Jobily 55 Taona FJKM

FJKM mankalaza an’ Andriamanitra noho ny faha55 Taonany


Ny Zoma teo no nanatanterahana ny fanompoam-pivavahana fankalazana an’Andriamanitra noho ny Faha- 55 Taonan’ ny FJKM izay notanterahina teny amin’ny ivon-toeran’ny SP 31 Toamasina Vavahadin’ny Filazantsara. Nosafidiana ny teto Toamasina noho ny maha-toerana nidiran’ny Filazantsara voalohany teto Madagasikara.Niavaka ity fotoana ity noho ny fanotronan’ireo filoham-piangonana roa nifandimby nandritra ny fotoana : Dr.IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina (Filohan’ny FJKM), sy ny Mpitandrina RASENDRAHASINA Lala Haja (Filohan’ny FJKM teo aloha) ka izy no nitondra ny tenin’Andriamanitra, ary ny Mpitandrina RAZAKARIVONY Charlot Patricien no nitarika ny fotoana.
Ara-tantara, sarotra ny lalana izay nodiavin’ny Fivavahana Kristiana izay efa hatramin’ny andron’ny Mpanjaka RANAVALONA I, izay nandrara ny Fivavahana Kristiana nipoiran’ireo maritioran’ny Finoana toy RASALAMA Maritiora, RAFARALAHY Andriamazoto, fa noho ny fiasan’Andriamanitra dia miroborobo izany ankehitriny.Amin’izao fankalazana ny faha-55 Taona ny FJKM izao, manoloana ny zava-misy iainan’ny olona ankehitriny no nampahafantarin’ny Filohan’ny FJKM Dr. IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, Filohan’ny FJKM, fa rivo-doza ny fankahalana, ny fiavonavonana, ny fialonana, ny fifampiandaniana, mifofo ny fiaraha-monina koa nanao antso avo izy, mba hiaina amin’ny tenin’Andriamanitra ny FJKM izay nofeheziny tamin’ny hafatra (5) dimy :

 Miorena tsara ;
 Mihavaoza mandrakariva ;
 Mifankatiava fatratra ;
 Aza menatra ny ho Vavolombelon’ny Tompontsika ;
 Mandehana amin’ny finoana.

Marihina fa ankoatra ny tao Toamasina, dia nisy ihany koa ny fanamarihana izany tsingerin-taona lehibe izany tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana isak’ireo Fitandremana anatin’ny Synodamparitany 38, hatrany ampitan-dranomasina.

NIRINA, RF Toamasina

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM