Alakamisy 31 Aogositra 2023

Apokalypsy 12:10-12

10 Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’Andriamanitsika, ary ny fahefan’ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika. Dia ilay miampanga azy eo anatrehan’Andriamanitsika andro aman’alina. 11 Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny filazana Azy, ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty aza. 12 Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.

Ny antoky ny fandresen’ny mpino Kristiana ny fahavalony

1-Ny Ran’ny Zanak’ondry

Ady mandrakariva amin’ilay fahavalo no hatrehan’ny mpino, dia ny ady amin’i Satana izany. Lazain’ny Tenin’Andriamanitra fa mpiampanaga ny rahalahintsika eo anatrehan’Andriamanitra andro aman’alina io fahavalo io (and.10). Miatrika adim-panahy ny mpino noho ny faka-panahy izay ataon’ilay ratsy. Mitaona ny mpino hanota sy tsy hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra mandrakariva izy. Tonga mpanota ny olombelona, fa nodioviny tamin’ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema dia i Jesoa Kristy. Drafi-pamonjena tsy takatry ny saina no nataon’Andriamanitra ka ny fanekena ny hodiovin’i Jesoa amin’ny rany no antoky ny fandresentsika ny fahavalo. Maneke hodioviny ary fa sarobidy ny rà nalatsany tao Kalvary

2-Ny Tenin’Andriamanitra

Ny fahavalo dia mitaona ny mpino mandrakariva mba tsy hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra. Voalaza eto anefa fa izy ireo (ny mpino) no naharesy azy noho ny amin’ny…teny filazana Azy (and.11). Ny teny filazana ny amin’i Jesoa dia tsy inona fa ny Filazantsara na ny Vaovao Mahafaly. Ny fahalalantsika sy ny fankatoavantsika ny Tenin’Andriamanitra dia antoka lehibe ahazoantsika mandresy ny fahavalo sy hananantsika fiainana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ny Teniny ihany koa dia mampirisika antsika mba hiambina satria « loza ho an’ny tany sy ny ranomasina fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe » (and.12). Raiso ny Tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy, ho sakafom-panahy hitomboana amin’ny finoana ka hahatonga hery sy handresy ny ady amin’ny fahavalo.

Fanontaniana:

Ahoana no ataonao mba handresenao ny fahavalo?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 30 Aogositra 2023


Matio 9. 20-22


Ny herin’ny finoana ao anatin’ny olona


1-Mahatonga azy hahalala ny herin’i Jesoa
Teo an-dàlana hanasitrana ny zanakavavin’i Jairo i Jesoa no nitranga izao tantara 1zao. Vehivavy narary nandritra ny 12 taona, niaritra zavatra be tamin ‘ny mpanao fanafody, nandany ny fananany rehetra, voahilikilika teo amin’ny fiaraha-monina satria nahantra. Tao anatin’ny farmoizam-po tanteraka izy no nanatona an’i Jesoa noho ny finoana izay tao aminy; araka ny tenin’i Jesoa : ny finoảnao » no nahatonga azy hahalala ny herin’i Jesoa mpanasitrana, ary nananany ny fahasahiana hiteny anakampo hoe : « na dia ny lambany ihany aza no voatendriko dia ho sitrana aho’« . Finoana tahaka izany no nananan’ity vehivavy ity ka nahatonga azy tsy nisalasala ny amin’ny herin’i Jesoa. Taomin’ Andriamanitra ihany koa isika hanana finoana mahery mba hahalalantsika ny amin’i Jesoa Zanany.
2-Mahatonga azy ho voavonjy sy ho sitrana
« Matokia ry zanako vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao » (and 22). llay « sitrana » eto dia azo adika ihany koa hoe : « voavonjy« . Miaraka anefa izy roa ireto satria sady sitrana ara-batana ravehivavy no voavonjy ihany koa ka tonga zanak’Andriamanitra noho ny finoana an’i Jesoa. Ny herin’ny finoana izay
miasa tokoa no hahazoana fanasitranana sy famonjena ny fanahy. Jesoa irery ihany no manana fahefana hamela heloka ka hahatonga ny olona ho voavonjy, ary tsy ny ara-panahy ihany no sitraniny, fa ny ara-nofo ihany koa. Angataho mandrakariva ny Fanahy Masina mba hampitombo ny herin’ny finoanao ka hahatonga anao ho sitrana sy voavonjy. Mitondra inona ho anao ny herin ‘ny finoana an’i Jesoa
zanak ‘Andriamanitra?


Fanontaniana :

Mitondra inona ho anao ny herin’ny finoana an’i Jesoa Zanak’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 29 Aogositra 2023

ROMANA 1.8-17

Ny fifalian’ny mpanompon’Andriamanitra

1-Ny lazan’ny finoan’ny hafa

Misaotra an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy i Paoly raha manoratra ho an’ny mpino Romana noho ny lazan’ny finoana (and 8) ,niteraka fifaliana fifaliana ho azy izany .Mahatonga ny mpanompon’Andriamanitra hisaotra Azy ny nandrenesany ny finoan’ireto farany .Eo amin’ny fiaraha-monina dia zava-dehibe tokoa ny fankasitrahana ny tsara izay vitan’ny olona hahatonga azy hanao mihoatra noho izay vita , ary mahatonga fifandraisana tsara eo amin’ny samy mpanompo .Toy izany no nataon’i Paoly ho an’ireo Romana.Mendrika hankasitrahana ny kristiana izay malaza amin’ny finoana marina mba ho fiarahan’ny hafa koa.

2-Ny mivavaka ho an’ny hafa

Tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho ka mandrakariva raha mivavaka aho .Maniry dia maniry ho any Rima i Paoly raha manoratra , fa mangataka izy tao amin’ny vavaka ataony mba hisy fotoana hahafahany (and10). Ny fifalian’ny mpanompon’Andriamanitra dia ny mivavaka ho an’ny hafa fa tsy an’ny tenany ihany .Manao ho zava-dehibe ny hafa izy araka ilay tenin’i Jesoa hoe: « Tiava ny namanao » hoe: « Tiava ny namanao ». Ento am-bavaka ny hafa mba hiorina tsara amin’ny finoana an’i Jesoa.

3-Ny hitory vaovao mahafaly ho an’ny hafa

Paoly dia mahatsiaro fa ananan’ny hafa trosa fa hoy izy : « ananan’ny Grika sy ny firenena hafa rehetra ,ny hendry sy ny tsy hendry trosa aho« (and14) .Izany no nahatonga azy hitory Filazantsara any Roma koa.

Fanontaniana:

Inona no adidy tokony raisin’ny kristiana mba hahatanteraka ny fifaliany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 28 Aogositra 2023

Titosy 1,10-16

10 Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa avy amin’ny voafora

11 tsy maintsy hotampenam-bava ireo izay mampivadika ny mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto.

12 Hoy ny anankiray amin’ireny, izay mpaminany teo aminy: ‘Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda.’

13 Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin’ny finoana,

14 tsy mitandrina ny anganonganon’ny Jiosy sy ny didin’ny olona izay mivily miala amin’ny fahamarinana.

15 Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin’ny olona madio; fa raha amin’ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.

16 Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.

Tomoera tsara amin’ny finoana

1-Satria niely ny fampianaran-diso

Raha notanisan’i Paoly ny tokony toetran’ny Mpitandrina eo amin’ny and.5-9, dia teny hentitra kosa no nataony raha milaza ny amin’ny fampianaran-diso. Sokajiany ho mpitaria foana, mpamitaka ireo mpanao izany. Tsy sarahin’i Paoly amin’ny fampianarana ataony ny fitondran-tena sy fomba fiainana. Ireo mpivoy fampianaran-diso anefa dia ratsy fitondran-tena, ary mikendry mandrakariva ny hahazoany tombontsoa manokana, izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra hoe harena maloto, izay mifanohitra tanteraka amin’ny fampianarana marina. Isika izay efa nandray an’i Jesoa Kristy, ilay iorenan’ny finoantsika dia asain’ny Tenin’Andriamanitra hiambina fa maro ny fampianaran-diso izay miely amin’izao vanim-potoana iainantsika izao. Tomoera tsara amin’ny finoana.

2-Satria maro ny miseho ho mahalala an’Andriamanitra nefa mandà Azy

Ireo izay mpivoy ny fampianaran-diso dia sokajian’i Paoly ho olona mahalala an’Andriamanitra nefa mandà Azy (and.16). Faritan’i Paoly ho olona vetaveta, mpanimbazaimba, miseho mahalala Azy amin’ny fisehony ampahibemaso ho mpino, kanefa tsy manjàka ao ampo Izy. Raha tsy mitoetra amin’ny finoana marina isika dia toy ireo olona izay miseho ho mahalala an’Andriamanitra fotsiny nefa mandà amin’ny asany. Tsy tena miaina amin’ny Teniny. Manao ny fanompoana ho toy ny fombafomba fotsiny ka lasa mihebohebo sy mirehareha. Tomoera tsara amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy mba tsy finoana antendromolotra sanatria fa finoana marina arahina asa tsara.

Fanontaniana:

Inona no tokony hataon’ny Kristiana manoloana ny fampianaran-diso miely eto amin’ny firenentsika?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Hafatra/AKAFITA 2023

Fandaharana iombonana

Alahady 27 Aogositra 9


− Fidirana : feon-java-maneno
− Fiarahabana apostolika
− Fiderana : Salamo. 20 : 6 – 9
− Hira .788:1,3,4
− Vavaka fisaorana
− Sitrapon’ Andriamanitra
− Hira . 489:1,4
− Vavaka fifonana
− Hira fanampiny.46 :1, 3
− Teny famelen-keloka
− Hira: 430:1,4
− Fanekem-pinoana APOSTOLIKA
− Hiran’ny Antoko mpihira (na feon-java-maneno)
− Raharaham-piangonana
− Famakiana HAFATRA Akafita
− Rakitra (HIran’ny Antoko Mpihira na – 788)
− Fanolorana Rakitra : HIra. 440:1,3
− Hira mialoha Soratra Masina HF 3 : 2
− Anjara fotoana ho an’ny tanora sy ny ankizy
− Vavaka mialoha ny famakiana Soratra Masina
− Famakiana Soratra Masina
 2 Mpanjaka.18:1-8
 Matio.9:20-22
 Titosy.1:10-16
− Hira mialoha toriteny . 638:1,3
− Toriteny
− HIran’ny Antoko Mpihira (na feon-java-maneno)
− Vavaka fangatahana + Rainay Izay any andanitra …
− Hira fanampiny.24:1,2
− Tsodrano :
Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny

HAFATRA ALAHADIN’NY AKAFITA
(Akany Fialofana TANGAINA)


Ry havana, ho aminareo anie ny fiadanan’ny Tompo !
Fifaliana ho anay filakevim-pitondrana sy ireo mpiara-miasa rehetra ato amin’ny Akany Fialofana Tangaina (AKAFITA) ny miarahaba antsika rehetra mahatratra ity alahady 27 aogositra 2023 ity.
Amin’ity taona 2023 ity no feno dimy taona (2018 – 2023) ny naha teo am-pelatanan’ny FJKM ity Akany ity, raha efa 65 taona (1958 – 2023)kosa no niorenany. Akany natsangantsika hitaizana ireo zaza kamboty
avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Hankalaza an’Andriamanitra noho izany tsingerin-taona izany isika.
Ankehitriny dia miisa 30 ireo zaza kamboty beazintsika eny Tangaina, izay sahanina amin’ny lafiny feno; ara-nofo, afa-tsaina ary ara-panahy,ary tsy miala ao raha tsy efa manana ny maha izy azy na manantokantrano. Hatreto dia tsara ny vokatry ny fianaran’ny ankizy. Nahitana fahombiazana ny fanadinana ara-panjakana. Voataiza ara-panahy avokoa ny ankizy rehetra. Vita batisa izy 30 mianadahy. Efa mpandray ny fanasan’ny Tompo ireo feno taona. Ary samy ao anaty sampana ao amin’ny Fiangonana avokoa izy rehetra. Hatreto dia mivelona amin’ny fanampiana avy amin’ny tsara sitrapo sy ireo Fiangonana efa mpanohana hatrizay ny Akany. Efa miezaka mamelo-tena isika ankehitriny, na dia mbola tsy maharaka aza. Efa misy ny tsenam-boninkazo eny Tangaina, manao asa-tanana hamidy amin’ireo vahiny sendra mandalo ny ankizy, ary ifotorantsika ny fiompiana akoho gasy. Amin’izao faha 05 taona ny Akany izao dia tanjontsika ny hanangana loharanom-bola maharitra.
Hiara-mahalala ny fahasahiranana hianan’ny tokantrano maro ankehitriny, misedra izany koa isika amin’ny fanabeazana ireo ankizy eny Tangaina, kanefa Tompon’ny zavatra rehetra ny Andriamanitsika koa dia
matoky ny fitantanany isika. Etoana dia maneho fisaorana anareo Fiangonana sy Sampana ary fikambanana miankina na tsia amin’ny Fiangonana izahay, noho ireo rakitra sy fanomezana samy hafa natolotrareo. Ireny no nentinay nampiodinana ny Akany, ka toa nifampitantana taminay mihitsy ianareo tamin’izany. Ampaherezina hatrany ianareo Synodamparitany rehetra mba hanangana Akany fitaizana zaza kamboty toa itony, satria tsapanay fa betsaka ireo ankizy kamboty tsy manana mpiahy tokony hojeren’ny Fiangonana.

Eto am-pamaranana dia mampahatsiahy izahay fa ny rakitra amin’ity alahady 27 aogositra 2023 ity dia arotsaka aty amin’ny AKANY FIALOFANA TANGAINA lot BM4 Atsimombohitra Ampitatafika, na amin’ny compte bancaire etsy ambany na ao amin’ny Aumonerie FoibeFJKM (varavarana 202).

« Ary ny zanany hahazo fialofana » (Ohab.14:26b).


Ny Filohan’ny filankevimpitondrana

ANDRIANAINA ERIC,Mpitandrina


Ny Talen’ny AKANY
Rtoa RANDRIANAIVOARIVELO Beby Hasina
Akany Fialofana Tangaina (AKAFITA)
BP 623 Tana Ville Mscar
KAONTY BOA – 11001110295
Fifandraisana : 0349906002 (tale)

Sabotsy 26 Aogositra 2023

ROMANA 4.13-25

Mijoroa amin’ny finoana

1-Mba hohamarinina amin’ny finoana fa tsy amin’ny lalàna

Ambaran’i Paoly amin’izao Soratra Masina izao fa nandray ary nino ny teny fikasana nomena azy Abrahama tany aloha (Gen 15). Niorina tamin’ny fahamarinany izay avy amin’ny finoana ny Teny fikasana ,fa tsy avy amin’ny fitandremana ny lalàna (and 13), satria tsy misy olona voavonjy mihitsy raha avy amin’ny fankatoavana an-tsakany sy an-davany ny lalàna no hahazoana famonjena sy fahamarinana ary fanamarinana ; satria tsy misy olona mankato izany tanteraka. Ao amin’ny fahamarinan’ny finoana ihany no iorenan’ny teny fikasana .Ny lalàna dia fampahafantarana ny fahotana sy ny tsiny ary ny sazy, fa tsy manolotra fanavotana.

2-Mba hohamarinina amin’ny finoana irery ihany

Ny fanazavan’i Paoly eto dia manaporofo fa tsy tamin’ny asa na amin’ny fombafomba na amin’ny fitandremana ny lalàna no hanamarinana an’i Abrahama fa amin’ny finoana (and16a) .Natao ho antsika rehetra izay mijoro amin’ny finoana koa izany , satria Izy dia Rain’ny mino. Amin’ny alalan’ny finoana dia zanak’i Abrahama Rain’ny finoana isika izay mino (and16b, 17a).Hohamarinin’Andriamanitra isika raha toa ka mino Azy izay nanolotra an’i Jesoa Kristy noho ny fahotantsika ary nanangana Azy ho amin’ny fiainana . Koa aoreno ao am-pontsika ny hijoro ho vavolombelon’i Jesoa amin’izay atao ka hiteny eo anatrehan’ny hafa toy izay nataon’i Paoly hoe: « fantatro izay inoako » .

Fanontaniana:

Moa mba fantatrao tsara ve izay inoanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM