Talata 31 Janoary 2023

APOKALYPSY 22.1-5

Ny fanjakan’Andriamanitra

Tontolo milamina sy mirindra tanteraka no miseho amin’ny fahitana eto , ka Andriamanitra no mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ao .

1-Tanteraka amin’ny fanompoana Azy

« …ary ny mpanompony dia hanompo Azy« .Izany no anisan’ny misongadina eto amin’ity fahitana ity .Tanteraka sy miorina tokoa ny fanjakan’Andriamanitra rehefa manompo aAzy amin’ny fifaliana sy ny zotompo tanteraka ireo mpanompony . Araka izany ,tsy ilay fanjakana ho avy ihany no ambara amin’izao fa ilay fanjakana efa tonga , satria tsy dia ny lanitra loatra no itoeran’Andriamanitra fa eo amin’izay itoeran’Andriamanitra no lanitra. Koa tanteraka eo amin’ny fiainantsika ny hoe: « ho tonga anie ny fanjakanao ety an-tany tahaka ny any an-danitra « rehefa manompo marina an’Andriamanitra isika mpanompony .

2-Tanteraka amin’ny fahazavana mandrakizay

« Ary tsy hisy alina intsony fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy,ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy » .Mamerina antsika ho amin’ny tantaran’ny fahariana ao amin’ny Gen 1.3 izany tranga voalaza izany .Ny mazava araka ny faharian’Andriamanitra azy tamin’ny voalohany dia tsy niankina velively tamin’ny masoandro satria any amin’ny andro fahefatra vao nisy ny masoandro , satria any amin’ny andro fahefatra vao nisy ny masoandro (Gen 1.14) .Miverina ary ambara mazava indray izany fahatanterahan’ny fanjakan’Andriamanitra izany eto amin’ity fahitana ity .Koa mandehana amin’ny mazava ry zanaky ny mazava .

Fanontaniana :

Aizan’ny fanjakan’Andriamanitra no misy anao izao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Mofo /Febroary 23

TENY HOVAKIANA ISANANDRO

DATY VAKITENY
1Sal 119.105-112
2Lioka 4.38-41
3Ohab 7.1-5
4Marka 5.35-43
5Zakaria 1.1-6
6Jaona 17.9-19
7Jeremia 31.31-34
8Marka 1.21-28
9Salamo 106.1-12
10Hebreo 1.1-4
11Deotero 4.32-40
12Lioka 8.22-25
13Jeremia 15.10-18
14Marka 4.35-41
152 Timoty 3.14-17
16Jaona 11.38-46
171 Mpanjaka 13.1-6
18Salamo 1.1-6
19Asa 19.11-20
20Salamo 119.11-20
211 Petera 1.13-25
22Eksodosy 20.18-26
23Lioka 5.1-11
24 Jaona 12. 44-50
25Efesiana 6.10-20
26Deotero 18.20-22
27Marka 2.1-12
28Hebreo 4.12-13

Alatsinainy 30 Janoary 2023

ISAIA 65.17-21

Ny fanavaozan’Andriamanitra

1-Mitaona ny olona hifaly

Tontolo roa tsy afa-misaraka ,mahalavorary ny fiainana ny lanitra sy ny tany . Ny fahotana anefa no nitondra ny fahafatesana teto amin’izao tontolo iainantsika ankehitriny izao . Indro Andriamanitra manome toky sy mamelona fanantenana indray fa « mahary lanitra vaovao sy tany vaovao » Izy . Tontolo vaovao izay anjakan’ny fifaliana sy fiadanana ary fandriampahalemana mandrakizay no atolony , satria Andriamanitra no manjaka ao .Izany fampanantenan’Andriamanitra mpahary izany indrindra no mitaona ny olona hifaly satria fantatra sy hita fa tsy sanatria fampanantenana poakaty tsy akory .

2-Fanambinana ho an’izao tontolo izao

Andro maro sy taona ela iainana no fanambinana ambaran’ny Soratra masina eto .Iza tokoa moa no tsy maniry izany ? Fanampin’izany dia eo ihany koa ny fahavokarana. Ary araka ny voalaza eto « …ny mponina aza dia hahatratra zato taona vao hozonina« . Fampanantenana miantefa mivantana tamin’ny firenen’Israely avy any am-pahababoana moa izao teny izao ,ka dia hitantsika eto ny firesahana ny amin’ny mbola hisian’ny fahafatesana satria na fiainana feno fanambinana tokoa aza izany , dia mbola voafetra ihany .Tsarovy àry ry havana fa na feno fitahiana sy fanambinana tokoa aza ny fiainanao amin’izao ankehitriny izao ,dia manam-pahataperana izany fa ny ao amin’ilay toerana efa namboarin’i Jesoa no mandrakizay .

Fanontaniana :

Inona no ataonao hoe: fifaliana tena izy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM