Talata 28 Febroary 2023

HEBREO 4.12-13

Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra

1-Velona

Toa an’Andriamanitra ihany ny teniny.Manankery amin’ny sehatra sy izay rehetra hitenenany .Efa hatrany am-piandohan’izao tontolo izao no nanehoan’Andriamanitra izany . Raha niteny Izy hoe : « MISIA » dia nisy izany (Gen 1.3) . Ny fahaveloman’ny Teniny no mampiavaka Azy . Koa raha te-hanana fahavelomana ao Aminy isika dia tsy maintsy mivelona amin’ny Teniny . « Raha miray amiko ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko , dia angataho izay tianareo na inona na inona fa ho tonga aminareo izany  » (Jao 15.7)

2-Mahery

Misy hery entin’ny Tenin’Andriamanitra àry izany dia entiny hahazoantsika ilay tena fiainana marina tokoa .Ary raha ny and 13 àry no jerena dia mamotika ny ratsy ao anatin’ny olona ny teny ary manorina fiainam-baovao , rehefa mandray ny Tenin’Andriamanitra isika , ny zavatra hitantsika sy tsapantsika voalohany dia ny maha-mpanota antsika , ary tsy izany ihany fa mitari-dàlana antsika ho amin’ny fahatsarana izany .

Fanontaniana :

Inona no zavatra tsapanao rehefa mandray ny Tenin’ny Tompo ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 27 Febroary 2023

MARKA 2.1-12

Manankery amin’izay mino ny Tenin’ny Tompo

Misy sokajin’olona roa mazava tsara eto amin’ity Perikopa ity .

1-Ireo avy any ivelany

Voalaza fa nisy olona efa-dahy tsy tafiditra fa teny ivelany noho ny habetsahan ‘ny olona nihaino an’i Jesoa .Nosokafan’izy ireo ny tafo mba hampidinany ny marary nentiny mba ho tonga eo anatrehan’ny Tompo . Ny olona nahita ny nataon’izy ireo dia gaga sy talanjona fa i Jesoa kosa nahita fa asan’ny finoana tao anatin’izy ireo izao nataony izao (and5)

2-Ireo tao anatiny

Voambara eo amin’ny and 6 fa nisy mpanora-dalàna tao anatin’ny trano . Raha niteny hoe : tao anatin’ny trano dia milaza indrindra izany ny olona akaiky sy nihaino an’i Jesoa . Raha nandre ny tenin’i Jesoa izy ireo dia nanameloka an’i Jesoa .

Fehiny : Mila mitandrina isika sao isika mihaino isanandro ny Tenin’ny Tompo indray no tsy hanana finoana raha oharina amin’ireo any ivelany .

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fatran’ny finoanao ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 26 Febroary 2023

DEOTERONOMIA 18.20-22

Saropiaro amin’ny Teniny ny Tompo

1-Ka mampitandrina ny mpaminany (and 20)

Maniraka mpaminany Andriamanitra hanambara amin’ny olona ny sitrapony araka ny and 18 . Tian’ny Tompo hanana fiainana ny olona , ka tsy izay mahafinaritra ny mpaminany no ambarany fa izay lazain’ ny Tompo ihany .Fa maro ankehitriny ny mpaminany manao izay hanarahan’ny olona azy fa tsy ny hanarahan’ny olona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny teny toa milaza fiadanana kanefa ny hahazoany tombotsoa no tanjony .Amin’izany dia lasa fitaovaa hahazoan’ireny mpaminany ireny tombotsoa ny mpihaino azy . Halan’Andriamanitra izany ary ambarany eo amin’ny and 20 , fa hataony maty ireny .

2-Tsy maintsy tanteraka izay lazainy (and22)

Manome toky Andriamanitra fa izay ambarany dia tsy maintsy tanteraka , satria Andriamanitra miasa Izy . Toetra iray mampiavaka Azy izany ka hanomezany toky antsika anio indray . Hoy ny teny nataony : « dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako .Tsy hiverina amoko foana izy ,raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy » (Isa 55.11). Manam-pahefana hanome fiainam-baovao antsika ny teniny « fa efa teraka indray ianareo ,tsy tamin’ny voa mety ho lo ,fa tamin’ny tsy mety lo dia ny Tenin’Andriamanitra izay velona sady maharitra  » (1 Pet 1.23)

Fanontaniana :

Inona no teny efa tanteraka teo amin’ny fiainanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 25 Febroary 2023

EFESIANA 6.10-20

« ary raiso ny Tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy «  (and17)

1-Raiso ny Tenin’Andriamanitra

Raha ny teny fototra no jerena , ny hoe : RAISO eto dia toy ny olona mandray zavatra natolotra azy ary izany indrindra no hevitry ny Soratra masina eto : avy amin’Andriamanitra , natolony ho antsika ny teniny . Izy no manam-pahefana hanolotra izany ho antsika , satria mila mampiasa izany isika eo amin’ny fiainantsika .Tsy misy na inona na inona hahazoantsika misedra izao tontolo izao afa-tsy ny Tenin’Andriamanitra . Ny mandray amin’izany dia vonona hampiasa izay noraisiny .Tonga fitaovana eny am-pelatànantsika ny Teny .

2-Raiso ho sabatry ny fanahy

Ny sabatra dia fitaovana entina miady sy hanoherana fahavalo . Amin’izany ny tanjona dia ny haharesy tosika ny fahavalo .Fitaovana mahomby tokoa ny sabatra tamin’izany fotoana izany .Tsy avelan’Andriamanitra hiady irery isika fa tolorany fitaovana mahomby sy azo antoka hanoherantsika ilay ratsy mitady hambabo antsika . Ny Tenin’Andriamanitra no atolony ho antsika . Ny Tenin’Andriamanitra no atolony ho antsika .Raha te-hahita fahombiazana isika da tsy maintsy mandray izany . « Fa velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela » (Heb 4.12)

Fanontaniana :

Milazà fomba fandraisana ny Tenin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Mofo / Martsa 2023

MAMERINA HO AMIN’NY FAHAMARINANA NY TOMPO

DATYSORATRA MASINA
01 2 Mpanjaka 20.1-7
02Matio25.14-20
03Romana 4.13-22
04Lioka 16.14-31
05Isaia 1.21-26
061 Korintiana 4.1-5
07Matio 5.43-48
08Deoteronomia 23.10-19
09Jaona 4.1-26
10Romana 6.15-19
11Jaona 4.1-26
12Lioka 10.25-37
131 Timoty 3.1-16
14Hosea 2.10-22
15Lioka 12.41-48
163 Jaona 1-8
17Romana 5.15-21
18Eksodosy 21.12-37
19Efesiana 4.17-24
20Matio 5.1-10
21Jeremia 33.1-9
221 Timoty 1.12-22
232 Mpanjaka 24.1-6
24Matio 9.9-13
25Romana 13.1-10
26Zefania 2.1-3
272 Samoela 12.7-15
28Jaona 7.14-24
29Ohabolana 14.29-35
30Jakoba 7.14-24
311 Timoty 2.1-7

Zoma 24 Febroary 2023

JAONA 12.44-50

Ny Tenin’Andriamanitra

1-Tandremo tsara

Raha mitandrina ny teny izay ambaran’i Jesoa isika dia ambarany fa misy ilay mitsara antsika . Ny hevitr’izany dia izao : anjaran’i Jesoa ny manome ny teny fiainana ho antsika ary anjarantsika ny mihaino sy mandray izany sao ho fanamelohana antsika ny tsy fitandremantsika izay ambarany .Hoy i Jesoa manamafy izany :  » izay mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko dia manana izay mitsara azy . Ny teny izay nolazaiko , izany ihany no hitsara azy amin’ny andro farany » (and 48) .Tsy hanameloka antsika no tanjon’ny Tompo fa ny hanavotra sy hanolotra fiainana ho antsika .

2-Fiainana mandrakizay ho anao

« ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny . Koa izay lazaiko araka izay nolazain’ny Ray tamiko » (and50) . Tsy mba nanova ny teny avy amin’ny Rainy i Jesoa fa izay nambara taminy ihany no nolazainy ary na tamin’izay nataony aza dia izay nanirahana azy ihany no notanterahany .Fa hoy Izy : « fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko , fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy , dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy , fa hatsangako indray amin’ny andro farany  » (Jao 6.39)

Fanontaniana :

Ahoana ny fahatsapanao ny fiainanao rehefa mandray ny tenin’ny Tompo ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 23 Febroary 2023

LIOKA 5.1-11

Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra

1-Ahazoam-bokatra

Efa hatry ny alina , hoy i Petera no tsy nahita vokatra tamin’ny fisasarana izy ireo, kanefa mbola asain’ny Tompo mamerina indray ny fanaratoana , sady efa vizaky ny asa alina no trotraky ny tsy fahombiazana izay nitranga no mbola asaina miverina manarato indray . Raha ny marina dia nanaiky tsy sazoka i Petera eto : « noho ny teninao dia halatsako ihany  » . Maro ny zava-mahakivy tsy ahitantsika fahombiazana . Antsoy Andriamanitra ary asaivo miteny hitondra antsika amin’ny fahombiazana .

2-Ahazoana asa vaovao

Raha ianao no mangata-bavaka amin’ny Mpitandrina hoe : ento ambavaka ity asako ity ka tonga mandeha be ilay asanao . Hiala na hanary ilay asa ve ianao ka hanao hoe : avelako eo ity asa ity fa andeha hitory ny Filazantsara aho ? Valiny : TSIA ,fa jereo i Petera : nafoiny ny zavatra rehetra fa nanaraka an’iJesoa izy . Ary asa fanaratoana olona no natolotry ny Tompo azy . Ny fanaratoana trondro dia manala ny trondro ao anaty fahavelomany ka mitondra azy ety an-tanety dia maty izy . Ny fanaratoana olona kosa dia manala ny olona amin’ny fahafatesana ka mitondra azy amin’ny fahavelomana .

Fanontaniana:

Ahoana re no ataonao raha teo amin’ny toeran’i Petera ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Tatitra sy Hafatra/ SAMPATI 2023

Miorena tsara aza miova » Ikor.15,58
« Aoka hirehitra ny jironareo » Lio.12,35

« Mitsangàna mihazavà fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava » Isa.60,1 ;ITes.5,5Ho an’ny Komity Foibe sy ny Biraon’ny SAMPATI Synodamparitany

Ry havana malala,
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy
Tompontsika amen.
Isaorantsika lehibe indrindra Andriamanitra fa tentaraka soamatsara ny Fivorian’ny Komity Foibe
SAMPATI FJKM ny 10-11 Febroary 2023 lasa, isaorana isika rehetra tonga niatrika izany ; tsy
omentsika tsiny kosa tsy afaka noho ny anton’ny manokana, ka nahatonga fialan-tsiny mialoha.
Isaorana ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana, ny Mpiandraikitra foibe Mpiahy. Isaorana araka
izany koa ny Tompo fa tontosa ny alahady 12 Febroary 2023 ny fitondrana am-bavaka sy fanokafana ny
taomp-piasana SAMPATI 2023, tao amin’ny FJKM Isaotry Fitiavana ; tolorana fanakasitrahana ny
Sekretera Jeneraly foibe FJKM nitondra ny hafatr’Andriamanitra ary ny Biraon’ny Mpiandraikitra foibe
nitondra ny teny fiarahabana sy fanokafana ny taom-piasana 2023, ny Komity Lehibe MTEM, Foibe
Mpanazava, Tily, FMT2S, solotena avy amin’ny Synodampiangonana sy ny skoto aty Afrika ; natolotra
tamin’io fotoana io koa ny LOGO sy ny hira fanevan’ny faha-30 taonan’ny SAMPATI FJKM, ary ireo
fandaharam-potoana sy tanjon’ny faha-30 taona SAMPATI FJKM.
Ny Fivorian’ny KOMITY FOIBE SAMPATI ary dia manafatra antsika mba :

  • Handroso hatrany amin’ny asa fanabeazana, fampiharana eny amin’ny isam-pivondronana, ny
    Synodamparitany ny HAZAKAZAKA MASINA.
  • Isaorana ny Tompo ny fahavitan’ny FITRAOFAMBE I natao tany Mahajanga
  • Hitondra am-bavaka sy handamina ny fotoan’ny tsirairay fa TAOM-PANKALAZANA
    AN’ANDRIAMANITRA NOHO NY FAHA-30 SAMPATI FJKM ity taona 2023 ity
  • Hiara-hiatrika ny FIHAONAMBE NASIONALY SY FAHA-30 TAONA SAMPATI FJKM atao ao
    Antananarivo, Synodamparitany Antananarivo Andrefana, ny 10,11,12,13 Aogositra 2023.
    Antananarivo, faha 09 Janoary
    2023
  • Hamafisina ireo fandaharam-potoana sy soritr’Asa 2023, ara-panahy, asa- soa indrindra
    amin’ny 22 Febroary sy ny 14 Aogositra andro niorenana, fankatoavana ny fandaharam-
    potoana iombonana.
  • Hotanterahina ny fanolorana sy fividianana  moto; atolotra ny AFF SP.38 rehefa voahangona
    ny vola notsinjaraina amintsika SP tsirairay ka ny faha-31 MARTSA 2023 no fara-fanaterana
    izany aty amin’ny foibe.
  • Hamafisina ny fijoroantsika SAMPATI amin’ny maha-olom-pirenena vanona sy vonona ary
    mandray andraikitra eo amin’ny fiangonana sy ny firenena antsika, indrindra amin’izao
    taonan’ny fifidianana eto amin’ny firenena izao.
  • Hifantoka amin’ny HAZAKAZAKA MASINA avokoa ny SORITR’ASA 2023 SAMPATI FJKM
  • Hapetraka ho IRAY VOLAN’NY TONTOLO IAINANA ny volana FEBROARY ho antsika
    SAMPATI : mamboly hazo ny rehetra, ary hanaovana tatitra aty foibe SAMPATI FJKM izany.
  • Entanina ny fandrotsahana ny rakitra sy ny adidy aty amin’ny foibe SAMPATI, ho entintsika
    manao ireo asa manandrify antsika.
  • Entanina ny fanjifana ireo fitaovana vokarin’ny SAMPATI Foibe sy ny komitin’ny faha-30 taona
    SAMPATI.
  • Fiaraha-mientana ho fampandrosoana ny SAMPATI FJKM, fampijoroana SAMPATI any
    amin’ireo tsy mbola misy izany : fifamangiana, fiaraha-mandroso, fifanohanana.
  • Hamafisina ny fiaraha-mivavaka araka ny VAVAKA 24 ORA navoakan’ny Foibe FJKM,
    hivavaka ho an’ny firenena, ny ady any Russie sy Ukraine, ny vokatry ny Horohoron-tany
    niseho tany Turquie sy Syrie.
  • Mampahery ihany koa sy mivavaka ho an’ireo namantsika any Ampitan-dranomasina rehetra sy
    ny SPA 37 handroso hatrany.

Dia manao veloma finaritra amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa


Amin’ny anaran’ny Birao foibe SAMPATI FJKM


Ny Filoha

RABEMANANDRATRARIVO Lanto Johnson, Mpitandrina FJKM
(JABADY Miremby)

Ny Tonia

RANDRIAMANANTENA Solo Jean Jacques Seraphin ,Mpitandrina

(FANDRASA Mikalo)

Fifandraisana :

Ny Tonia ( 034 90 163 67)