Alakamisy 04 Mey 2023
MPITSARA 6.33-40
Mampandresy ny mpanompony Andriamanitra
Nanao izay ratsy teo imason’Andriamanitra ny Israelita .Vokatr’izany dia navelan’Andriamanitra hampahory azy nandritra ny fito taona ny Midiana . Rehefa nitalaho tamin’Andriamanitra izy ireo dia novonjeny indray .
1-Manafy hery Izy
Ny teny hoe : « notsindriana » dia midika hoe : « notafiana » na « norakofana« .Fomban’Andriamanitra ny mifidy sy manendry olona hanatanterahany ny famonjeny .Hitantsika izany tamin’ny niantsoany an’i Mosesy hanafaka ny Zanak’Israely tany Egypta . Eto indray dia i Gideoana no nantsoiny sy nofidiny hanehoany ny fitiavany ,ka hamonjeny ny Israelita eo an-tànan’ny Midiana . Miasa amin’ny alalan’ny Fanahiny tao amin’i Gideona Andriamanitra .Ny Fanahin’Andriamanitra izay nandrakotra azy no hery nanetsika azy ka nananany fahasahiana hitsoka anjomara sy hamory ny vatan-dehilahy rehetra avy amin’ny fokon’i Manasse sy Asera sy Zebolona ary Naftaly mba hifanandrina sy handresy ny Midiana .
2-Manome toky Izy
Amin’ny maha-olombelona an’i Gideona dia mbola nitoetra tao aminy ny tahotra sy ny ahiahy manoloana izao andraikitra lehibe nanendren’ny Tompo azy izao .Nangataka famantarana izy , mba hahalalany sy ananany toky fa momba azy tokoa Andriamanitra ka hampandresy azy amin’ny ady izay atrehany. Indroa izy no nanao izany (and 36-39). Amin’izao androntsika izao dia ataovy ampy ho antsika ny Tenin’i Jesoa hoe: » …indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’ izao tontolo izao » (Mat 28.20). Ny Fanahy Masina izay miasa no hanome famantarana sy toky fa mampandresy antsika ny Tompo .
Fanontaniana :
Azonao antoka ve fa mampandresy anao ny Tompo? Hazavao .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM