Sabotsy 04 Martsa 2023

LIOKA 16.14-31

Mazava ny fampianarana tian’i Jesoa ampitaina amin’ny alalan’izao fanoharana izao.

1-Mahavery ny fitiavam-bola (and15)

« Hianareo no mpanamarin-tena eo anatrehan’ny olona ,nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo … », hoy i Jesoa raha namaly ny esoeso nataon’ny Fariseo mpitia vola azy . Raha vao latsaka amin’ny fitiavam-bola ny olona dia tsy mahay manompo an’Andriamanitra izy ,tsy omeny anjara toerana eo amin’ny fiainany intsony ny Tompo ary raha mbola mahazo aza dia anjorom-bala sisa . Fantatr’i Jesoa tsara izany ka nahatonga Azy niteny hoe : « tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna ianareo » (and13b)

2-Hanenenana ny fitiavan-tena (and 25)

Ary hoy i Abrahama : « Anaka ,tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin’ny andro niainanao … » .Ao anatin’ity fanoharaha ity dia nivoitra ihany koa fa ny tsy fiheverana ny hafa ,na dia hita eo ambany mason’ny tena aza ny fahoriany dia hanenenana . Andeha hiainantsika fotsiny izao ny fampianaran’ny Soratra masina izay nohamafisin’i Jesoa hoe : « Tiava ny namanao tahaka ny tenanao » (Lev 19.18)

3-Ampy ny Tenin’Andriamanitra (and31)

Aoa anatin’ny fanoharana dia mazava fa rehefa ny Tenin’Andriamanitra efa nomeny ( lalàna sy mpaminany ) no tsy hinoan’ny olona dia tsy hino koa izy na dia hisy hitsangana amin’ny maty aza . Tsy mila miandry fahitana na fahagagana vao hino fa ny Tenin’Andriamanitra dia ampy hitondra famonjena .Minoa ny teny voasoratra ary minoa ny teny tonga nofo dia i Jesoa Kristy (Asa 16.31)

Fanontaniana :

Ahoana no hahazoana milaza fa tena mandeha araka izao fampanaran’iJesoa Izao ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 03 Martsa 2023

ROMANA 4.13-22

Mampianatra antsika ny mofonaina anio fa izay isaina ho fahamarinantsika dia :

1-Tsy ny fanarahana bontolo ny lalàna (and 13)

« fa tsy ny lalàna fa ny fahamarinana amin’ny finoana … » ,hoy i Paoly manazava eto . Asongadiny amin’izany fa tsy ny fanarahana antsipirihany sy ara-bakiteny izay voalazan’ny lalàna akory no inona .Tsy midika koa anefa izany hoe : tsy ilaina ny lalàna , fa tsy ny lalàna akory no mahavonjy ary tsy ny lalana akory no Tompo . Efa nahavoa ny Fariseo tamin’ny andron’iJesoa io fianteherana amin’ny lalàna io ka zary lasa fisehosehoana ivelany sy fombafomba fotsiny ihany sisa ny fivavahany . Efa nitenenan’i Jesoa mafy ny Fariseo izany .Taomina kosa isika tsy halaim-panahy hanahaka ny Fariseo ka ny fombafomba sy tarazo samihafa indray no atao ho zava-dehibe sy itompoana teny fantatra .

2-Ny finoana ny Tenin’Andriamanitra (and18,19)

« Ary na dia efa tsy nisy nanantenana intsony aza dia nanantena ihany izy ka nino mba ho rain’ny firenena maro... » .Miharihary eto fa ny tena sarobidy dia finoana ,tahaka ny an’ i Abrahama . Raha ny maha-olombelona azy no jerena dia toa mampanantena poakaty Andriamanitra na manao resaka tiana hateza ,satria lahy antitra efa ho zato taona sy vehivavy momba i Abrahama sy Saraha, saingy tsy nampisalasala an’i Abrahama na dia kely monja aza ny fampanantenan’Andriamanitra , satria nino izy fa tsy misy zava-mahagaga izay tsy hain’i Jehovah . Taomina koa ianao hino sy hatoky tsy am-pisalasalana ny Tenin’Andriamanitra ho anao , fa io fisalasalana io no nampilentika an’i Petera rehefa nasain’iJesoa handeha tambonin’ny rano izy ( Mat 14.30 )

Fanontaniana :

Finoana manao ahoana izao no fahatsapanao ny finoanao .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 02 Martsa 2023

MATIO 25.14-30

I Jesoa no oharina amin’ilay olona anankiray handeha any an-tany lavitra ary mbola hiverina amin’ny fotoana tsy voafaritra sy tsy ampoizina fa isika kosa no oharina amin’ireo mpanompo izay notolorany ny fananany isika fa :

1-Mametraka fitokisana amintsika iJesoa

Tsy am-pisalasalana na dia fotoana fohy monja aza no niantsoan’ilay lehilahy mpanankarena ny mpanompony ,tsy niantso havana na olom-pantatra na namana akaiky Izy . Midika izany fa atokisany ireto mpanompony ireto ary tombanany , fa tsy hanao kinanga matoa ny fananany manontolo no napetrany tamin’ireo . Izaho sy ianao anie izany e ! nametrahan’i Jesoa fitokisana isika mba tena mendrika izany tokoa ve isika ?

2-Manakarem-pahasoavana avokoa isika

Raha mamaky tsara isika dia hahita fa tsy nisy na dia iray tamin’ireo telo lahy mpanompo aza ka tsy nomena talenta ( ny talenta iray dia mitovy amin’ny karaman’ny mpiasa anankiray mandritra ny 6000 andro ) , izany hoe : tsy misy afaka hilaza isika fa tsy mahavita na tsy afa-manoatra .

3-Miandry vokatra amintsika i Jesoa

Amin’ny fotoana hiverenan’ny Tompo indray , izay tsindriana etoana fa tsy misy mahalala , dia anontaniana antsika ny fomba nampiasana sy nitantanantsika ireo talenta nomena antsika . Koa fifaliana ho azy ny handre avy amintsika fa nahazo tombony isika . Ny hoe : mahazo tombony dia tsy hafa fa nandray andraikitra amin’ny fanitarana ny ambaindain’ny fanjakan’Andriamanitra

Fanontaniana:

Ho inona re no hambaranao amin’i Jesoa rehefa hihaona Aminy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 01 Martsa 2023

2 MPANJAKA 20.1-7

Ity tantaran’i Hezekia mpanjakan’i Joda ity dia mampianatra antsika indray anio fa :

Ny mpitondra mandeha amin’ny fahamarinana dia

1-Mihaino an’Andriamanitra hatrany (and 2)

Voantantara eto fa narary mafy saiky maty i Hezekia , ary tonga tao aminy Isaia mpaminany , nitondra ny hafatr’Andriamanitra . Miharihary eto fa tsy zava-maivana amin’i Hezekia mpanjaka mihitsy ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra . Ny misongadina eto dia izao : ny handre izay tian’Andriamanitra ambara aminy aloha no laharam-pahamehana ho azy izay vao zavatra hafa .Tsy ny asa sosialy no mamaritra ny atao hoe : mandeha amin’ny fahamarinana , fa fanekena hihaino an’Andriamanitra alohan’ny zavatra rehetra .

2-Henoin’Andriamanitra vavaka (and 5)

Tsy lavitra akory i Isaia dia efa namaly ny vavaka’ i Hezekia ny Tompo .Hoy ny filazany hoe : « efa nohenoiko ny fitarainanao , ary efa hitako ny ranomasonao , indro hahasitrana anao Aho… »Azo tsoahana avy amin’izany fa tsy mba manetsi-tadiny amin’ny mpanompony marina Andriamanitra fa sady mahita no mandre izay mampahory sy manavesatra azy .Izay mivavaka amin’ny fo sy amin’ny fahamarinana dia valian’Andriamanitra .Tsarovy fa tsy very maina akory ny vavaka ataontsika .Misongadina eto mihitsy fa raha mivavaka marina ny mpitondra ny firenena dia tsy ny tenany ihany no voavonjy fa ny firenena manontolo mihitsy no zary misitraka ny famonjena sy ny fanavotan’Andriamanitra (and 6,7) .Taomina àry izay rehetra manana andraikitra mba hivavaka marina .

Fanontaniana:

Ahoana no fiainanao izany hoe : mandeha amin’ny fahamarinana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM