Fantaro ny tantara

TELO TONTA
Tamin’ny taona 1818 no tonga teto Madagasikara ny misionera avy amin’ny London Missionary Society na ny LMS avy any Wales. Tany Ivondro Toamasina no nidiran’izy ireo tamin’izany. Izany no mahatonga ny anaran’ny Synodamparitany Toamasina Vavahadin’ny Filazantsara. Nampianatra ny Soratra Masina tamin’ny Malagasy ireo misionera izay niezaka nanoratra izany amin’ny teny malagasy. Izany no nahatonga antsika hanana ny Baiboly voasoratra amin’ny malagasy hatramin’izao. Ny taona 1962, izany roa taona taorian’ny nahazoana ny fahaleovantena, lasa Fiangonan’i Kristy eto Madagasikara ny LMS.

Tamin’ny taona 1867 indray kosa no tonga teto amintsika ny Friends Foreign Missionary Association na ny FFMA iraky ny Fiangonana Frenjy avy any ivelany. Naka toerana tsikelikely teto Madagasikara ny FFMA nitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nanana ny maha-izy azy ny FFMA ary maro tokoa ireo Malagasy nanaraka azy. Lasa FFM na Fiangonana Frenjy eto Madagasikara ny FFMA tamin’ny taona 1958. Avy ao amin’ity Fiangonana ity no nitsirian’ny hevitra hananganana komity ho amin’ny firaisana.

Taona vitsivitsy taorianan’ny nahalasa zanatany frantsay an’i Madagasikara no niditra teto ny Mission Protestante Française na ny MPF. Raha avy amin’ny firenena anglisy iretsy misiona roa voalohany, avy any Frantsa indray kosa ity misiona fahatelo ity, izay nanorina sy nanangana Fiangonana maro tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly nilofosany. Niova anarana ho FPM na Fiangonana ara-Pilazantsara eto Madagasikara ny MPF ny taona 1960.

KOMITIN’NY FIRAISANA

Araka ny efa natsidika tetsy aloha, niainga tao amin’ny FFMA ny hevitra hanangana komity iraisan’ny misionera. Teraka tamin’ny taona 1958 io komity izay nomena anarana hoe Komitin’ny Firaisana satria nahitana ireo solontena avy amin’ny Fiangonana telo tonta voalaza etsy aloha. Nifanerasera tao anatin’io komity io ireo Fiangonana telo tonta nifankahalalana bebe kokoa ary indrindra nitady ny hevitra mahasoa hitambarana. Naharitra folo taona izany fifaneraserana izany vao tonga amin’ny fanapahan-kevitra iraisana hampijoroana ny FJKM na ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Tanteraka izany ny taona 1968 taorianan’ny fihaonana natao tany Toamasina.

Ireo Filoha telo mirahalahy

Titus RASENDRAHASINA Mpitandrina Filohan’ny FKM,

-Andrianaly RATAVAO Mpitandrina Filohan’ny FFM, Jean Baptiste

RALAMBOMAHAY Mpitandrina Filohan’ny FPM

izay nanao ny fanambarana ny fijoroan’ny FJKM niofon’ny fiangonana telo tonta ho lasa Fiangonana iray.

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM