vavaka 24 ora/24 ora

Fiainam-bavaka

Hitohy sy hamafisina hatrany  ho 24ora/24ora

Nisongadina teny amin’ny Coliseum Antsonjombe tao anaty fanompoam-pivavahana nitondrana am-bavaka ny Filohan’ny FJKM mianakavy sy ny Taom-piasana 2023 ny filazana zava-baovao sy ny tsara ho fantatry ny mpianakavin’ny finoana eo anivon’ny sahan’ny FJKM. Anisan’izany ny amin’ny hanohizana sy hanamafisina ny fiainam-bavaky ny kristiana FJKM. Ny teo aloha, dia fiainam-bavaka niraisana ny fotoana isaky ny amin’ny 8 ora alina. Amin’io ora io dia samy manao izany ny fianakaviana isan-tokantrano. Tsy adino ny fanentanana tamin’izany tamin’ny taon-dasa teny Antsonjombe ihany. Samy niezaka arak’izay fahafahany avy ny mpino tao anatin’izany. Toromarika nomena kosa tamin’ity taona ity, dia hanamafisana izany, ka avy amin’ny tolo-tsain’ny Fanahy masina no nahafahana nihevitra ny amin’ny hampitomboana izany ho ao anaty 24 ora/24 ora. Samy handray anjara amin’izany avokoa ireo Sampana, Sampanasa, Asa ary fikambanana eo anivon’ny FJKM, ary tafiditra ao anatin’izany ihany koa hatramin’ny Synodamparitany. Notsinjaraina ny ora ka samy hanana ora iray avy izy ireo. Voarakitra ao anaty boky kely iray “ VAVAKA 24/24 – KRISTIANA FJKM MIORINA TSARA AMIN’NY FIAINAM-BAVAKA” ny amin’ny fandaminana izany.

Zava-dehibe tokoa izany satria manana ny anjara toerana lehibe sy hitondra fiovàna eo amin’ny fiainam-piangonana sy ny fiainam-pirenena ihany koa izany. Ny vavaka manova zavatra, iaraha-mahalala izany, ary ny “fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra”. Manana adidy lehibe ny kristiana tsirairay eo anivon’ny fiangonana sy indrindra ny firenena satria irak’i Jesoa izy.

Marihina, fa ankoatra ny fanatanterahana ny fiainam-bavaka izay, dia nampahafantarina ihany koa teny Antsonjombe ny amin’ny RAKITRA SOA sy ny fahavitan’ny Fiangonana ny rano fisotro anaty tavoahangy plastika nomena anarana hoe “AINA”.

R.Philémon  

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV