FJKM / Hafatry ny MF

HAFATRY NY MPIANDRAIKITRA FOIBE
MF 04/SL XIX CFD AMPANDRANA 12-19 APRILY 2023
Ry Havana malala,
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo (I Kor.1:3)
Misaotra an’Andriamanitra isika ny amin’ny fiainan’ny Fiangonana ary mankasitraka ny Synodamparitany sy ny Fiangonana ary ny Sekoly nanao ny ezaka tamin’ny fananganana ny Vaomieran’ny Hazakazaka Masina sy ny Vaomieran’ny Fananana ary ny Sekoly.
Isaorana ny Fiangonana izay efa nanao ny Rakitra Soa,ny herinandron’ny Fianakaviana, ny fiaraha-mivavaka isaky ny amin’ny 8 ora alina ary ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny Anglisy.
Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory teto amin’ny CFD Ampandrana Antananarivo ny 12-19 Aprily 2023 dia manao izao hafatra izao ho an’ny Mpitandrina sy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra :
Hankalaza an’Andriamanitra noho ny faha-55 taona nijoroan’ny F.J.K.M isika amin’ny 18 Aogositra 2023 ho avy izao. Koa manentana antsika isam-pitandremana hanamarika izany amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana.Ny fanomezana rehetra azo amin’io fotoana io dia alefantsika any amin’ny komitin’ny faha-55 taona entina hanatsarana ny Radio Fahazavana sy ny Fahazavana Televiziona.
Entanina hanangana Vaomieran’ny AFIFAB ny SP sy ny Fitandremana.
Manainga antsika hivavaka sy hiomana ho amin’ny Synodam-pinoana faharoa ny 11-14 Mey 2023 any amin’ny Synodamparitany Amoron’i Mania Ambositra raha sitrapon’ny Tompo ka handinihana ny lohahevitra momba ny fahamarinana sy ny fitiavan-tanindrazana ary ny fanambadiana ; ho amin’ny fihaonamben’ny Katekista ny 11-14 Jolay 2023, ny fihaonamben’ny Diakona sy ny Loholona amin’ny 15-18 Aogositra 2023 ary ny fihaonamben’ny Asa Fitoriana Filazantsara ny 14-17 Septambra 2023 any Ambanja.
Mampirisika hatrany ny Synodamparitany sy ny Fitandremana amin’ny fananganana ny Vaomieran’ny fananana sy hiroso amin’ny asa fampamokarana ho loharanom-bola maharitra.
Tsara ny mampahafantatra antsika fa efa mahatratra 50 izao ny Sekoly voatsangana amin’ny vina 111 izay notapahin’ny Synoda Lehibe SL XIX, koa mitaona ny Synodamparitany sy ny Fitandremana izay tsy mbola nanangana mba hanao izany.
Miroso amin’ny famitana ny tsangambaton’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-200 taonan’ny Sekoly Protestanta isika, koa raha sitrapon’Andriamanitra dia ho vita amin’ity taona ity izany ka afaka hiroso amin’ny fampiofanana isika amin’ny taona ho avy. Entanina isika rehetra mba samy hitondra am-bavaka sy hanohana izany asa izany.
Efa afaka misitraka ireo toriteny sy fampianarana amin’ny alalan’ny “Application AINA TORITENY SY FAMPIANARANA” isika, ka izay Mpitandrina te handray anjara amin’izany dia aoka hanatona ny Prezida Synodaly isaky ny SP.
Ankasitrahina ireo rehetra nandray anjara tamin’ny Kofehy Volamena ary entanina hatrany ireo izay tsy mbola nahefa izay foiny isaky ny kristiana, isan-taona na hanokana Alahady iray ao anatin’ny taona eo anelanelan’ny volana Jolay – Septambra ka ho entina amin’ny fivorian’ny MF 05 ny volana Oktobra, hananganana fotodrafitrasa ho loharanom-bola maharitra.
Misaotra ireo Kristiana sy ny Fitandremana nahatsiaro am-bavaka ny asa sy ny mpiasa ka nanatanteraka ny fitrotroana am-bavaka ny mpiasa eo anivon’ny Foibe F.J.K.M izay tsiahivina fa isaky ny Alahady fahatelo amin’ny volana Mey ka ny 21 Mey 2023 no hanatanterahana izany amin’ity taona ity.
Ny F.J.K.M dia mbola manamafy hatrany ny hanaovana ho zava-dehibe momba ny fiainam-panahy, ny fanajana ny Foto-Dalàna sy Fitsipiky ny F.J.K.M ary ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy irery ihany araka ny noharian’Andriamanitra azy no ekeny
Tanteraka tamin’izao fivoriana izao ihany koa ny fifidianana sy fanendrena ireo Prezida Synodaly vaovao sy ireo Tale Vaovao (Sampanasa : Trano Famoaham-boky Antso,Trano Printy,Aroriaka ary ny Asa Fitoriana Filazantsara,Talem-paritra)
Miantso ny rehetra hifampihaino mba hisian’ny filaminana sy fampanjakana ny maha zava-dehibe ny Fihavanana,indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana eto amin’ny Firenena izao ary samy handray andraikitra mba ho madio sy mangarahara izany fifidianana izany.
« Mitsangàna mihazavà fa tonga ny fahazavanao ary ny voninahitr’I Jehovah efa miposaka aminao » (Isa.60:1).
Amin’ny anaran’ny Mpiandraikitra Foibe

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV