Alahadin’ny Maritiora 2023

FJKM/KFTM

“Ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiako…” (Isa.43/ 10a)

FANDAHARANA IOMBONANA

Alahady 13 Aogositra 2023

  • Zava-maneno
  • Fiarahabana Apostolika
  • Fiderana an’Andriamanitra

 Sal.27:1-6

HIRA 824: 1-2-4

VAVAKA

  • Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora

HIRA 638:1-4

Vavaka fangatahana ny fanazavan’ny Fanahy Masina

Mpits 16:22-31

Jao 12: 23-33

IIKor1:8-11

  • HIRA 645:1-3
  • Toriteny
  • Vavaka Fangatahana faranana amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo
  • Fanekempinoana Nikeana
  • Asan ny Fiangonana
  • Famakiana ny HAFATRA /KFTM
  • Rakitra
  • HIRA: 639 na Antoko mpihira
  • Vavaka fanolorantena
  • HIRA 635 :1-4
  • Tsodrano

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra !

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina

HAFATRA KFTM FOIBE FJKM

« Ianareo no vavolombeloko hoy Jehovah,sady mpanompoko izay efa nofidiko”Isaia 43:10

Ry Havana,

Ampitomboina aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kritsy tompontsika.

Volana Aogositra 2023 .MIJOROA AMIN’NY FINOANA. Fisaorana an’Andriamanitra no teny manentana voalohany,fa afaka niombona tamin’ny fisantarana ny Kianja teny amin’ny Toeram-Panomanana Mpitandrina Ivato isika zanaky ny FJKM rehetra,niarahana tamin’ny Vaomieran’ny  Hazakazaka Masina (VHM) fanatanjahantena, sy fanamarihana ny 185 taona nijoroan’ireo Maritiora tamin’ny finoana.

Misaotra antsika rehetra ny tsirairay,Fitandremana ,Sampana, Sampan’asa nanao ho zava-dehibe izany fiombonana izany. Mbola mitohy ny asa satria tsy mbola tonga amin’ny endrika takiana amin’izany ny kianja, ankoatr’izay koa dia mbola tsangambato fitaizam-pinoana  sy asa sosialy ijoroan’ny Komity ho vavolombelona. Koa fisaorana hatrany no hatolotra ho an’ireo efa mitazona ny fanolorana ny rakitra amin’ny Alahady faharoa ny Vola Aogositra ho an’ny KFTM sy hanentanana ireo mbola tsy nanao izany koa anefa izany.

Ny Rakitra ho an’ny Komity, izay azo aterina ao amin’ny Foibe FJKM  varavarana 503 rihana faha 5 na ny Kaonty BFV 00005 21000347795 25. Ampio ny ASA HIJOROAN’NY KOMITY amin’ny FINOANA ry Havana, fa isika rehetra FJKM tafajoro tao anaty tantaran’ny MARITIORA avokoa.

Ny fiombonantsika no ho VONINAHITR’ANDRIAMANITRA.

“Fa ny olona izay mahalala an’Andriamanitra kosa dia hifikitra amin’izany ka hankato Azy.”Dan11:32b

 

RAKITRA

FIANGONANA/FJKM RAKITRA/2022
Fanomezana avy @ Mr RAMAROSON 10.000
Fikambanan’ny zanaka Ampielezana FJKM Andratrehana 28.000
Fampihavanana Bejofo 40.100
Ambohimandroso Alaotra Chrome 30.300
Vohidiala Finoana 10.000
Tsarasaotra   3.500
Ambalalehibe 1.500
Betafo Fanavaozana 50.000A
Andohatapenaka Fifankatiavana 39.800
Kristy Fanantenana Antohomadinika 22.000
Ambalavao Isotry 75.800
Fiakarana Fiderana Ambohitrimanjaka 45.300
Ambohimena Fahasoavana 51.800
Ambatomena 135.200
Anosizato Hebrona 149.700
Ambohijafy Fanantenana 40.000 00
Ivandry Firaisana chq BOA 00000652 200.000
Fanomezana avy amin’ny Mr Ramaroson 10.000
Manarintsoa Finoana 128.500
Isoavimasoandro 100.000 .00
Fiadanana Maritiora 112.800
Rasalama Ambohipotsy 420.000
Ambohijanaka Gara Fitiavana 129.600
Malaza Gileada 278 900
Ifarihy Famonjena 30.000
Ambodiafontsy Maritiora 123.400
Mahitsy Fehizoro Alasora 5.000
Ambatoroka Finoana 119.900
Betafo Vavolombelona 50.000
Ankazonorina Ambohibato 85.400
Ziona Fanantenana Ambohitsinanana 17.800
Mandroseza 46.000
Tranovato Faravohitra 405.700
Ambohimiandro 150.000
Imeritsiatosika Ziona Fanantenana 183.700

Ampangabe Famonjena 40.400
Ambohibololona 14.000
Andravoahangy Fivavahana chqBOA09827716 1.083.300
Avaratsena Fanantenana 75.000
Antanandrano Fitahiana 14.300
Faravohitra Avaratra 114.700
Tranovato Ambatonkanga 100.000
Anjanahary Maritiora 120.000
Betela Vaovao Maintirano 66.900
Tanambao Zoara Finoana 45.900
Beravina Fahasoavana 36.900
Sanganoro Fahazavana 24.300
Zoara Ankirihiry 95.700
Ambohimanarinasoa 5.400
Andohariana Fanantenana 12.000

 

Ny  Filohan’ny FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA,

ny Sekretera  Jeneraly, ary

ny  KFTM FOIBE dia

misaotra eram-po sy eran-tsaina antsika rehetra amin’ny asa iombonantsika . 

Ho aminareo ny fiadanana 

………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………

Zoma 04 Aogositra 2023


Filemona 4-7


Ny olona mijoro amin’ny finoana


1-Tsara laza amin’ny finoana an’i Jesoa Tompo.
« Reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao hoan’i Jesoa » (and4).

Niharihary teo amin’ny mpiara-manompo sy ireo mpiara-monina ny hafanam-po tao amin’ i Filemona sy ny firedaredan’ny finoany an’i Jesoa. Ny nataon’i Paoly dia ny nampiako izany laza tsara izany hitamberina amin’ny Filemona. Jesoa ihany koa dia sahy nanontany ny mpianatra hoe : Ataon ‘ny olona ho iza moa ny Zanak ‘olona ? » (Mat 16,13). Tamin’izany dia samy nilaza ny maha – izy ny hafa na i Jesoa na i Petera.Maneho laza tsara. Ambarao amin’ny namanao ny mampiavaka azy.
2-Mitondra fahazotoana

« Mba hiasa mafy hoan’i Kristy ny fiombonana avy amin’ny finoana » (and 6).
Akony tsara eo amin’ny mpiara manompo ny fijoroana amin’ny finoana. Mahatonga azy ireo hazoto, tsy hitarain-tana- miempaka, tsy hitandro hasasarana satria misy alain-tahaka. « Ny soa fianatra » hoy ny fitenenana.
3-Mitondra fifaliana

« Fa manana fifaliana sy fiononana anmin’ny fitiavanao aho » (and.7).
Fifaliana ho an’i Paoly ary fifaliana ho an’ny mpiara-manompo ny mahita ny mpino namany izay mijoro amin’ny finoana.
Mahatonga ny hafa hitraka sy ho velom-panantenana lalandava ary hiorina amin ‘ny finoana izany.Mahatonga ireo mandalo fotoan-tsarotra hiatrika am-pahavononana ny hazo fijaliany. Misy tokoa ireo mpino izay tonga fitaovana mahomby eo am-pelatanan’ny Tompo hanatanteraka ilay hafatra hoe: « Koa hatanjaho ny tanana miraviavy sy ny lohalika malemy » (leb 12,12).

Fanontaniana
Lazao izay fantatrao momba an iFilemona.

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 03 Aogositra 2023

2 TANTARA 32.1-8

Ny olon’ny finoana


« Ary nony hitan’i Hezekia fa tonga Sankeriba ka nikasa hamely an’i Jerosalena..  » (and 2): Eto dia fiatrehana ny fahirano sy hikasa haka ny tanàna no loza mitatao atrehan’i Hezekia sy ny Israely, Kanefa dia lavitra azy ireo ny hiraviravy tànana sy ny tahotra aman-tebiteby.
2-Maneho firaisan-kina
« Miara-nihevitra tamin ‘ny mpanapaka sy ny lehilahy nahery izy.ary nanampy azy ireo » (and 3). Tsy miasa irery ny mpino miatrika olana fa mizara andraikitra, miara-mihevitra handresena ny fahavalo iombonana. Jesoa aza tsy nandeha irery ta nisy mpianatra sy mpiara-dia niaraka aminy rehefa miatrika ny fitoriana lzy. (Jereo Lio 8, 1-3)
3-Mifampahery
« Mahereza ka matanjaha, aza matahotra na mivadi-po » (and 7). Ny teny hoe mahereza dia avy amin’ny teny hoe: “hery« . Izany dia azo adika hoe mamaly tsara, hentitra tsara, vonona tsara, miatrika tsara…Ny olona mahery àry dia matanjaka, sahy, tsy mihemotra. Ny Fanahin’ny Tompo no mampahery ka ananantsika fahatokiana mandrakariva.
4-Miankina feno amin’Andriamanitra
« Fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika » (and 8). Tena fianteherana feno amin’ny herin’Andriamanitra no asehon’i Hezekia eto. Na ny anaran’i Hezekia aza dia midika hoe: “Andriamanitra no mampahery ». Tsy tao amin’i Hezekia ny hiantehitra amin’ny hery hafa na hiankina amin’ny fahaizany sy ny traikefany ary dia tsara fialofana izy ireo.
Fanontaniana
Inona no fanalahidin’ny fahombiazan’i Hezekia ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Mofo / Aogositra 2023

MIJOROA AMIN’NY FINOANA

DATYTENY HOVAKIANA
01Rom 11.13-21
021 Petera 4.1-6
032 Tantara 32.1-8
04Filemona 4-7
05Genesisy 39.7-10
061 Samoela 17.31-37
071 Samoela 17.45-51
08Hebreo 10.35-39
09Habakoka 2.1-4
102 Mpanjaka 6.14-20
11Jaona 16.25-33
121 Mpanjaka 17.1-16
132 Korintiana 1.8-11
14Jaona 12.23-33
15Jeremia 30.8-11
16Mpitsara 16.22-31
17Eksodosy 1.15-21
182 Petera 3.17-18
19Ohabolana 3.21-26
20Eksodosy 17.8-16
21Lioka 12.1-7
22Apokalypsy 2.18-19
23Marka 6.25-34
24Apokalypsy 3.7-13
251 Tesaloniana 3.1-5
26Romana 4.13-25
272 Mpanjaka 18.1-8
28Titosy 1.10-16
29Romana 4.13-25
30Matio 9.20-22
31Apokalypsy 12.10-12

Fihaonambem-paritra STK

Ireo tsara ho fantatra amin’izao ankatoky ny Fihaonambem-paritra an’ny Sampana Tanora Kristiana izao.

Laharana afaka antsoina.

Daty : 02 – 04 aogositra 2023

Tsiroanomandidy : 033 14 417 84 / 034 14 417 84 (Atoa Anjara)
Foulpointe : 034 96 922 82 (Atoa Maminirina)
Ihosy : 034 47 524 17 / 034 91 613 08 (Rtoa Liva, Filoha STK Ihosy)
Mahajanga : 034 44 689 22 (Atoa Dimbiarimanana)

Daty: 23-25 aogositra 2023

Ambatolampy : 034 99 648 98 (Past. Robert)
Ambilobe: 034 44 025 57 (Past. Ravelojaona)

Vola

Hofan-trano: 1.500 Ar / olona / isan’andro
Boky fiofanana: 3.000 Ar
Badge: 2.000 Ar

Fitaovana

Baiboly sy fihirana
Tsihy
Lamba firakotra
Fitaovam-pihinanana sy fahandroana.

Alarobia 02 Aogositra 2023

I Petera 4:1-6

Ny olona mijoro amin’ny finoana

1-Mandresy ny fahotana

« Fa Izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota » (and 1). Fianarana ho antsika i Kristy izay niaritra tamin’ny nofo. Tsy nandaitra taminy ny fakam-panahy avy amin’i satana. Ny fiaretana manoloana ny filàn’ny nofo araka izany dia fahafahana tanteraka amin’izany ota izany.

2-Mahay mandamina tsara ny fandaharam-potoanany

« Mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filàn’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’ Andriamanitra » (and2). Ny fahafahana amin’ny ota dia sady mitsitsy fotoana no ahafahana mifantoka amin’izay tena maika sy zava-dehibe ary izay mahasoa.

3-Mandeha araka ny Sitrapon’Andriamanitra

« …Fa araka ny Sitrapon’Andriamanitra » (and2b). Miara-dalana ny fiaretana amin’ny nofo sy ny fandehanana araka ny Sitrapon’ny Tompo. Zava-poana ihany ny fiaretana ivelan’ny fanarahana ny Sitrapon Andriamanitra. Ilay zanaka adala mba nijaly sy niafy ihany saingy noho ny fandavany ny fiadanana tao amin’ny rainy no fototr’izany.

4-Miala amin’ny fanaon’ny Jentilisa

Ny mpino mijoro amin’ny finoana dia afaka amin’ny fijejojejoana, fanirian-dratsy, fimamoana, filalaovan-dratsy, fisotroan-toaka, fanopoan-sampy (and 3). Olona afaka ny kristiana ka tsy voafatopatotry ny fanaon’izao tontolo izao intsony. Efa olom-baovao, efa lasa ny zavatra taloha. Aoka ary hofehezina ny fanirian-dratsy sy ny sisa. Aoka hiantehitra amin’ny Tompo irery ihany.

Fanontaniana

Inona avy no mampiavaka ny olona tena mijoro amin’ny finoana marina?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 01 Aogositra 2023

MIJOROA AMIN’NY FINOANA

Romana 11: 13-21

Ny fifandraisana amin’ny Tompontsika

1- Ananany fahefana feno ny hitohizany na tsia.

« Marina ihany izany, ny tsy finoany no nanapahana azy… » (and 20a). Rehefa niala nenina tamin’ireo Jiosy sasany i Paoly ka niziriziry tsy hanaiky ny Filazantsara izy ireo, dia niantefa ho any amin’ny Jentilisa indray ny fitoriana Vaovao Mahafaly. I Paoly izay Apostolin’ny Jentilisa dia nanambara fa « notapahina ny sampana sasany » (and 16). Araka izany dia tafasaraka amin’ny tena foto-boaloboka ireo Jiosy sasany ireo. Hazavain’i Paoly fa ny tsy finoany no nanapahana azy (and 20). Araka izany, na iza na iza milaza azy ho vahoakan’Andriamanitra, na iza na iza misora-tena ho Kristiana kanefa miala na tsy manaiky ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo dia tapahin’ny Tompo ny fifandraisana aminy, toy ny sampana tafasaraka aman-taho

2- Miroborobo amin’ny alalan’ny finoana

Nampitandrina i Paoly hoe: « Aza mirehareha amin’ny sampany, fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao » (and 18). Jesoa Kristy Tompo no toy ny foto-boaloboka. Izy no mahatonga ny mpino hiaina sy ho velona. Ny finoana Azy no antoka hahatonga antsika ho tafatoetra. Izany no mahatonga an’i Paoly hiteny hoe: Ianao izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina fandrao ho lavo » (IKor 10, 12). Tano mafy ary ny finoana, miorena tsara, aza miova. Aza atao ambanin-javatra ny vavaka, ny fandalinana Soratra Masina sy ny fiainana izany isanandro isanandro.

Fanontaniana:

Zava-dehibe ny fikolokoloana ny finoana, nahoana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM