Alarobia 09 Aogositra 2023

Habakoka 2, 1-4

Ny Tompo Andriamanitsika

1-Mendrika hitarainana

« Hijoro eo ambonin ‘ny manda aho, hiandry hahitako izay holazainy amiko » (and lb). Efa hatrany amin’ny toko voalohany velon-taraina tamin ‘ny Tompo i Habakoka mpaminany. Eo anatrehan ‘ny fanjakazakana izay nafitsoky ny Jentilisa, manoloana ireo fampahoriana ataony, noho ny loza mihatra amin’ny vahoakan’Andriamanitra dia tsy nisalasala nitaraina tamin’ny Tompo i Habakoka. Tsy niresaka tamin’ny sampy tahaka nv fanaon’ny Jentilisa izy fa avy hatrany dia ny Tompo mivantana no nangatahany fanazavana. Azontsika atao ny mitaraina mivantana amin’ny Tompo amin’ny alalan ‘ny vavaka atao aminy.

2- Mitaky faharetana

« Andraso ihany, fa ho avy tokoa izy… » (and 3d). Efa maika amin’ny fahazoana valinteny avy amin’ny Tompo i Habakoka. Efa dodona te- hahita ny Jentilisa iharan’ny famaizana avy amin’ny Tompo. Teo anatrehan’izany indrindra dia nampanantena ny Tompo hoe: « Andraso ihany, fa ho avy tokoa izy« . Tsy anjarantsika no mamaritra na marmetra mialoha izay fotoan’ny Tompo fa lzy no mahalala ny fotoana nety sy izay mahasoa antsika.

3-Manome valim-bavaka

« Fa ny marina ho velon ‘ny finoany » (and 4d). Fanantenana lehibe eo amin’ny mpino ny fahafantarana fa na eo aza ny loza samihafa izay mitatao ombieny ombieny dia tsy handaitra amin’ny mpino ny faharavana na faharesena sanatria. Vao mainka tonga fitaovana mampahery sy mampitraka ary mamelombelona ny finoana aza ireny.

Fanontaniana :

Inona avy no tokony hataontsika rehefa miatrika olana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 08 Aogositra 2023

HEBREO 10.35-39

Mirosoa amin’ny lalina …ary

1-Manàna fahasahiana

« Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe » (and35) .Isan’ny fahasahiana ambara eto ny fahasahiana miteny , fialana amin’ny fisalasalana sy ny fanahiana fa mitafy fahavononana.Mitaky fahasahiana ny fijoroana amin’ny finoana .Ireo maritiora dia sahy nijoro tamin’ny finoany na dia haningotra ny ainy aza .

2-Manàna faharetana

« Fa tokony hanana faharetana ianareo  » (and36) .Tsy ampy ny hetsika ao anatin’ny fotoana voafetra fa tsy maintsy tohizana hatrany .Ao anatin’ny faharetana no hahatakarana tsara sy mampahazavan ireo teny fampanantenana izay nomen’ny Tompontsika .Mila manana lazonady isika .

3- Hajao hatrany ny sitrapon’Andriamanitra

« Rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra ... » (and36b).Tsy izay rehetra sahy sy miaritra akory dia azaina hoe: « mijoro amin’ny finoana » .Zava-poana ihany izany raha ivelan’ny fanajana ny sitrpon’Andriamanitra.

3-Aoka hiaina amin’ny finoana

« Ary ny oloko dia ho velon’ny finoana » (and38a). Toy ny trondro izay tsy afaka hiaina tsara raha tsy eo ny rano,toy ny tsy ahafahan’ny olona miaina raha tsy misy rivotra dia toy izany koany mpino kristiana ,tsy afaka miaina amin’ny maha-mpino azy raha tsy eo ny finoana an’i Jesoa velona .

5-Aza matahotra

« fa raha mihemotra izy du=iatsy sitraky ny fanahiko » (and38b) .Tsy naman’izay mihemotra isika.Tsy maintsy miroso hatrany manatanterakaaaaaa ny hazakazaka masina.

Fanontaniana:

Inona no mampiavaka ny olona mijoro amin’ny finoana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 07 Aogositra 2023

1 SAMOELA 17.45-51

Ny olona mijoro amin’ny finoana

1-Manana fomba miavaka

« Ianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy fa izaho manatona anao amin’ny Anaran’i Jehovah Tompon’ny maro« (and45). Ny fiankinana tanteraka amin’ny Anaran’ny Tompo no mampiavaka ny tena mpanompony marina. Aoka isika tsy hiankina amin-javatra hafa fa maha-saropiaro ny Tompontsika izany . Tandremo ny miantehitra amin-javatra hita maso, na fahefana, na fitaovana, na vola aman-karena sanatria. Isika dia miankina amin’ny herin’Andriamanitra , amin’ny vavaka, amin’ny finoana.

2-Manana Andriamanitra miavaka

« mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Israely » (and 46d). Ny ady sarotra atrehan’i Davida mihitsy no nijoroany sy nanehoany fa manana Andriamanitra miavaka izy .Mampahatsiaro antsika ny tenin’i Jesoa hoe: « Tsy ho fahafatesana no anton’izao fa mba hampisehoana ny Voninahitr’Andriamanitra (Jao 11.4) .

3-Manana fandresena miavaka

« Ary nony hitan’ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny , dia vaky nandositra izy » (and51e) .Nihevitra ny Filistina fa ho moramora ny handresena ny Israely .Variana amin’ny hita maso araka ny fijerin’olombelona izy ireo .Ny olona mijoro amin’ny finoana dia tsy maintsy mandresy na ho ele na ho haingana . Efa nosantarin’i Jesoa io fandresena io , dia ny fandresena an’i satana sy ny forongony.Manamarika izany ny nandresena ny fasana , ny mosary,ny aretina ary ny herin’ny natiora . Mpandresy isika ao amin’ny Tompo.

Fanontaniana :

Lazao ireo mampiavaka ny olona mijoro amin’ny finoana .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 06 Aogositra 2023

1Samoela 17, 31-3 7

Rehefa miatrika ady sarotra:

1-Tsarovy izay efa nataon’ny Tompo taminao

Niatrika ady sarotra ny zanak Israely: Nihantsy azy ireo Goliata avy any Gata. Teo anatrehan’izany dia nitamberina tamin’i Davida, ary nampitainy tamin’ny Saoly hoe: « Jehovah izay namonjy ahy tamin ‘ny liona sy ny bera, lzy no hanmonjy ahy amin ‘ny tànan ‘io Filistina io  » (and 37). Ilaina àry ny mahatsiaro ny famonjena efa nataon’ny Tompo tamintsika mba hahafahana miatrika am-pinoana ireo olana samihafa izay mandalo. Hoy Jesoa: « Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa matokia, Izaho efa naharesy izao tontolo izao » (Jao l6, 33).

2- Aoka hiankina amin’ny herin’ny Tompo hatrany

« Izy no hamonjy ahy amin ‘ny tànan ‘io Filistina io » (and 37b). Raha niankina tamin’ny sandriny, ny halavany, ny heriny sy ireo fiarovany ary ny fitaovam-piadiany i Goliata; Davida kosa niankina tamin’ny herin’Andriamanitra velona. Mampanantena fandresena ho antsika Ilay efa naharesy izao tontolo izao ( Rom 8, 37)

3) Hajao ny paikan-damina

« Mandehana, ary homba anao anie Jehovah » (and 37e). Na dia maika te-handresy ny fahavalo aza i Davida dia tsy maintsy niroso lamin’ny fandrosoana lahadinika sy fandresena lahatra izy aloha. Nahazo fankatoavana izy avy eo izay vao nirotsaka an-tsehatra. Aza atao ambanin-javatra ny tenimiera sy ny rafitra, izay vao manapa- kevitra. Zava-dehibe ny fanomezana lanja ny ratitra mpiahy sy ireo ray aman-dreny izay tsy maintsy hakan-kevitra sy hieràna. Eto àry dia afaka miroso tsara i Davida satria feno ny fepetra.

Fanontaniana

Inona no mampiavaka ny fomba fiadin ‘i Davida.

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 05 Aogositra 2023

Genesisy 39, 7-10

Ny olona mijoro amin ‘ny finoana

1-Afaka mandà an-kitsirano ny fakam-panahy

Dia nandà izy ka nanao hoe … »(Gen 39.8). Vehivavy izay noheverina fa mba manana ny maha- izy azy ihany ny vadin’ i Potifara. Fanararaotam-pahefana, fitsiriritana, fikasana hijangajanga tsotra izao no nitaomany an’i Josefa. Na dia mpiasa aman ‘olona ary mbola tanora anefa i Josefa dia hentitra ny fandavany. Tsy afaka ny handika ny didin’Andriananitra ary tsy afaka handiso fanantenana an’i Potifara izy. Aoka isika hanana fahasahiana handà ny filàn- dratsy. Voasoratra hoe: « Mahonona tena, miambena, fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin ny finoana ianareo« (I Pet 5, 8-9).

2- Afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy

« Hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra ?  » Voasoratra ao amin’ny didy folo ny hoe : « Aza mangalatra, aza mijangajanga, aza mitsiriritra ny vadin ny namanao..  » (Eks 20, 14.15.17). Ny olona mangalatra vadın’ olona dia mandika ny didy maro avy hatrany. Mariky ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra ny fanaovana tsinotsinona ireo didiny sy fitsipiny. Hoy i Jesoa hoe :  » Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko » (Jao 14, 15). Zava-dratsy tokoa sy fahotana eo anatrehan’Andriamanitra ny fanekena ho lavon’ny fijangajangana. lzay lavon’izany dia sady mpihatsaravelatsihy, mpandainga, no mpangalatra, no mpijangajanga, no mpitsiriritra vadin’olona no fanetriben’ny firenena. Tsy azo itokiana fa mpanimba tokatranon’olona.

Fanontaniana:

Nahoana no mbola maro ireo lavon ‘ny fijangajangana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

SP 19/ Ambondrona Firaisana

FJKM AMBONDRONA FIRAISANA

HAZAKAZAKA FAMITANA NY FANITARAM-PIANGONANA

Maro ireo Kristiana nandray anjara tamin’ny hazakazaka nokarakarain’ny FJKM Ambondrona Firaisana teny amin’ny manodidina ny farihin’Anosy ny sabotsy 29 jolay 2023 lasa teo. Taorian’ny hiram-pirenena sy fanompoam-pivavahana fohy izay notarihin’ny Mpitandrina ao an-toerana Atoa Fety Marka ANDRIANANDRAINA. Niroso tamin’ny fandaminana sy tsara ho fantatra izy ireo. Navitrika na lahy, na vavy, na efa zokinjokiny na ny lazondazony, samy nanao izany avokoa. Hita teny ihany koa ireo manana tsy fahatomombanana ara-batana. Notolorana sitraka ireo nahazo fandresena tamin’ny isan-tsokajiny hatramin’ny laharana fahatelo. Tsiahivina fa tanjona tamin’ity hetsika ity raha ny nambaran’ny tompondraikitra ny famitana ny trano fiangonana ao amin’ny FJKM Ambondrona Firaisana. Taorian’iny  mbola hisy ny hetsika hafa atao, hoy ny komity.

Evariste R.

MTV 978 – sahondramalala@gmail.com – Gmail

Fanirahana Mpiasa 2023


FAMOAHANA SY FANIRAHANA MPIASA VAOVAO

Fa voasoratra hoe : « Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny
marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin’ny finoana sy ny
fahamarinana. » (1 T
imoty 2:7)

Tonga maro nifanotrona teny amin’ny kianja maitso Antsahamanitra ny mpino kristiana,
tamin’ny tolakandron’ny Alahady 30 Jolay 2023, namonjy ilay fotoam-pivavahana miavaka,
famoahana araka ny fombam-piangonana, sady fotoana fanirahana ireo mpiasa vaovao miisa 202,
ahitana Mpitandrina FJKM miisa 140 sy Mpampianatra FJKM, miisa 62. Marihina fa andiany
misalotra ny anarana : “Iraka Fanasina” izy ireo.
Nitarika izany fotoan-dehibe notronin’ny rehetra izany, ny Biraon’ny MF (Mpiandraikitra
Foibe), Atoa RAKOTOBE RAJAOMANJATO Dodaherisoa, Mpitandrina. Nitondra ny
hafatr’Andriamanitra, sy nitarika ny fanatanterahana ny asa vavolombelona, ny Filoha FJKM, Dr
IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina. Izay nanambara tamin’ny toriteniny, ireo hevi-
dehibe telo tamin’ny toriteniny : 1/ Mijoroa ho mahatoky. 2/ Mitoria sy mampianara. 3/ Mivavaha
mandrakariva.
Marihina fa nirahina manerana ny sahan’ny FJKM izy ireo, ho vavolombelon’i Jesoa Kristy

.
MAMY NIRINA

Hafatry ny Filoha / Aog 2023

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA!


Fa tena misy olo-maro
Eto an-tanindrazantsika
Izay resy lahatra hijoro,
tena vonton’ny finoana,
tena mino, tena mino,
mino fa tsy mody mino!
Ka isika rehetra ireny,
tsy mifidy fiangonana,
tsy mifidy fiaviana,
tsy mifidy salan-taona,
tsy misy fari-piainana,
no andao hiara-miasa
n’aiza n’aiza misy antsika.
Tokana ny tarigetra
Ilofosantsika rehetra:
i Madagasikarantsika
tsy havelantsika ho resy
ao anaty faharatsiana
ka hataon’ilay satana
taingim-bozona eny foana,
fa noh’ny ran’i Kristy
sy ny herim-pamonjeny
dia andeha hotaomintsika
ny Malagasy rehetrarehetra
ho tonga zanak’Andriamanitra!
Fa ho antsika Malagasy
Mihitsy koa ny famonjena!
Mino izany ve ianao?


VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA!


IRAKO AMMI