Sabotsy 13 Janoary 2024

Jaona 11. 32-46

Jesoa, maneho ny voninahitr’Andriamanitra

Anisan’izay mangidy indrindra amintsika olombelona ny fahabangana noho ny fahafatesan’ny olona akaiky ny tena. Ho fifampaherezana dia aoka isika hahatsiaro fa:

I- Miombom-pahoriana amintsika i Jesoa (and.33-38)

Fony mbola narary mafy i Lazarosy dia efa nampitondra hafatra tany amin’i Jesoa ireto anabaviny satria nino ihany izy ireo fa hahasitrana azy Izy. Nony tonga tany amin-dry Maria anefa i Jesoa dia efa maty i Lazarosy. Olona vonton’alahelo sy fahoriana no manoloana Azy. Raha nahita izany i Jesoa dia niontana ny fony, tora-kovitra lzy sady nitomany. Tsy noho ny famoizam-po, na ny hakiviana manoloana izao fahafatesana izao anefa no antony, fa noho ny fiombonany alahelo sy fahoriana amin’ireto olona izay iharan’izany. Tsarovy àry fa tsy mamela antsika ho irery amin’ny fahoriana izay mianjady amintsika i Jesoa, ary tsy hoe manatrika antsika fotsiny Izy, fa miombom-po amin’izay rehetra manjo sy miara-mitondra izany amintsika.

2- Izy no fananganana ny maty.

Jesoa dia efa nanambara fa « lzy no fananganana ny maty sy fiainana  » (Vakio ny and.25,26). lzany dia milaza amintsika fa manana fahefana amin’ny fiainana sy ny fahafatesana lzy. Tsy amin’ny fahoriana izay mandalo vetivety ihany no anehoany izany fahefana izany fa amin’izay rehetra momba ny fiainantsika, dia ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy.Izay andrasana amintsika dia ny hananantsika fahatokiana Azy amin’ny fiainantsika manontolo. Ka na inona na inona zavatra mihatra rehefa mino Azy isika dla anehoany ny voninahiny. Hasehony amintsika ny hery sy ny fahetany amin’ny zavatra rehetra. « Minoa an’i Jesoa, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao » (Asa 16.31).

Fanontaniana:

Hatraiza ny finoantsika an ‘i Jesoa, manoloana ny fahafatesana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 12 Janoary 2024

Apokalypsy 15.1-8

Ny fitsaran’Andriamanitra

Asehon’ny mpanoratra amintsika fa amin’ny andro farany dia tsy maintsy hiatrika fitsaran’Andriamanitra ny olona rehetra, ka samy hanana ny anjara toerana manandrify azy ny tsirairay.

1- Ny ho anjara toeran’ny voavonjy.

Ny olom-boavonjy dia ilazana ireo olona nahatoky rehetra, anisan’izany ireo maritiora sy ireo izay nijoro tamin’ny finoany an’i Jesoa Kristy ka naharitra hatramin ‘ny farany.Ireo no vahoaka navotan’Andriamanitra. Mijoro sy mandeha eo ambonin’ny ranomasina fitaratra mifangaro amin’ny afo izy ireo ka miampita amin’izany, sady mihira ny fihiran’i Mosesy (and.2) .Mampahatsiahy antsika ny fanavotan’Andriamanitra ny Zanak’Israely sy ny niampitany ny ranomasina mena izany. Ravoravo izy ireo, ka mihira fiderana an’Andriamanitra izay Tompon’ny hery nahazoana fandresena. Ny “fihiran’i Mosesy » sy « fihiran’ny Zanakondry« no hirainy, fihirana izay manambara ny fanavotana ao amin’i Kristy Zanak’ondrin’Andriamanitra.

2- Ny ho anjara toeran’ny tsy mino.

Rehefa hovohana ny tempolin ‘Andriamanitra any an-danitra, izay misy ny « tabernakelin’ny vavolombelona »mirakitra ireo didy folon’Andriamanitra dia hiseho ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny fahamasinany.Mikatona ho an’izay tsy mino ny fahafahana manatona Azy « …ka tsy nisy nahazo niditra tao amin’ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin’ny anjely fito ».Lazaina eto izany mba hahafahan’ny rehetra miomana dieny izao. Ny finoana ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana no mampitony io fahatezeran’Andriamanitra io tsy hihatra amintsika.

Fanontaniana:

Efa vonona hiatrika ny fitsaran’Andriamanitra ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 11 Janoary 2024

Isaia 40.1-8

Manavotra ny olony Andriamanitra. Misy antony avokoa izay zavatra rehetra avelan’Andriamanitra hiseho eo amin’ny fiainan’ny vahoakany. Matetika dia mikendry fampiverenana Aminy no anton’ny fahoriana izay mianjady.

1- Mampitondra teny fampiononana Izy.

Raha mbola tany am-pahababoana ny vahoakan’i Israely dia nahatsapa ny hamafin’ny fahoriana sy ny famaizan Andriamanitra. Mety nisy namoy fo aza, nefa tao koa ireo izay nitalaho famindrampo sy fanavotana avy Aminy. Tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra, ka rehefa miverina Aminy ny olony dia indro Izy mampitondra teny fampiononana ho azy, izay manambara famonjena sy fitahiana lehibe. « Ampionony , ampionony ny oloko, hoy Andriamanitrareo » (and.2). Raha tojo- zava-tsarotra sy manahirana isika dia tsarovy fa Jesoa Kristy irery ihany no Mpamonjy antsika, ka izay rehetra mitalaho sy miverina Aminy dia hahazo famonjena sy fampiononana. Ambaran’ny Soratra Masina rahateo fa « Andriamanitry ny fampiononana rehetra » no iantsoana an’ Andriamanitra Ray (2Kor 1.3).

2- Maneho ny voninahiny Izy (and.5)

Rehefa miverina amin’ Andriamanitra ny isika dia tonga kosa lzy ka maneho ny voninahiny. Amin’izany, ny efitra sy ny tany foana izay noheverina ho toerana maneho ny famaizan’Andriamanitra hatrizay dia lasa toerana ahitana Azy sy handraisana ny famonjena avy Aminy. Nahita izany voninahitr’ Andriamanitra izany ny Israely tamin’ny nanavotany Azy tany Babylona. Fa isika koa dia mahita izany noho ny finoana ny asam- -panavotana nataony ho antsika tao amin’i Jesoa Kristy; izay nandreseny ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana. Ary mbola hahita mihoatra noho izany aza isika amin’ ny fiverenan’i Kristy amim-boninahitra indray.

Fanontaniana:

Inona no takiana amintsika manoloana ny. fahantran ‘ny firenena?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 10 Janoary 2024


Matio 19.27-29


lzay mahafoy ny zavatra rehetra noho ny amin’i Jesoa.

« Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao;
koa inona ary no ho azonay? » (and2)

1- Hipetraka amin ‘ny seza fiandrianana

« Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin’ny fanavaozana ka hipetraka amin’ny seza fiandrianan’ ny voninahiny ny Zanak’olona, ianareo koa, Izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ny seza fiandrianana roa ambin’ny folo ka hitsara ny firenen isiraely roa ambin’ny folo. » (and.28). Isika dia mino fa ho avy ny fotoana hahatanterahan’ny fanavaozan’Andriamanitra izao tontolo izao amin’ny andro farany, Amin’izay fotoana izay dia samy hanana anjara seza fiandrianana ny mpino, ka hanana anjara amin’ny voninahitra sy ny fahefan’i Jesoa ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy ho tanteraka anefa io fampanantenana io raha tsy mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany isika, na sanatria hanao tahaka an’i Jodasy, izay mba anisan’ny mpianatra ihany saingy namadika an’i Jesoa.


2- Handray avo zato heny…

« Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay » (and.29).

Tsy maintsy ho vonona hahafoy ny zavatra rehetra izay rehetra manaraka an’i Jesoa. Tsy hahafaty antoka azy akory izany, fa handray mihoatra lavitra noho izay nafoiny izy, noho ny fanckeny hanao ho laharam-pahamehana ny fitiavana hanara-dia an’i Jesoa. « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat. 6.33). Araka izany dia sady misitraka fitahiana sahady dieny ety an-tany ny mpanara-dia an’i Jesoa, no mandova ny fiainana mandrakizay.

Fanontaniana:

Inona no efa nafoinao noho ny amin ‘i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 09 Janoary 2024


Hagay 2.6-9


Haneho ny voninahiny Andriamanitra.


Ireto no lesona ho antsika avy amin’izao Soratra Masina izao:
1- Mampahery ireo miraviravy tànana Izy
Rehefa tafaverina avy tany am-pahababoana tany Babylona ny vahoakan’Andriamanitra dia nahamaika azy ny nanao ny trano fonenany. Fa tsy nataony ho laharam-pahamehana ny fanarenana ny Tempoly. Vokatr’izany dia tsy nety tafarina mihitsy ny fiainan’izy ireo. Nanentana ny olona rehetra ny mpaminany Hagay mba hanao ho laharam-pahamehana ny fanarenana ny Tempoly, fa izany no antoky ny fitahiana sy ny fanambinana ho azy. Nanaiky izany ny olona ka niroso tamin’ny fanatanterahana ny asa. Nila ho
kivy anefa ireo mpiasa, fa toa tsy hahavita tahaka ilay naorin’i Solomona. Nanome toky azy ireo kosa Andriamanitra, ary nampitondra teny an’i Hagay fa Izy no hiasa ka hanome izay irin’ny fon’ny olona sy haneho ny voninahiny amin’ny tempoly izay haorina. Tsarovy fa ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny
asan’Andriamanitra no loharanom-pitahiana.
2- Tompon’ny zavatra rehetra Izy.
Raha ity perikopa ity no heverina dia tsy misy antony tokony tsy ahavitan’ny olona ny asan’ Andriamanitra, indrindra fa ny fanorenana ny tempoly. Hoy ny voasoratra: « Ahy ny volafotsy, ary
Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » (and. 8). Toy izao no andraisantsika izany: izay rehetra heverin’ny olona ho fananany, na tany, na trano, na vola sy harena, ny tanjaka sy ny fahasalamana, ny fotoana, izany hoe ny.momba antsika manotolo dia fananan’Andriamanitra. Nataony ho mpitantana ny fananany isika sady mbola hampamoahina amin’izay fomba nampiasantsika izany. Raha miantso Azy ho Tompo tokoa isika, dia hanao ho laharam-pahamehana izay rehetra momba ny asany.
Fanontaniana:
Inona no mari-drefy hamaritana hoe : »Fiangonana matanjaka »?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 08 Janoary 2024

Apokalypsy 21. 9-14

Ny fonenana mandrakizay

Mino ny fisian’io fonenana mandrakizay io isika Kristiana, io ilay antsoina hoe : « Jerosalema vaovao ». Izany no mahatonga antsika tsy hamoy fo tahaka ny sasany manoloana ny fahafatesana :

1- Tanàna masina mamirapiratra (and 10,11)

Anisan’ny mampiavaka azy ny fahamasinany sy ny famirapiratan ‘ny voninahitr’Andriamanitra ao aminy, araka ny fahitana naseho an’i Jaona Apostoly. Atao hoe « masina » izy satria foana tanteraka sy tsy misy ao amin’ izany tanàna izany intsony ny fanoherana an’Andriamanitra. Tsy hanana anjara lova ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra mihitsy izay rehetra manohitra an’Andriamanitra. Ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fiainana araka ny Tenin’Andriamanitra, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina no hananantsika fanantenana honina ao amin’ io fonenana mandrakizay ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra io.

2- Misy toerana ho an’ny olona rehetra

Efa nolazaina teo aloha ny fepetra takiana amin’ny olona ho tafiditra ao amin’izany tanàna izany. Izany akory tsy midika hoe : voafetra ho an’ny olom-bitsy ny fonenana ao. Amin’ny lafiny ilany, ny isa “roa ambin’ny folo » dia manondro ny firenen’ Israely sy ny Apostoly (and.14) izany hoe: mampifandray izay voalazan’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Fa amin’ny lafiny iray faharoa kosa, ny isa roa ambin’ny folo dia milaza fahafenoana na fahatanterahan’ny asan’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao, ka noho ny asam-panavotana nataon’i Kristy dia afaka mandray olona marobe avy amin’ny firenena rehetra sady misy toerana ho an’ny mpino rehetra maneran-tany amin’ny taona rehetra io « tanàna masina » io.

Fanontaniana:

Efa azonao antoka ve ny hahatafiditra anao ao amin ‘ny fanjakan ‘Andriamanitra? Nahoana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Écrire à 🦋 Les Rabelison 🦋

Alahady 07 Janoary 2024

SALAMO 76.1-12

1-Miahy ny olony Andriamanitra

  • Ny Zanak’Isiraely no firenena nofidin’i Jehovah ho lovany. Fantatra eo amin’ny Joda Izy, ary malaza eo amin’ Isiraely. Monina ao Ziona ao amin ‘ ny Tempoliny Izy.
  • Ny fiorenan’ny Tempoliny ao Ziona dia manambara ny fanatrehany ny Zanak’Isiraely olony. Na dia mizaha toetra ny Zanak’Isiraely aza Azy indraindray dia maneho ny fitiavany sy ny heriny koa, ka notapatapahany ny zanatsipikan’ny fahavalo mbamin’ny sambatra sy ampinga ary ny fiadiana rehetra. Mametraka fiadanana ao Joda sy Jerosalema Izy ary tsy misy velively ny fiadanana raha tsy avy amin’ i Jehovah irery ihany.
  • Nataon’i Jehovah ankona tsy nahetsika ny tànany ireo olo-mahery ary renoky ny torimaso ireo mahery fo. Miasa Jehovah ka iza no mahasakana izany?
  • Toy izany ny fiahian’i Jehovah anao amin’ ity 2024 ity. Hanorina fiadanana ho anao Izy raha mety ianao. Tsy hambinina ny fiadina rehetra tadiavin’ny fahavalo hamelezana anao. Ho renoky ny torimaso ireo mahery fo mitady hanafika anao. Ho sasa-poana ny fahavalonao sy satana rafinao fa tsy hahita hirika hamelezana anao. Mitonia fa manana Mpiahy tonga lafatra ianao.
    2- Mitsara marina Andriamanitra
  • Ho avy Izy hitsara ka hamonjy ny mpandefitra. Fitsarana avy any an-danitra izany ka raikitahotra ny tany sady sina. Hifehy ny fahatezerany ny Tompo manoloana izany fitsarana marina tsy azo ivalozana izany.
  • Na ho avy aza ny fitsarana anao dia aza matahotra na mivadipo ianao. Tsarovy fa Ilay Sakaiza tena tia anao ihany no hitsara anao. Nisolo heloka anao teo amin’ny hazofijaliana Izy ary tena tiany sy maminy indrindra ianao. Io sakaiza tsara io no hitsiky aminao amin’ny fitsarana ka hiteny aminao hoe : »MIDIRA amin’i ny FIFALIAN’NY TOMPONAO ». Mitaky finoana avy aminao anefa izany.
    3– Efao ny voadinareo amin’i i Jéhovah Andriamanitra
  • Fotoana fanefana ny voady izao taona vaovao izao. Tanteraho izay nambaranao taminy. Tanteraho ireo fanekena rehetra nataonao. Tsarovy fa fanavaozana fanekena sady fanavaozana fanolorantena ity taombaovao ity.

Ramamonjiarisoa Robert,Mpitandrina

Sabotsy 06 Janoary 2024


Asan’ny Apostoly 8.1 -8


Lehibe ny voninahitr’Andriamanitra!


Eto amin’ity perikopa voalahatra ho antsika anio ity no ahitana fa rehefa Andriamanitra no miasa dia tsy misy mahasakana:
1- Asehony amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina izany.
Taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia nihaona tamin’ny mpianany Izy, ka anisan’ izay nampanantenainy ny fanomezana ny Fanahy Masina: « Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany » (Asa 1.8). Hitantsika eto fa tena mafy sy nihatra amana aina ny fanenjehana Fiangonana tany Jerosalema.Porofon’izany ny namonoana an’i Stefana (Asa 7.57-60) sy ny fampahoriana nataon’i Saoly, izay niditra an-tranon’olona mihitsy,nanagadra izay rehetra nitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy na
lahy na vavy (and.3). Manoloana izany no iasan’ny herin’ny Fanahy Masina ka nahatonga ireo “mpivavaka tsara » sahy nijoro ho naman’i Stefana ary nandevina sy nisaona azy (and.2)
2- Asehony amin’ny alalan’ny fielezan’ny Filazantsara
Tsy izay fanenjehana sy fifofoana aina akory no hahasakana ny fielezan’ny Filazantsara. « Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny » (and.4). Ny « hery » omen’ny Fanahy Masina ny mpino dia mahatonga azy ho feno fahasahiana hijoro ho vavolombelona; andraisany fahefana handroaka ny demonia andraisany hosotra hahasitrana ny marary (famantarana ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra izany). Tsarovy fa tsy maintsy hiaritra fanenjehana izay rehetra mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy, fa amin’izany dia ny Fanahy Masina izay noraisiny no hery miaro azy hanoherany ny hery ratsy rehetra.
Fanontaniana:
Manao ahoana ny endrika isehoan ‘ny fanenjehana ny mpitory ny Filazantsara amin ‘ny vanim-potoana ankehitriny?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 05 Janoary 2024


1Tantara 29. 10- 13


Lehibe ny voninahitr’Andriamanitra!


1- Aoka hankalaza Azy isika!
Nanana fikasana hanorina ny tempoly i Davida mpanjaka, saingy tsy tanteraka izany. Solomona zanany, izay handimby azy no hanao ny asa, araka ny fikasan’Andriamanitra. Nanafatrafatra an’i Solomona iDavida sady nanolotra azy ny drafitra sy ny sarin’ny tempoly harafitra, araka izay efa nampahafantarin ‘i Jehovah azy.Nambarany tamin’ny vahoaka koa ireo zava-tsarobidy efa nangoniny hanaovana ny tempoly. Nanentana ny vahoaka ihany koa izy mba samy hanolotra izay foiny avy, ka dia samy nazoto nanatitra fanomezana an-tsitrapo hanaovana ny fanompoana ao amin’ny tempoly avokoa ny loham-pianakaviana. Nahafaly an’iDavida indrindra izany ka nahatonga azy hankalaza an’Andriamanitra teo imason’ny vahoaka hoe: « Isaorana anie Hianao, Jehovah ó, Andriamanitr ‘lsiraely razanay, hatramin ‘ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. » (and. 10)
2- Izy no Tompon’ny zavatra rehetra.
Ankehitriny dia azony antoka ny hahatanteraka ny faniriany sy ny fikasany, dia hahavitana ny tempoly. Fantany ny halehiben ‘ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra(and.11); ny harena toy ny volafotsy sy ny volamena, ny voninahitra, ny hery sy ny fahatanjahana dia avy amin’Andriamanitra avokoa. Ny olona resy lahatra tahaka azy dia tsy hirehareha amin’izay heveriny ho fahombiazany fa mahay manetry tena sy manome voninahitra an’Andriamanitra ka hilaza hoe: « Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin’izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao (and. 12).
Fanontaniana:
Amin ‘ny antony inona no tokony hisaorana an’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 04 Janoary 2024

Jeremia 1.4-10

Maneho ny voninahiny ny Tompo.

1- Amin’ny alalan’ny fifidianany

Anatin’ny fotoan-tsarotra no niantsoan’Andriamanitra an’i Jeremia ho mpaminany tao amin’ny faritr’i Joda. Fotoana mialoha indrindra ny nandravana an’i Jerosalema sy ny fahababoana tany Babylona. Fotoana izay nanoheran ‘ny vahoaka an’Andriamanitra ka nianteherany tamin’ny hery hafa mba hanoherany ny fahavalo. Mbola zaza tokoa i Jeremia raha nandre ny antson’ny Tompo ka nanambaràny fa efa nanana drafitra mikasika ny fiainany Andriamanitra (and.5). Asehon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fifidianany ny mpanompony ny halehiben’ny voninahiny. Izay takiany amintsika kosa dia ny handehanantsika araka ny sitrapony sy ny fikasany hamonjy sy hanafaka antsika mbamin’ny mpiara-belona amintsika. Izy no manamasina ny mpanompo izay fidiany, Izy no manendry araka ny fikasany hamonjena ny olony (and.10).

2- Amin’ny alalan’ny fanomezan-toky.

Matetika dia heverin’ny olona ho sakana eo amin’ny fanatanterahany ny asa ampanaovin’Andriamanitra azy ny fahakelezany, na izay heveriny ho tsy fahampian’ny traikefa ananany. Raha amin’ny maha- olombelona tokoa mantsy dia hita fa tsy mora ny asa anendrena . « .. Ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ny firenena sy ny fanjakana ,hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly » (and.10) Eo anatrehan’izany no anehoan’Andriamanitra ny halehiben’ny hery sy voninahiny. Manome toky Izy fa tsy handeha irery izay irahiny. Izy no hiaraka aminy ka hamonjy azy (and.8). Izy no hanome ny Teny izay holazaina (and.9). Raha Andriamanitra tokoa no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? (Rom 8,31 ).

Fanontaniana:

Inona no sakana amin’ny fanaovana ny asan’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM