FFKM / EKAR

HAFATR’I PAPA FRANÇOIS HO AN’NY KAREMY 2023
Famolahan-tenan’ny karemy, lalan’ny fiarahan-dia

Ry Kristianina havana!
Samy mitantara ny niovan’i Jesoa tarehy avokoa ny Evanjelin’i Matio sy Marka ary Lioka. Hitantsika ao amin’io zava-nitranga io ny valintenin’i Jesoa manoloana ny tsy fahatakaran’ireo mpianatra ny momba Azy. Taloha kelin’io, taorian’ny nanaovan’i Simôna Piera fiekem-pinoana fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra dia nisy tsy fifankazahoana mafy teo aminy sy ny Mpampianatra satria nolaviny ny fanambaràna momba ny hijalian’i Jesoa sy ny hazofijaliana.
Notenenin’i Jesoa mafy izy, nataony hoe : «Mialà amiko ry Satana! Manafintohina ahy
ity ianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona»
(Mt
16,23). Ary «rehefa afaka enina andro taorian’izany, nalain’i Jesoa i Piera ary koa i Jakôba sy i
Joany mirahalahy, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo
» (Mt 17,1).
Vakiana isan-taona amin’ny alahady faharoan’ny Karemy ny Evanjely mitantara ny
fiovan’ny Tompo tarehy. Mandray antsika hiaraka aminy sy mitondra antsika hihataka kely,
noho izany, ny Tompo mandritra io vanim-potoana litorjika io. Ka na dia manery antsika
hijanona amin’ny toerana mahazatra aza ny asa fanaontsika andavanandro, eo am-piainana
isan’andro an’ireo tranga miverimberina ary matetika manorisory dia voaasa isika
mandritra ny karemy hiakatra «any an-tendrombohitra avo» miaraka amin’i Jesoa, mba
hiaina miaraka amin’ny Vahoaka masin’Andriamanitra ny traikefan’ny famolahan-tena
manokana.
Ezaka ny famolahan-tena mandritra ny karemy, entanin’ny Fahasoavana
mandrakariva, hihoatra ny tsy fahampian’ny finoana sy ny fandàvana hanaraka an’i Jesoa eo
amin’ny lalan’ny hazofijaliana. Raha ny marina dia io no nilain’i Piera sy ireo mpianatra hafa.
Mba handalinantsika ny fahalalana ny Mpampianatra, mba hahatakarantsika sy
handraisantsika lalina ny misterin’ny famonjen’Andriamanitra, tontosa ao amin’ny
fanolorany ny tenany manontolo am-pitiavana, dia tsy maintsy, sady manaiky hotarihiny
hihataka ho any ambony isika no miala amin’ireo karazam-paharatsiana sy ireo zava-poana.
Tsy maintsy mizotra mihazo ny fiakarana, izay mitaky ezaka, fihafiana, fifantohana, tahaka
an’ireny mananika tendrombohitra ireny. Zava-dehibe ihany koa ireo fepetra ireo ho an’ny
fiarahan-dia izay irosoantsika amin’izao fotoana izao, amin’ny maha Eglizy. Tsara ho antsika
àry ny mandinika mikasika an’io fifandraisana misy eo amin’ny famolahan-tenan’ny Karemy
sy ny traikefan’ny fiarahan-dia io.
Amin’ity “fihatahana masina” any an-tendrombohitr’i Tabôra ity, dia mitondra
mpianatra telo, voafidy ho vavolombelon’ny zava-mitranga miavaka, hiaraka aminy i Jesoa.
Tsy tiany iainana samirery io traikefan’ny fahasoavana io fa tiany hozaraina, ho tahaka ny
fiainam-pinoantsika. Tokony hiaraka isika manara-dia an’ i Jesoa. Io “fiarahana” io, amin’ny
maha mpivahiny ny Eglizy ao anatin’ny fotoana, no iainana ny taona litorijika, ary ao
anatin’izany ny Karemy; miara-mandeha amin’ireo olona napetraky ny Tompo eo anilantsika
ho namana mandritra ny zotra isika. Raha ampifandraisina amin’ny fiakaran’i Jesoa sy ny
mpianany any an-tendrombohitr’i Tabôra izany dia izao no azontsika lazaina: lalan’ny
fiaraha-dia ny lalan’ny Karemy diavintsika satria iray lalana avokoa isika, mpianatry ny
Mpampianatra tokana. Ambonin’izany, fantantsika fa Izy mihitsy no Lalana, noho izany, na
amin’ny Litorjia na amin’ny sinaody, ny Eglizy dia tsy manao afa-tsy ny miditra lalina kokoa
hatrany sy tanteraka ao amin’ny misterin’i Kristy Mpamonjy.

Ary tonga eo amin’ny toerana avo indrindra isika. Tantarain’ny Evanjely fa “Niova tarehy teo anatrehany izy; ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ny fitafiany tonga fotsy mangatsakatsaka tahaka ny fahazavana” (Mt 17,2). Io no “faratampony”,tanjon’ny lalana. Amin’ny faran’ny fiakarana, rehefa tonga tany an-tendrombohitra niaraka tamin’i Jesoa ireo mpianatra telo lahy dia nomena azy ireo ny fahasoavana hahita ny voninahitra mamirapitry ny hazavana tsy hay lazaina, tsy avy any ivelany fa namirapiratra tamin’ny tenany ihany. Tsy azo oharina akory ary nihoatra lavitra ny havizanana nitambatra tamin’ireo mpianatra noho ny fiakarana ny tendrombohitr’i Tabôra ny hatsaran’Andriamanitra tao amin’ io fahitana io. Raha hitsangatsangana any an-tendrombohitra dia tsy maintsy mitandrina tsara mijery lalana eo am-piakarana; fa ny zavatra hita amin’ny farany dia sady manaitra no valisoa noho ny hakantony. Mafy ho antsika matetika ny lalan’ny fiarahan-dia ary mety hahakivy antsika aza indraindray. Saingy tsy hisalasalana fa zavatra mahatalanjona sy tsy ampoizina ny miandry antsika, any amin’ny farany, izay hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny sitrapon’Andriamanitra sy ny asa fanirahana antsika ho an’ny Fanjakany.
Miha mitombo hatrany ny traikefan’ireo mpianatra tany am-tendromohitr’i Tabôra rehefa niseho teo anilan’i Jesoa niova tarehy i Môizy sy i Elia izay maneho ny Lalàna sy ny Mpaminany (jer. Mt 17,3). Ny zava-baovao ao amin’i Kristy dia ny fahatanterahan’ny Fanekem-pihavanana taloha sy ny fampanantenany rehetra. Tsy azo sarahina amin’ny tantaran’Andriamanitra miaraka amin’ny vahoakany izany ary maneho ny hevitra lalina fonosiny. Toraka izany koa, sady miorim-paka ao amin’ny Lovam-panahin’ny Eglizy ny lalan’ny fiarahan-dia no misokatra amin’ny zava-baovao. Loharanon’ny aingam-panahy hitadiavana lalana vaovao hialana amin’ireo fakam-panahy mifanohitra amin’ny tsy fiontsonana sy ny fanandramana tsy voahevitra ny Lovam-panahy.
Ny fiovan-tarehy, eo amin’ny isam-batan’olona sy eo amin’ny Eglizy, no tanjon’ny lalan’ny famolahan-tena amin’ny karemy sy ny lalan’ny fiarahan-dia. Ny fiovan-tarehy, eo amin’ireo tranga roa ireo, dia manana an’i Jesoa ho môdely ary tanteraka amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny misterin’ny Paka. Mba hahatanteraka io fiovantsika tarehy io, amin’ity taona ity, dia «lalana» roa no tiako haroso hizorana mba hiakarana miaraka amin’i Jesoa syhahatongavana any amin’ny fiantsonana farany miaraka Aminy.
Ny voalohany dia manondro ny baikon’Andriamanitra Ray amin’ireo mpianatra tany an-tendrombohitr’i Tabôra, rahefa nibanjina an’i Jesoa niova tarehy izy ireo. Hoy ilay feo avy ao anaty rahona: «Henoy Izy» (Mt 17,5). Ny famantarana voalohany izany dia mazava: mihaino an’i Jesoa. Arakaraka ny hihainontsika an’i Jesoa miteny no maha fotoam-pahasoavana ny Karemy. Ahoana no hitenenany amintsika? Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izay atolotry ny Eglizy amin’ny Litorjia aloha voalohany indrindra: aza avelantsika ho very maina ny Tenin’Andriamanitra. Vakio isan’andro isan’andro ny Baiboly,na dia amin’ny alalan’ny Internet aza, raha ohatra isika ka tsy afaka hamonjy lamesa isan’andro. Ankoatra ny Tenin’Andriamanitra, dia miteny amintsika amin’ny alalan’ireo rahalahy sy anabavintsika ihany koa ny Tompo, indrindra indrindra amin’ny endrika sy ny tantaran’ireo izay mila fanampiana. Fa te hanampy endrika iray tena sarobidy koa aho ao amin’ny fiarahan-dia: ny fihainoana ny hafa ao amin’ny Eglizy dia taratry ny fihainoana an’i Kristy, io fifampihainoana io no tanjona lehibe nandritra ireo dingana samihafa, ary, na
ahoana na ahoana, dia ilaina mandrakariva io amin’ireo fomba fanao sy fiaina ao amin’ny Eglizy miara-dia.
Eo am-pandrenesana ny feo’Andriamanitra Ray, «nony nandre izany ny mpianatra,dia lavo niankohoka sy natahotra indrindra. Fa nanatona azy i Jesoa, dia nanohina azy, ka nanao taminy hoe: “Mitsangàna, fa aza matahotra”. Nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahitaolona afa-tsy I Jesoa irery» (Mt 17,6-8). Io no famantarana faharoa ho an’ity Karemy ity: tsy mialokaloka ao ambanin’ny fombam-pivavahana azo avy amin’ny zava-mitranga mahagaga, na traikefa manaitra, noho ny tahotra hiatrika ny zava-misy miaraka amin’ny ezaka andavanandro, ny fahasarotany sy ny fanoherany. Efa taratry ny voninahitry ny Paka ny hazavana asehon’i Jesoa an’ireo mpianany, mankany amin’ny Paka, io no tsy maintsy aleha eo am panarahana Azy, ary “Izy irery ihany”. Mitodika mankany amin’ny Paka ny Karemy: tsy ny fihatahana no kendreny, fa ny fanomanana antsika hiaina am-pinoana sy fanantenana ary fitiavana ny fijaliana sy ny
lakroa mba ho tonga hatrany amin’ny fitsanganan-ko velona. Toy izany koa, izao fiarahan-dia izao dia tsy tokony hahatonga antsika hino hoe efa tonga amin’ny farany rahefa omen’Andriamanitra fahasoavana avy amina traikefam-piombonana mahery vaika. Amin’izay indrindra ny Tompo no mamerina amintsika hoe: «Mitsangàna ka aza matahotra». Midina indray mankeny amin’ny lemaka, ary ny fahasoavana efa ananantsika no hanohana antsika ho mpandrary fiarahan-dia eo amin’ny fiainanantsika andavanandro ao amin’ny ankohonana misy antsika.
Ry kristianina havana, enga anie ny Fanahy Masina hanampy antsika hiaina ity Karemy ity ao anatin’ny famolahan-tena miaraka amin’i Jesoa, mba hiainantsika ny famirapiratana maha Andriamanitra azy ary, ho an-kaherezina ao amin’ny finoana, ka hanohy ny fiarahan-dia Aminy, ho voninahitry ny vahoakany sy ho fahazavan’ny firenena rehetra.


Rôma, Saint Jean de Latran, 25 janoary 2023, fetin’ny fibebahan’i Md Paoly.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV