisy fandavana na fisalasalana kely akory tamin’ny toromarika nataon’ny Tompo tamin’izy ireo fa nankato avy hatrany izany izy ireo ka nahatalanjona indrindra ny vokatr ‘izany fanarahany ny Tenin’i Jesoa Kristy izany.

2- Fantatry ny olona tia Azy i Jesoa

Eo amin’ny and. 4 dia misy hoe nitsangana teo amoron-dranomasina i Jesoa kanefa tsy fantatry ny mpianatra Izy. Rehefa avy nanome ny toromarika kosa anefa Izy dia fantatry ny mpianatra tiany. Araka izany. tsarovy fa izay tiany rehetra dia mahafantatra Azy noho ny asa mahagaga ataony amin’ny fiainany. Tsarovy ary fa nanao asa mahagaga eo amin’ny fiainanao i Jesoa ary tsy tokony ho diso « Jesoa » ianao satria tandremo fa misy « jesoa sandoka » maro hafa eto.

Fanontaniana

Mhola mihevitra ny olony hatrany ve i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV