Alatsinainy 27 Martsa 2023

2 SAMOELA 12.7-15

Andriamanitra manitsy ny olony

1-Manambara ny fahadisoany

« koa nahoana ianao no nanamavo ny Tenin’i Jehovah ka nanao izay ratsy teo imasony ? » (and 9)

Nanota teo anatrehan’Andriamanitra i Davida tamin’ny nakany ny vadin’i Oria sy nanaovany izay hahafaty an’i Oria . Nanoloana izany dia naniraka an’i Natana hanambara ny fahadisoan’iDavida taminy Andriamanitra .Nampahafantatra tamin’iDavida ny fahadisoany Andriamanitra .Toy izany koa ny Soratra Masina : ny mpitondra ny hafatr’Andriamanitra dia tsy maintsy manambara ny fahadisoan’ny olona .Mila manaiky ny olona fa ratsy eo anatrehan’ny Tompo . Koa raha misy manambara aminao ny fahadisoanao dia aza tezitra aminy na miady aminy fa fomba fiasan’Andriamanitra amin’ny finoana an’iJesoa Kristy izany .

2-Mamela ny helony

« ...efa nanota tamin’i Jehovah aho…Jehovah efa nanaisotra ny helokao ka tsy ho faty ianao » (and13)

Teny nifanakalozan’i Davida sy Natana izany .Rehefa ren’i Davida ny fanamelohana azy noho ny fahotana nataony dia niaiky ny fahadisoany teo anatrehan’Andriamanitra izy.Namela ny fahadisoany Andriamanitra ka tsy maty i Davida. Na izany aza anefa ,dia maty ilay zaza naterany tamin’i Batseba . Mamela ny heloky ny mpanompony Andriamanitra izay miaiky ny fahadisoany kanefa dia misy sazy famantarana fa efa nanota tamin’Andriamanitra ilay olona . Andriamanitra mamela ny heloky ny olona ,saingy mizaka ny vokatry ny nataony ihany koa ilay olona . Jesoa Kristy no famindrampon’Andriamanitra . Ekeo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny fahotanao dia hamela ny helokao Izy .

Fanontaniana :

Ahoana ny fiheveranao izany hoe: « voavela heloka »?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 24 Martsa 2023

MATIO 9.9-13

Jesoa Kristy miantso ny olona rehetra

1-Miombona aina amin’ny mpanota

« Ary raha nipetraka nihinana tao an-trano Izy , indreo nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin’i Jesoa mbamin’ny mpianany  » (and10)

Nisahirana ny fariseo sy ny fiarah-monina Jiosy tamin’izany fotoana izany ny mpamory hetra satria nosokajiana ho mpangalatra ,mpamadika tanindrazana ,mpanararaotra namana .Nailiky ny fiara-monina izy ireo ,mainka fa ny mpanota izay voalaza fa samy niara-nihinana tamin’i Jesoa .Miombona aina amin’ny sokajin’olona rehetra i Jesoa Kristy fa tsy manilikilika azy . Koa aza manilikilika ny hafa ary raha sanatria misy manilikilika anao ,tsarovy iJesoa Kristy izay tsy mba manilika anao, ary rehefa miantso anao Izy dia ekeo koa ny hiombona aina Aminy eo amin’ny fiainanao .

2-Mikendry famonjena ho azy

« Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody fa ny marary » (and12)

Valiteny nataon’i Jesoa Kristy tamin’ny Fariseo izay tsy mankasitraka ny fiaraha-misakafo amin’ny mpanota iJesoa Kristy dia tsy ny hanota tahaka azy ireny no tiana hatao fa ny hitondra famonjena ho azy ireny kosa . Mikendry famonjena sy fanafahana amin’ny ota sy fahotana no tanjon’i Jesoa Kristy raha niantso ny mpanota izy. Amin’ny fotoana izay iantefan’ny antson’i Jesoa Kristy aminao ka hahatsiarovanao ny maha-mpanota anao dia maneke hiala amin’izany fahotana izany . Fanafody entin’i Jesoa Kristy hanasitrana ny olona mpanota mba handraisany famonjena ny fiantsoana ka ny antson’i Jesoa Kristy dia fanasitranana ny mpanota.

Fanontaniana:

Inona no mahatonga anao mbola manilikilika ny hafa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahadin’ny AFIFAB 2023

ASA FIFANDRAISANA SY FAMPAHALALAM-BAOVAO FJKM

« Miorena tsara, aza miova. » 1 Korintiana 15,58b

………………………………………………………………………………………

FANDAHARAM-POTOANA

MAMERINA AO AMIN’NY FAHAMARINANA NY TOMPO

Fiarahabana apostolika

Fiantsoana sy fiderana : Apo. 15: 3b – 4

HF : 9

Vavaka

H. 786 : 1, 4

Vavaka

Vakiteny :

  • Zef.2 : 1 – 3
  • Jao.7 : 14 – 24
  • I Tim.2 : 1 – 7

H.190 : 1, 2, 3

Toriteny

Vavaka setriny sy fifonana

HF. 35

Teny famelan-keloka : Jer. 31 : 23 – 26

H. 332 : 1, 2

Fanekem-pinoana I

Raharaha

Rakitra : HF 22  Fanolorana H. 275 : 2

Asa vavolombelona

Vavaka fangatahana

H. 336 : 1, 2

Tsodrano

‘’ Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy masina ‘  Amen !

……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

HAFATRY NY

ASA FIFANDRAISANA SY FAMPAHALALAM-BAOVAO

Ho an’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM rehetra

Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika

Migadona indray ity ankehitriny ny Alahadin’ny Fifandraisana FJKM 2023 , natokana indrindra hitondrana am-bavaka sy hanohanana ny Asan’ny Fifandraisana eto anivon’ny FJKM. Manana anjara toerana lehibe  eo amin’ny fiainan’ny fiangonana mantsy ny fifandraisana na izany eo amin’ny fitoriana ny Filazantsara na izany eo amin’ny fijoroana vavolombelona. Mandray anjara mavitrika amin’izany ireo sampandraharaha eto amin’ny AFIFAB : Gazety Marturia Vavolombelona, ny famokarana  fandaharana amin’ny haino aman-jery, ny Site Web FJKM, ny Fahazavana Televiziona,  ireo tambajotra sosialy FJKM, ny Arofenitra ary ny Radio Fahazavana.

Isaorana Andriamanitra fa taom-pahasoavana ho an’ny AFIFAB ny taona 2022 noho ireto fotoam-pifaliana ireto : 25 taona ny Radio Fahazavana, 15 taona ny Radio Fahazavana Toamasina sy Mahajanga, nisy ireo mpiasa eto amin’ny AFIFAB nankalaza ny Jobily volafotsy  sy  Jobily fisotroan-dronono ary ny 10 taona niasana tao amin’ny Site Web FJKM. Teo ihany koa ny fisokafan’ny Radio Fahazavana tany amin’ny Synodamparitany vitsivitsy.  Nanamafy ny fiombonana sy ny fiombonana aina teo anivon’ny AFIFAB ireo na dia teo aza ny fotoana nisian’ny fizahan-toetra teo amin’ny fampandehanan-draharaha. Isaorana anefa Andriamanitra fa nahafahana nanatsara hatrany ny fomba fiasa izany.

Misaotra izay rehetra nitondra am-bavaka sy nanampy tamin’ny endrika hita maso sy tamin’ ny fomba samihafa hampandehanana  ny  asan’  ny AFIFAB sy ireo ratsa-mangaika ao aminy.

Mandrisika antsika Fiangonana sy Fitandremana ary Synodamparitany hanangana ny Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-Baovao isaky ny ambaratongan-drafitra (Synodamparitany, Fitandremana) mba hampandeha tsara ny serasera sy ny fampitam-baovao eo anivon’ny FJKM hahafahana “mamonto Filazantsara an’i Madagasikara”.  Afaka manatona ny foibe toeran’ ny AFIFAB Analakely izay liana sy vonona ho amin’ izany.

Anatin’ny fiombonana sy ny fifanohanana no hahazoantsika manatanteraka izany ka hotohizantsika hatrany ny fanohanana ny AFIFAB.

Raha fatra-paniry  ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra”  (I Kor. 14 : 12b)

Ho amintsika mandrakariva anie ny fiadanan’ny Tompo.

Ny Filohan’ny Komity  AFIFAB FJKM 

Alakamisy 23 Martsa 2023

2 MPANJAKA 24.1-6

Andriamanitra manitsy ny olona

1-Manamarina ny tenin’ny Mpaminany

« …araka ny tenin’i Jehovah izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony  » (and2)

Tamin’ny andro nanjakan’i Joiakima tao Joda no nanaovan’i Babyloniana fahirano an’i Jerosalema ,satria nikomy i Joiakima. Ny mpaminany Jeremia anefa nilaza fa « hanompo ny mpanjakan’ny Babylona fitopolo taona » ny firenen’i Joda. Vokany , maty tao anatin’izany i Joiakima ho fanatanterahana ny tenin’ny mpaminany. Araka izany , tsy maintsy tanteraka ny teny rehetra nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny irany .Tsy afa-miala amin’ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra ny olona na dia miezaka manohitra izany aza. Jesoa Kristy no fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra .

2-Manameloka ny fandatsahan-drà

« sy noho ny rà marina izay nalatsany koa ,fa nofenoiny rà marina Jerosalema… » (and4)

Rehefa tonga teo amin’ny fitondrana i Joiakima dia fantany fa tsy tia azy ny vahoaka noho izy nandatsaka ra marina maro.Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fanaovana ny tsy marina sy ny tsy rariny ary indrindra ny fandatsahan-drà .Tsy maintsy hovalian’Andriamanitra ny olona izay manao izany , ary izany ihany koa no itaomana anao amin’ny andraikitra raisinao sy ny fahefana nomena anao , dia manaova ny marina sy ny rariny ary aza mamono olona.Tian’i Jesoa Kristy hitondra fiainana ho an’ny hafa ny mpino Azy rehetra. Aza manao ny tsy marina sy ny tsy rariny amin’ny mpiara-belona aminao fa heloka eo anatrehan’ny Tompo izany .

Fanontaniana :

Inona ny tsy rariny tsaroanao fa ataonao matetika ka tokony hialana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 22 Martsa 2023

1 TIMOTY 1.12-22

Ny olona nofidian’Andriamanitra

1-Mahatsiaro ny faharatsiany

« ary izaho izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika ny mpampahory kanefa … »(and13)

Rehefa tonga mpanompon’Andriamanitra nahatoky i Paoly Apostoly ary fantany fa tsy avy taminy no nahatonga azy ho azo antoka amin’ny fanompoana , dia nisaotra an’i Jesoa Kristy Izy .Tamin’izany ihany koa no nahatsiarovany fa efa nanao izay ratsy teo anatrehan’Andriamanitra izy : mpiteny ratsy ,mpanenjika ny fiangonana ,mpampahory .Ny mpanompo mahatoky amin’ny fifidianan’Andriamanitra azy ,no mahatsapa fa tsy mety ny natao fahiny , ary hery manosika azy hahatsapa bebe kokoa fa mpaminrafo Andriamanitra .Famindrampon’Andriamanitra ny fiantsoany sy ny fifidianany .Koa mijoro ho mahatoky hatrany amin’ny fanompoana ,satria efa namindrana fo ary nofidiany ho mpanompony isika .

2-Manaiky ny famonjen’i Kristy Jesoa

« …tonga teto ambonin’ny tany Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota ary amin’ireny izaho no lohany » (and15)

Paoly Apostoly dia manaiky sy mankasitraka tsy misy fisalasalana fa an’i Kristy izy satria fantany fa ny antony nahatongavan’i Kristy dia hamonjy ny mpanota . Ilay olona nilona sy niaina tao anatin’ny fahotana no antony nahatongavan’i Kristy .Niala tamin’ny toeram-boninahitra izay nisy azy tany an-danitra i Jesoa ka tonga mba hamonjy ny mpanota ety an-tany .Rehefa mahatsiaro ny tenany ho mpanota ny olona dia resy lahatra fa i Jesoa Kristy no MPAMONJY .Koa maneke an’i Jesoa Kristy sy ny famonjena vitany ho anao .

Fanontaniana :

Ahoana ny fomba hanehoanao ny maha-olomboafidin’Andriamanitra anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Herinandro masina 2023

NY HERIN’NY FITSANGANANA AMIN’NY MATY

Alatsinainy 03 Aprily 2023Ezekiela 23.36-42Lioka 19.45-48Hebreo 3.1-6
Talata 04 Aprily 2023Salamo 118.19-23Lioka 20.1-18Asa 4.1-12
Alarobia 05 Aprily 2023Salamo 55.1-14Lioka 22.1-6Asa 7.44-50
Alakamisy 06 Aprily 2023Salamo 41.4-13Lioka 22.47-532 Petera 2.11-16
Zoma 07 Aprily 2023Daniela 9.24-27Lioka 23.39-49Romana 5.5-11
Alahady 07 Aprily 2023Hosea 6.1-3Lioka 24.1-12Filipiana 3.1-11

Talata 21 Martsa 2023

JEREMIA 33.1-9

Andriamanitra manasitrana ny tany

1-Manome fiadanana ho azy

« … ary hasehoko aminy ny haren’ny fiadanana sy ny fahamarinana « (and6) Andriamanitra nampanantena ny vahoaka voafidiny dia ny firenen’i Joda fa rehefa miverina avy any am-pahababoana izy ireo dia Izy no hanome fiadanana ho azy ireo . Niala tamin’ny Tenin’Andriamanitra ny vahoakan’i Joda dia tsy maintsy ho lasa babo . Na dia eo aza anefa izany , Andriamanitra mitana ny teny nataony tamin’ny vahaoaka no antoka mahatonga famonjena ho azy ;, ary tanteraka izany tamin’ny nanomezany an’i Jesoa Kristy zanany ,Ilay Tompon’ny fiadanana mba hananan’izay rehetra mino fiadanana.

2-Manadio ny vahoakany

« ary hodioviko ho afaka amin’ny helony rehetra izy izay nanotany tamiko... »(and8). Ampiasaina ny teny hoe: « nodioviko » eto ilazana ny famelana ny heloky ny vahoaka izay efa nanota niala tamin’ny sitrapon’Andriamanitra . Fepetra amin’ny fahatanterahan’ny teny fampanantenana ny fanadovana sy ny famelan-keloka ataon’Andriamanitra amin’ny olony .Noho izany ,ny olona voavela heloka ihany no misitraka sy miaina teny fampanantenana nataon’Andriamanitra .Koa maneke avelan’Andriamanitra heloka amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy mba handraisanao ny fitahiana sy ny fahasoavana aterak’izany . Koa maneke ny fanadiovana avy amin’ny Tompo dia hositraniny amin’ny olona samihafa mahazo azy ny tanintsika .

Fanontaniana:

Inona no sakana tsy andraisanao ny fiadanan’i Jesoa Kristy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 20 Martsa 2023

 MATIO 5.1-10

Ny fahasambarana araka an’i Jesoa Kristy

1-Toetra tsara anaty (and4,6,7)

 Ireo  sokajin’olona izay heverina ho  miaina ao anatin’ny  tsy fahampiana sy fahagagana no ambaran’I Jesoa Kristy fa sambatra eto. Amin’I Jesoa Kristy, ny toetra tsara anaty no tsiambaratelon’ny fahasambarana , ary ny  fahamarinana  dia miorina amin’ny fiainana anaty .Ny toetra  dia tsy  zavatra terena avy ety ivelany  akory  fa fiainana miainga avy any anaty  aseho ety ivelany .Noho  izany  ,ny toetra  tsara miainga avy anaty dia tsy misaraka amin’ny fiombonana amin’ny fiaraha-monina , ka ny  tena fitiavana no fototra iorenan’ny lalàn’ny  fiaraha-monina .Koa raha te-hiaina ny fahasambarana ianao ,dia ataovy tsara ny toetra miainga avy ao anatinao ary mitodika amin’ny  fanasoavana ny fiaraha-monina.

2-Fiombonana amin’Andriamanitra (and 3,8,9,10)

 Ny fahasambarana ihany koa dia toetra sy fiainana iainana miaraka amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra . Ka ny toetra rehetra sy ny fanompoam-pivavahana rehetra dia tokony hitodika amin’ny fiombonana amin’ Andriamanitra avokoa. Ny asa hatao sy ny toetra no mitoetra ary ny faharetana sy ny fiaretana  no fitsapana farany  miantoka ny handovana ny fanjakan’ny lanitra . Aoka ny fitsapana rehetra mitranga eo amin’ny fiainanao no hanamafisanao ny fivavahanao  ka hahafahana handova ny fiainana mandrakizay . Aza ataonao ho  antony  hihemorana  amin’ny  fanompoana sy ny fivavahana amin’Andriamanitra izany fa raiso ho tombony ho anao aza mba hahafahana mibanjina ny fanjakan’ny  lanitra .

Fanontaniana :

 Fahasambarana manao ahoana no iainanao ankehitriny ? Inona  amin’ny toetranao no  mampitodika anao amin’ny fanasoavana   ny fiaraha-monina sy ny fanjakan’ny  lanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM