Talata 30 Mey 2023
JAONA 15.26-27
Ny Fanahy Masina araka ny tenin’i Jesoa
1-Mpananatra
Manohy ny fampianarana sy ny fananarana nataon’i Jesoa Kristy ho an’ireo mpanara-dia Azy ny Fanahy Masina, mba hitomboana amin’ny fahalalana sy hahafahany mitondra tena tsara araka ny finoana.Voalazany mihitsy moa ao amin’ny Jao.16,13 ny hoe : »fa tsy hiteny ho Azy Izy (ny Fanahy Masina io) fa izay ho reny dia holazainy avokoa , ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo ».
2-Irak’i Jesoa Kristy avy amin’Andriamanitra Ray
Hita eto ny momba ny Trinite, izay foto-pinoantsika .Maneho izao Tenin’i Jesoa izao fa tena tokana Andriamanitra, fa ho mariky ny fitohizan’ny asam-pamonjena ataony, sy mba hahafahantsika olombelona hahafantatra misimisy kokoa ny momba Azy Andriamanitra dia asehon’i Jesoa izao endrika fanirahana izao.Tsy hevitra fahasamihafana araka izany no tokony horaisintsika eto fa hevitra fitohizana , fiovan’ny endrika isehoan’Andriamanitra fa tsy fiovan’ny maha- Izy Azy .
3-Fanahin’ny fahamarinana
« ny Teninao no fahamarinana » Fanahin’ny fahamarinana » (Jao 17.17) . Ny hoe: « Fanahin’ny fahamarinana » araka izany dia azo ambara koa hoe : « Fanahin’ny Tenin’Andriamanitra » . Ny fahatakarana ny hevitry ny Soratra masina araka izany dia tsy efan’ny fanahy sy saina maha-olombelona fotsiny fa ny Fanahin’ny Tenin’Andriamanitra ihany no manome ny fahazavan-tsaina ka hahafantarana ny marina rehetra .
4- Vavolombelona manambara an’i Jesoa Kristy .
Tsy hitondra fampianarana vaovao tsy akory ny Fanahy Masina fa manamafy ny fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy vavolombelona misolo vava Azy.
Fanontaniana :
Inona no adidin’izay nandray ny Fanahy Masina , hoy I Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM