Alahady 07 Aogositra 2022

Daniela 3:4-26 
Manoatra noho ny mapandresy ny mpino 
1- Miatrika fizahan-toetra mahamay 

Manoloana ny sarivongan’olona volamena izay telopolo metatra ny haavony ary telo metatra ny sakany (araka ny DIEM), dia fanipazana ao anaty lafaoro misy afo mivaivay no sazy miandry izay tsy mety hiankohoka. Miatrika fizahan-toetra mahamay ny mpino. Mazava ny safidy: Na hanaiky hiankohoka na hisafidy ny lafaoro mahamay. Mitaky fanapahan-kevitra Hendry izany. 

2- Manaja hatrany ny didin’Andriamanitra 

« Aza manao sarin-javatra voasikotra ho anao… Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy » (Eks. 20:4-5). Ambony lavitra noho ny fanajana mpitondra izay olombelona ihany ny fanajana ny didin Andriamanitra. Nanafatra antsika ny Tompo hoe: « Raha tia Ahy ianareo dia mitandrina ny didiko » (Jao. 14:15). Izany no nahatonga an’i Petera sy Jaona niteny hoe: « Tsaraonareo na marina na tsia eo imason Andriamanitra, ny hanaiky anareo mihoatra an’Andriamanitra » (Asa 4:19). 

3- Anehoan’ny Tompo ny voninahiny 

Rehefa tsy nanao ny fitadiavana vahaolana ho ambony mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra i Sadraka sy Mesaka ary Abed-nego dia narovany. Telo lahy mifatotra no natsipy saingy efa-dahy mandehandeha anaty afo no hita. Tsy nanan-kery tamin’izy ireo ny lafaoro mivaivay.  ny Tompo hoe: « Izaho momba anareo mandrakariva » (Mat. 28:20). Tsy miady irery isika. 

4- Mijoro vavolombelona 

Tsapan’i Nebokadnezara fa mpanompon Andriamanitra avo indrindra izy telo lahy. Nanaiky ny Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka ary Abed-nego izy. Velona ny Tompo. Mila mijoro ho fanasina sy fahazavana hatrany isika. 

Fanontaniana : Inona avy ireo fizahan-toetra mila resentsika ankehitriny?

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV