Alarobia 03 Aogositra 2022

GENESISY 22.1-19

Nitana mafy ny finoana i Abrahama

1-Nifanerasera akaiky tamin’Andriamanitra

« Ry Abrahama o! ary hoy izy : inty aho » (and 1b). Ahitana taratra ny fifandraisana akaiky eo amin’ny Tompo sy ny mpanompony izany. Afaka mifandray Aminy amin’ny alalan’ny vavaka isika, araka ny Jer. 33.3

2-Nanaraka ny toromarik’Andriamanitra

« Dia niainga Abrahama ka nankany amin’ny tany izay efa nolazain’Andriamanitra taminy » (and3). Tsisy ady varotra , tsisy fanontaniana fa dia lasa nandeha Abrahama.Niroso mba hanatanteraka amin’ny antsipirihany ny baiko azony .

3-Nanankina ny ho aviny tamin’Andriamanitra

« Anaka Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana… » (and 8). Tsy nampihemotra an’i Abrahama izany fanontanian-janany lahitokana izany, fa tapa-kevitra hatrany i Abrahama : « dia nandeha izy mianaka ».

4-Nahafoy ny sarobidy teo aminy

« dia namatotra an’Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin’ny alitara teo ambonin’ny kitay » (and9). Ity kitay ity dia tandindon’ny hazo fijalian’i Jesoa Kristy, Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra .Eny, nisafidy an’Andriamanitra ho ambony noho Isaka i Abrahama.

5-Nandresy manoloana ny fisedrana

« Hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao » (and12). Nosedraina Abrahama vao mainka namiratra.

6-Nahazo fankasitrahana miavaka izy

« Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao  » (and17). Nahazo vaha-olana sy teny fikasana avy amin’ny Tompo i Abrahama. Tsy ho azy ihany fa fandresena mitohy amin’ny taranany ihany koa.

Fanontaniana :

Tanisao ireo sampy mbola mangeja ny mpino sasany.

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 06. Ala. III man. Trinite
Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025